MAY NY PORT TOAMASINA: 1 MATY ARY 2 MARATRA MAFY

1. kidoropamba ( 26/06/2008 07:28)
Rariny loatra raha tezitra ny filoha hajaina Ravalomanana omaly hariva raha tonga tany toamasina izy hankalaza ny fetin'ny fahaleovan-tena.
Nitady ho be zesta anefa izy ka nanome baiko ny TIM sy ireo vahiny nasaina nikirakira ny "afo manga" (na feux d'artifices) ka handefa an'io feux d'artifices io AVY any antsambo. Ny ben'ny tanAna teo aloha Roland Ratsiraka mantsy efa zatra manao an'io feu d'artifice io isakin'ny 26 juin ka mahaliana ny vahoaka avy ao toamasina.
Hi-défié an'ingahy Roland Ratsiraka izany no tena tanjona tamin'ity fandefasana Feux d'artifices avy any antsambo ity ka tonga tany toamasina mihitsy ny filoha hajaina omaly alina nanome baiko izany fijerevana feux d'artifice izany tamin'ny alin'ny 25 jiona.

KINANJO: Tsy nahay nitifitra ireto mpikirakira ny feux d'artifice ka nipaoka ny anao lahy KA MAY NY PORT: Hatramin'izao aloha dia 1 MATY ARY 2 NO fantatra fa naratra mafy. Tsy azo aleha moa teny amin'ny port ka io isa ireo no azo avy amin'ny tomponandraikitra ka tsy fantatra na marina izany na tsia.

TEZITRA NY FILOHA satria rava ny fety. INDRINDRA fa voatery izy hiverina any antananarivo ka hiaraka hanao matso amin'ny ben'ny tanAna RAJOELINA kanefa io no tsy tian'i Filoha ka nahatonga azy nandrositra tany Toamasina.
KA ANAO AHOANA NY FETY AO MAHAMASINA ANDROANY satria tsy "programmé" ny ahatonga ny filoha hajaina. Ka tsy maintsy "improvisation" indray izany ny anio.

ARY ahoana ny amin'ireto MAHANTRA NIALA NY FAHANTRANA IZAO (satria nihena 1 indray ny gasy mahantra)? Misy fepetra ho raisin'ny mpitondra ve?
ARY hanao ahoana ihany koa ny fety ao toamasina ao satria "gaté" izao ilay fety satria FATY no misy?

Efa nandefa fangatahana amùin'ny birao nasionaly TIM ihany izahay TIM aty toamasina fa mbola tsy nahazo vaovao mihitsy satria TOA HIDONGY TSY HANDEHA amin'ny matso ao Antananarivo izany ny filoha hajaina satria tsy te hifanatry tava amin'ny ANDRY TGV.

Izany ny vaovao avy aty toamasina ka haverina aminareo eny anosy ny fitenenenana.

Radio TIM (Tafita Isika Malagasy) avy aty Toamasina
God bless Ravalomanana ^:^
novalian'i tsimati ny 02/07/2008 01:20
2. diamondra27 ( 26/06/2008 09:36)
mirary fiononana ho any fianakaviany tra doza

i sarobidy zany ahoana am zao?
mba omeo vaovao ndry akia
3. tsimati ( 26/06/2008 13:27)
Dia inona no hifandraisan'ny hajaina amin'izany. Rehefa tsy mahay dia mazava fa mila soloana ny mahay na iza izy na iza na amin'ny sehatra inona. Tsisy azafady fa rehefa diso dia diso ka dia samy miandry izay vokany. Ny loza sahala izany koa matetika fa tsy hoe fiarovana. Misy ny faty olona ampijerevana baolina andafy satria nianjera ny gradin, misy ny eo maty maro ampandihizana mankalaza fanambadiana satria mianjera ny trano, ao koa ny taraiky anaty grande surface. Loza marobe anadfy ary tsy amin'ny tany vizana sy ahafatesana olona iray fa marobe no maty. Tsy mahafaly akory ny nahafaty olona fa ny loza tsy mijanona na aiza na aiza.
Ankoatr'izay moa dia efa herinandro no nilazanay mpanohatra hisoloan'i kidoropamba tena ary mody manao TIM hafahafa fatokony soloana ny mpanohatra amin'izay ity fitondrana ity. tsy hisy ny loza, milamina ny rehetraraha izahay mpanohaatra no mitondra.
Koa mihetse re ry vahoaka ary ampio tanana izahay ahazoanay ny seza hampiadana anareo mitofezaka. Dia ela velona anie kidoropamba :-D :-D :-D
4. diamondra27 ( 26/06/2008 13:28)
tsy ny port we no may fa le vedette nanaovana le feu d 'artifice koa

