Fahitana ny dinika farany indrindra

1. Bola ( 27/06/2008 12:50)
salama daholo!
fanontaniana ny ahy satria tsy mbola zatra eto sady soso kevitra koa ...
Fa alohan izay aloha misaotra be dia be an ireo mikarakara ny pejy eto satria fantatra fa mila asa be ilay izy ary tsy fantatro koa hoe ahoana no anohananareo ara bola ity pejy ity kay...Sa ireo mpanohana manao dokambarotra eto. Izay fa misaotra aloha no voalohan teny ary enga anie ny rehetra mahay mankasitraka ny asa ataonareo.

Dia ilay fanontaniana hoe: tsara aloha ilay miloko izay hevitra farany fa mba misy hevitra ve asiana pejyiray azo sokafana avy hatrany dia mipoitra eo ny dinika farany rehetra nisy nanoratra fa indraindray ilay dinika mahaliana nefa satria efa ela no nisy nandefa dia tsy hita fa ery ambany be ery.
Ohatra mety anaran ilay pejy hoe ireo dinika farany na post farany dia avy eo rehefa sokafana dia mitondra anao ao @ ilay dinika...Sa tsy azo atao ilay izy...
Fanontaniana ihany iny fa misaotra e! :)
novalian'i Bola ny 03/07/2008 22:54
2. hery ( 27/06/2008 13:43)
Ity no misy: http://feeds.feedburner.com/serasera/forum

Izany hoe io dia tsy pejy iray eto @ forum fa azo jerena amin'ny fitaovana samihafa ( http://hery.blaogy.com/post/4/4391 fa misy fanazavana fohifohy nataoko momba an'io.)

Ankoatr'izay dia azo jerena ao @ namana.serasera.org koa ny dinika 10 farany nandeha.

Momba ny fitantanana ara-bola. Tena sahirankirana ihany fa dia manampy foana ny namana. Sao dia mba hanampy koa i Bola? Teneno ihany aho.

3. lazounet ( 27/06/2008 15:46)
hery:

Ity no misy: http://feeds.feedburner.com/serasera/forum

Izany hoe io dia tsy pejy iray eto @ forum fa azo jerena amin'ny fitaovana samihafa ( http://hery.blaogy.com/post/4/4391 fa misy fanazavana fohifohy nataoko momba an'io.)

Ankoatr'izay dia azo jerena ao @ namana.serasera.org koa ny dinika 10 farany nandeha.

Momba ny fitantanana ara-bola. Tena sahirankirana ihany fa dia manampy foana ny namana. Sao dia mba hanampy koa i Bola? Teneno ihany aho.


Mety ho fanontaniana adaladala fa aza raisina amin'izay. Raha hanampy ara-bola ny serasrea dia :
1- manomboka amin'ny hoatrinona fara-faha ambaniny ( à partir de combien d'euro)

2- ohatrinona no omen'ny olona fara -fahakeliny eo amin'ny salan'isa ?
Misaotra mialoha.
4. hery ( 27/06/2008 18:20)
lazounet>

1. raha hoe vola aloha no aloa dia pratiquement na 1 euro aza dia efa mety raha paypal no ampiasaina. Mila jerena fotsiny hoe misy commission raisin'ny paypal amin'ilay izy dia centimes vitsivitsy no voaray raha tena 1 euro no omena. Raha resaka cheques na virement dia miankina amin'ny banky hoe ohatrinona no azo atao.

2. Miovaova be ary tsy misy salan'isa azo atolotra mihitsy fa toa mifandanjalanja be. Samy manana ny fahafahany sy ny fientanam-pony mantsy ny olona. Misy manome 20 Euros fa reguliers, misy manome 100 na 150 euros matetitetika. Misy manome 200 isan-taona etc. Ny betsaka indrindra aloha efa hitako dia 300 euros (ankoatranay admin sasany izay manentsina ny banga rehefa sendra urgence)
5. Bola ( 29/06/2008 12:59)
Misoaotra t@ valinteny! Ilay pejy nomenao iny dia mety ka!
Fa io aza aho fa voa fa tsy tsaroako izay toerana nanoratako iyt dia noheveriko fa voafafa...

