vehivavy miantsena

1. LazaDaddy ( 24/06/2008 05:27)
tsy zoviana amintsika intsony fa ny ankamaroan'ny vehivavy dia ela be rehefa miantsena. Ny lehilahy kosa indray malakilaky.

Fa ny mahavariana dia ny lahy sy vavy miara-miantsena e! Toa vao maika ela noho ny vehivavy mandeha irery =))
2. sariaka ( 24/06/2008 11:19)
mazava ho azy izany kouh. Ny fiantsenan'ny vavy + ilay zavatra tian'ny lehilahy jerena manokana :) :) :)
3. MimiSimply ( 24/06/2008 17:18)
=)) =)) ka ny vehivavy refa miarak@ lehila de tsy maints kizitina de vômay ela!!
4. niryna ( 24/06/2008 23:38)
MimiSimply:

=)) =)) ka ny vehivavy refa miarak@ lehila de tsy maints kizitina de vômay ela!!


hi,hi,hi.satria dodosany ny tena dia vao maika tsy mahita tsara kou aiza no tsy ho ela.Ny lehilahy mijery pieces na zavatra am-piasana ao an-trano koa tena ela loatra ka .Tsy ny vehivavy inany io fa ny lahy koa.Ny anay dia samy mandeha any rehefa tena samy hitady zavatra dia mifanao fotoana .Indraindray koa anefa dia mba mafinaritra ny miaraka ka rehefa leo ny iray dia miandry ery am-baravarana,ela loatra ny dikan'izay dia samy mahatsiaro hoe andao amin'izay ary hody.

Ny vehivavy na lehilahy sarotiny amin'ny fividianan-javatra no tena mankaleon' ny ahy indrindra raha miantsena.
Nisy ramatoa izay niaraka tamiko ,cotelette iray no nojereny,ny hena rehetra no tapitra navadibadiny,lany teo ny 30 mn.
.Vilany fandrahona vary indray no tadiaviny in-enina izy raha kely no nanontany tamin'ilay mpivarotra.Tena tsy nety nitondra azy niantsena intsony aho satria vaky sy potipotika daholo ny vilia,veran'olona nanaovany azy. Ny tena no menatra fa toa taty amiko daholo ny mason'ny olona (adin'iray raha aingana indrindra izahay no tao amin'ny mpivarotra nifantina zavatra iray fotsiny)
Teo koa no nahatsampako fa misy tsy dia ampiampy ny tao anaty sainy..

Nanomboka tamin'izay aho dia tonga dia tsimponiko izay vidiako fa rehefa loa na simba dia ariko rehefa tonga any an-trano.
:D
5. imeva ( 25/06/2008 03:17)
Ka vitsy ny fotoanaa iarahana miantsena amin-drangahy izany. Dia hita daholo ny zavatra tsy ampy ao an-tokatrano.
6. LazaDaddy ( 25/06/2008 04:30)
imeva> ka tsy aleo mibalady miridana any ambanivolo toy izay manary fotoana ao an-tsena? :)
7. Veloo ( 25/06/2008 16:48)
eo ny vehivavy no mba mi-defoule ry LD a za aloha dia tena mijanona ela be mihitsy e indrindra mitady an'izany oe en promotion zany hihihihihih
8. sandman ( 26/06/2008 13:38)
Ny vehivavy tsinona manome hasiny be ny vola ka mila manohatra vidin'entana tsara alohan'ny hiviadianana.
Ny lehilahy indray manome hasiny be ny fotoana ka hatao malaky izay azo hatao mba hahafahana manao zavatra hafa haingana avy teo.
Rehefa mifanena ny roa dia mifanipaka ny tanjona hany ka mifampitaraiky eny.
Anisan'ny endriky ny fahakelezan'ny sain'ny olombelona ireo zavatra roa ireo. Kely satria tsy mahay mikajy ny zavatra rehetra ary mi-optimiser ny priorités rehetra eo amin'ny fiainana.