5. tsimati ( 26/06/2008 13:37)
Vaovaon'i kidoropamba io fa tsisy any e. Mahazo mandihy kidoropamba amin'izany :-P :-P :-P
6. kidoropamba ( 26/06/2008 15:53)
hin! hin!hin!hin!hin!
Toa ela be vao nihetsika ny namana akaiky tsimati t@ famaliana ny resaka nef aizaho efa niandry vavao mafAna avy any toamasina.
Faly izany isika fa tsy nisy ny may, ny maty ny naratra. Tsy ny port izany no may fa ny vedety.
Inona marina ary no tena nitranga?
Toa be tahotra ihany izahay TIM raha misy manjo ny filoha hajaina. Io ange ilay baiko hoe: kamikaze. Ary mbola santionany io.

Raha ireny fihetsik'i tsimati, kanota, penguin sy ny ekipanay TIM rehetra no jerena dia hita tampoka fa NITSAOKA daholo ry zalahy raha nisy blema ny filoha hajaina. Hin! hin!hin!hin, izany ve ny olona TIM ka manompa anay eto isan'andro?

Velona soa amantsara ny filoha hajaina ka deraina ny tompo mahery niaro azy.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
7. naughtyboy ( 26/06/2008 21:27)
razanety>ataovy ba vody izy de domy ny tolambodinjanakao lahy fa tsy olana :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
8. tsimati ( 27/06/2008 03:50)
Sao mitapy i naughty ? Sao TIM koa i naughty izany ve ? =)) =)) =))
9. kidoropamba ( 27/06/2008 10:45)
Okazion be izao hoan'i MAP hitrosa vola bebekokoa satria may ny sambo lafo vidy iray.
Na dia tsy nanome vola aza ny mpamatsy vola t@ fivoriana andatabatra boribory t@ 09 jiona iny momba ny MAP dia amin'izao kosa dia tsy afaka miala pA intsony ny mpamatsy vola @ fanomezana trosa ny malagasy satria may ny sabontsika izay ilaina mihitsy amin'ny fanondrAnana ny cobalt sy ny illménite.

Tokony alefan'ny filoha hajaina haingana ny fangatahana HITROSA satria efa ho tonga tsy ho ela ireo filipianina hanondrAna an'ireo harena ireo.

Mankasitraka anao izahay ry filoha hajaina ^:^
10. rahiratra ( 27/06/2008 15:43)
Fanahiniana nodorana izany raha faly ahazoana volabe. Inona ary ty misavoritak'i Rakotolahy kidoropamba ty
11. kidoropamba ( 30/06/2008 09:38)
Potehina avy eo manarina. Io ialy baikom-pitolomana teny @ 13mai.
Heveriko fa tsy misy ny maharatsy ny fanapotehana ny sambo iray raha toa ka ahazoana vola hividianana sambo telo.
Aza matoritory hoa.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika ^:^
12. rahiratra ( 30/06/2008 10:58)
Mipoitra daholo ny kle-n'AREMA-ndry kidoro. Filoha hajaina e, baikompitolomana e, dia ahoana koa ? hita be hoe tarika mpamingana. :lol:
13. kidoropamba ( 30/06/2008 11:21)
rahiratra:

Mipoitra daholo ny kle-n'AREMA-ndry kidoro. Filoha hajaina e, baikompitolomana e, dia ahoana koa ? hita be hoe tarika mpamingana. :lol:

Tsy fantatrao angaha ilay hoe: "on ne change pas l'équipe quin gagne".
Sa te hamely andry Ranjeva sy clermont ianao izany?