fa ahoana no hatongavana @ ilay pejy iny izao sa miditra ao @ aily valinteninao dia manindra ny jereo eto...Sa tazomina favorit angamba...

raha mandefa @ paypal dia inona no adiresy. dia manaiky money order ve nareo dia atao @ anaran iza. Sa inona no fomba aza handoavana hafa.
Izaho aloha tsy mahavita ilay 300 euros koasa e...
Mety tsy ho 1 euro koa fa izay mba kely vitako...mba nanampy ahy hahita ny malagasy teto Toronto ity pejy ity dia mba manome izay anjara biriky kely dia kely aho. Raha samy manao kely anie dia mahatambatra betsaka!
Fa ny tsy mahatamana ahy eto loatra fotsiny tsy dia zatra ilay fomba firesaka aho @ ankapobeny fa tsy ny rehetra no manao ilay izy ka tsy mahazo aina @ loatra fa na izany aza hisaotra no io nahitako ireo malagasy taty io! :)
6. xxx ( 29/06/2008 14:34)
Ny dinika rehetra
Antson'ny fo
Artista sy Hira
Diaspora
Eritreritra mandalo
FahasalamanaFanabeazana
Fanatanjahantena
Fety sy fihaonana
Fiaraha-monina
Fiarakodia
Firariantsoa,Fankaherezana
Fitiavana
Fivavahana, finoana
Hatsikana sy lalao
Hoy ny gazety
Hoy ny lalàna
Informatika
Kolotsaina

Momba ny serasera

Politika
Resa-behivavy
Resa-dehilahy
Sakafo
Sarimihetsika
Soso-kevitra
Takelaka mahaliana
Tetikasa sy vinavina
Tetsy sy teroa
Toekarena
Tontolo iainana!
!Vaovao tselatra
Vavolombelona
vetso.serasera.org
Zaridaina


ireo no lisitrin'loha-dinika...de tadidiana hoe taiza moa no nisy an'lé dinika novaliako farany ? ( Momba ny serasera) avy de io no klikénao de tafaverina ao @ lé tadiavinao enao .

ohatra hoe nisy dinika nanintona anao tao @ "Tetsy sy teroa" de tadidiana fotsiny io , avy de mikliky de menjera ao avy hatrany !

Hery: ary maninona no tsy haverina ohatram'lé taloha ? eo am page d'ac nisy an'lé "dinika nisy namaly farany" lé nihetsiketsika iny ? :)
7. Bola ( 30/06/2008 02:31)
@ xxx: misaotra niezaka mafy hanazava...fa sady mampitsiky ahy ianao!
Ilay tena fanontaniako dia somary ilay lazainao ambany io. Mba mora hita izay valinteny vaovao rehetra hatramin ny nidirana farany. Satria ilay lazainao mihitsy hoe tadidiana taiza no nosoratana no sarotra fa 100 sy 1000 no eritreretina tsy tsaroana daholo...Tsy mbola antitra fa na izany aza :)
Fa misaotra nanazava! :D
8. hery ( 30/06/2008 10:39)
Bola>

Ilay pejy nasehoko anao io dia hitanao amin'ilay hoe XML orange ery amin'ny anbany indrindra amin'ity takelaka ity.
Dia jereo koa fa isaky ny hevitra mandeha dia misy an'io bokotra orange XML io dia io koa azonao tehirizina fa hahitanao hoe niova ve ny hevitra napetrakao.

Momba ny paypal dia ity ny adiresy azo ampiasaina: hery@serasera.org

Misaotra
Hery
9. Bola ( 03/07/2008 22:54)
hery:

Momba ny paypal dia ity ny adiresy azo ampiasaina: hery@serasera.org

voaray izany! tsy manome daty aho na sandambola hoe rahoviana no hanao dia ohatrinona fa tsaroako io rehefa ilay mahalafo entana @ ebay ka misy fonds ny compte! :)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2559