Toy ny hoe :
Vehivavy: lafo lavitra noho ny elanelana amin'ny vidin'entana ny Calorie lany amin'ny fitadiavana ny mora nefa tsara.
Lehilahy: ny elanelana kely amin'ny vidin'entana iray dia lasa goavana rehefa miverimberina matetika ka hitarika tsy fahampiambola avy eo.
9. cutie ( 05/07/2008 21:04)
Mpandefa : Veloo [ Valio ] 25-06-2008 18:48:47
Lohateny : Re : vehivavy miantsena
eo ny vehivavy no mba mi-defoule ry LD a za aloha dia tena mijanona ela be mihitsy e indrindra mitady an'izany oe en promotion zany hihihihihih

hita akia ry veloo, ndrindra refa tsy maintsy andramana le kiraro sy akanjo :-D :-D :-D
10. Veloo ( 06/07/2008 02:03)
sali njy nga efa tonga? :-* :-* :-* ndray aloha e
11. cutie ( 10/07/2008 15:53)
veloo
ie :-* :-* :-* :-*
fa efa te hiverina sahady :-D :-D :-D :-D :-D
12. LazaDaddy ( 15/07/2008 02:47)
cutie> ny inona no miverina? Ny saina? Tsy miverina no filaza an'izany retsy fa "mi-tourne" ah! hahaha
13. cutie ( 15/07/2008 18:03)
keep talking :-D
14. haritianah ( 21/07/2008 11:43)
Miankina @ lé vhv kosa alou fa ts ny rehetra no kizitina zan refa miantsena miaraka @ lhl ry mimisimply.
Asa alou ny anareo refa miaraka @ lehl miantsena raha mitovy amiko fa nenay dia refa ijery zvtr na lelh itondra ny vhv io na vhv mitondra ny lhl iantsena dia efa mi-fapi comprendre dia tsis mifandondona zany.A condition oé efa programme na aminy fotsiny.,
Zà zao refa iantsena miaraka aminy dia mi-comprendre ao ,izy ko sahl zan, ka na zvtr iray aza jerena atsy alou de jerena ary zay vao tapahana ny hevitra oé itsy no vidina dia ts miteraka fahasorenana ho azy ko.
Toy zan ko iz refa itety pivarotra itady pièces sns .. dia mi comprendre azy ao ka na itety pièces auto maro aza vao ividy dia ts olana amiko.
zay refa miarak miantsena dia efa mandé automatik zan miditra centre oh dia vao miditra dia izy alou ery @ zvtr mahavariana azy ery(pièces,materiels fiasana,boky resaka asany sns) zà indray dé any @ zé zvtr mahafinaritra ay(akanjo, kiraro,ustincils cuisines sns..) any any zay dé otomatika samy mahatsiaro oé ampy zay na raha misy ilaina dia mi-fampiantso oé avy angehe jereo ity intererssent ve raha vidiana? de eo miaraka mandinika eo dé vita zay de efa manana fahzarana zay makany @ rayon zao alou de aveo atsy indray de aveo atsy indray.
Fa ts zany retra zany dia isaky ny miantsena zay dia efa fantapatatray oé adiny zao no faharetanay ao tsy dila lavitra mitsy io ary tsy misy fahasorenana.
Otran zany koa refa hividy akanjo na poketra na kiraro ho anah, efa fantany ny zvtr tiko ary mila mitady mora koa dé ts kizitina mits izy refa mivezivezy eny zahay.
Dé meme refa ijery ny zvtr ho azy koa.
Fa io asa alou fa mila fi fapi comprendre fa ts tia tena ny iray oé ts mi interresser anah de kizitina ao na zà iandry ary fa ts mi interresser anah zany.
Fa ny azy kosa refa miteny ianao oé ajanony vetvet eto oé fa ijery zvtr vet vet ao dé tena vetvet kosa enao @ zay.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1621