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana^:^
14. bonazy ( 30/06/2008 12:47)
slt daholo indray é! mpamaky sy efa mba nandray anjara matetika teto amin\'ity
sehatra pôlitikan\'ny serasera ity teo aloha ny tenako,fa raha mamaky ny resakareo eto aho dia variana dia variana tokoa ,satria na dia atao hoe\"olona miafina ary mety tsy hifankahalala fa ao ambadimbadika ao daholo ,hoatrin\'ny
mampiomehy ny resakareo ,satria ahitana taratra fa tena tsy matotra ara-politika ny gasy tsy haiko na tanora na antitra na ankizy ianareo ireo ,na lahy na vavy na sarim-bavy na sarin-dahy...na mpanohana na mpanohitra,fa amin\'ny ankapobeny,dia fandrangitana isan-karazany no hita eto ,fa toa tsy mba misy
soson-kevitra na vaha olana hiadian\'ny Gasy amin\'ny vidin-tsolika 140$ izao,sy tena hialana amin\'ny fahantrana,fa toa resabe, indraindray aza ompa!!!,fa izao no izy ry mpiserasera raha tena mpanao politika na te ho politisianina indray andro any na efa ao ianareo ka tena tia an\'ilay Gasikara,dia tsotra ihany ataovy hita soritra aloha mialohan\'ny rehetra fa olona afaka mahay miady hevitra ary malala-tsaina,tsy miteniteny foana,ary mahay manetry tena amin\'ny adi-hevitra,tsy manompa na iza na iza eny fa na dia ny fahavalonao ara-poto-kevitra aza ,ary tsy manangana ho fahavalonao na iza na iza,\"satria ry mpiserasera mpanao politika tsy misy mpanenjika eo aloha fa avy ao aoriana
hatrany\" ary matoa ianao manenjika amin\'ny fomba maro isan-karazany dia saintsaino fa aorian\'ny enjehinao ianao izany amin\'ny lafiny rehatra ,izany tara
départ ianao izany na koa tokony ahatsiaro tena ianao fa tsy mamely,na koa efa teo ianao izany fa tsy mamely dia tokony ahatsiaro tena ,fa tsy ny fanankianina bontolo izao sy izao ry serasera isany no maha favy sy ny maha manam-pahaizana sy fahendrena anareo,na fanaovana teny ankolaka sy fanasoasoana izay mpitondra koa sy fiarovana ny tsy mety ataony sy nataony,
fa amin\'ny maha malagasy antsika dia tokana i Madagasikara eto an-tany ,ary adididin\'izay rehetra mahatsiaro tena ho gasy sy mihevi-tena ho Gasy na inona firehana na inona ,ny fampivoarana an\'io Nosin-tsika io,fa tsy ny fanapotehana azy akory ,dia samia ho tahian\'Andiamanitra daholo ry mpiserasera é!
15. tsimati ( 30/06/2008 16:01)
Dia misotra ramokonazy a :-D :-D :-D
16. kidoropamba ( 30/06/2008 16:25)
ö rabonazy a. Aza mifaneso tompoko.
Raha te ahazo vahaolana à fiakaran'ny vidin'ny solika dia alefaso any amin'ny governemanta ny fanontaniana fa ry zareo no voakarama hanao an'izany. Inona fotsiny ary no hikaramAna an'ireo bandy ireo raha mbola isika eto @ serasera indray no hanome sosokevitra andry lerony? Izay angamba ilay hoe "miasa, miasa mafy"...ekeko kanefa toa manararaotra loatra kosa nareo izany.
Raha te ahazo valiny avy amiko aloha dia tsotra: arosoa ny vola fa tsy misy manao bizna maimampoana izany zao. Raprezy, filoha hajaina no nilaza an'io. Subventioné-na rehefa tsy maharaka fa tsy maintsy ilAna vola daholo.

Raha resaka ady hevitra indray ka tianao ho fantantra iza no tena mahay, dia miseho izany ianao fa mpanohitra satria izay mihitsy no tadiavin'ny herizo be kibo iny hoe: hanao ady hevitra. Izahay TIM rangahy tsy misy ady hevitra izany fa raha tsy MAP dia tsy ilaina a. Ny ady hevitra azo ekena hoy ny praiministra dia ny fanohanana ny MAP. Fa raha tsy izany dia mpanohitra miaraka amindry zefa sy herizo ianao io ka te hitady ady hevitra.

Farany, tadidio tsara fa matoa niantso 12.000 filipianina ny filoha hajaina, @ io ambatovy io, niantso inejniera avy any zamerika, kanadiana amanjatony, ary matoa nogadraiana io malagasy le quartz io, dia satria hampandroso an'i Madagasikara ny tanjona.[/b]
[b]Ka aza manao resaka tanindrAzana tsy mahavoky izany
, na hoe fitiavana ny malagasy izany (ny vola no tokony hotiavina fa tsy ny malagasy be menomeno io) satria ny vola ihany no mahavoky.
siora ary e.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
17. tsimati ( 01/07/2008 01:58)
Aza miseho TIM fa tsy ilain'ny TIM ra-baradaka na i Kidoropamba koa. Efa leon'ny manaratsy sy mitanisa ny 5 v kinanjo mbola tsisy kil ihany ity fika vaovao. vary be
18. kidoropamba ( 01/07/2008 12:37)
Toa noana be ny namako tsimati satria mangataka vary be aty amiko. hin hin hin hin!
alOavy ny kotizasion aloha avy eo mangataka fa aza manao kamo be tenda.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
19. tsimati ( 01/07/2008 15:32)
Iza no hila ny varin'ny mpilelaka lela-antsy ? Tsy hilain'ny TIM satria zatra diska loaka.
20. kidoropamba ( 01/07/2008 15:58)
Lazaiko an'i ministra Ranjeva Marcel sy ry clermont ianao manaratsy azy ireo hoe diska loaka io.

Tafita Isika Malagasy
God bless the rastafarian Ravalomanana ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1246