vacances mahajanga tohiny

1. glou ( 19/06/2008 14:33)
ho anareo rehetra tapakevitra ny andeha dia mba manao confirmation kely eto alohan' ny 15 juillet mba hanomanana ny fiara hitondra sy ny fandriana atao reservation any antoerana satria koa misy isa henjehana ka raha vao feno io isa io dia tsy mandray olona intsony ka dia manainga anareo raha tapakevitra dia ataovy dieny zao ny fisoratana anarana @ ireto laharan-tariby ireto
glou :032.04.168.86
voahirana: 033.12.609.98
avylavitra :034.02.220.49
N B : tsy voatery tonga dia mandoa vola fa manomboka voalohan' ny volana aout vao mandoa vola
01 aout au 15 aout ny fandoavam_bola
ka dia manentana antsika ehhh
mankalaza
glou_
2. ravatorano ( 19/06/2008 14:45)
sady efa kely sisa ny toerana koa araraoty fa mlay ange ny miaraka manao vacance izany e sady avy d amin 'ilay oui maitsiny :-D :-D :-D
3. lo ( 20/06/2008 15:34)
ary rovina ny mba misy aty aminay ee
4. sasa ( 21/06/2008 09:13)
glou_ za aloha efa hainao ihany ny fahatongavako fa am otranzay, za zany tsy miaraka am le auto mitondra ny namana rehetra fa izany hoe isana fandrina,
lo_ am 2009 indray
5. nirijimka ( 24/06/2008 10:38)
hummm, de za zany aona le! kiiiiiiiiiiii
6. RATOVOARY ( 28/06/2008 08:17)
De aiza alou no fivantananareo rehefa aty e! Mba ahafahanay mitsidika @ le fotoana malalaka iny
7. jertojo ( 29/06/2008 15:19)
Finaritra daholo !!
Ilay sarany 500 000 fmg ve , voyage plus hébergement plus sakafo
formule "Allincluse "
Dia ahoana ny hébergement ?
mankalaza daholo é
8. glou ( 01/07/2008 13:49)
jertojo> eka hozy , ao daholo ireo fa ny sakafo andalana sy ny besoin toi no tsy tafiditra
mety aminao ve?
glou_
9. Aino ( 01/07/2008 15:45)
ary raha toa ka te hiaona any hoatra 2andro fotsiny dia @fomba azahoana miaona aminareo?? satsia efa manana toherana andehanana ny @trano sy ny transport ka mba te hiaona de aiza ho aiza io toheran amisy anareo any io rehefa miaona?
10. lo ( 02/07/2008 04:52)
za ko mbo te hihaona...rah tafa...d aiza no misy anareo, any amle tam herintaona iany v sa niova
11. naritsimba ( 02/07/2008 04:59)
sasa>>> ao fa isaiko tsara daholo ny fandriana ao,t@ taona lasa nisy 30 angamba ny fandriana tao fa @ ity no asa. hhihihihi
12. notron ( 03/07/2008 13:43)
naritsimba> ataovy seré letsy e! hihihihi!
za kalongany ra vao tonga mitsy ny volanay de mandou za e!
sao de laniko @ xyz eo ndray mantsy hahaha
na izany aza dia efa manangona ihany araka izay tratra.
13. jeso ( 07/07/2008 16:55)
Glou zaho efa eto Boeny no mitoetra ka raha tonga nareo de aiza no toerana mety ahitana nareo? courage eee mba valio

Jeso
14. naritsimba ( 08/07/2008 09:19)
Ho anareo any mahajanga, ny toerana hivantanana sy hipetrahana dia ao @ CDCC betamanga-mazava huile. Efa vita ny famandrihana ny trano fa miandry ny isan-tsika tena vonona andeha izany.
Ireto no azo hifandraisana
glou :032.04.168.86
voahirana: 033.12.609.98
avylavitra :034.02.220.49
Ny fandoavam-bola dia manomboka ny 01 aout ka hatramin'ny 15 aout 2008 amin'ireo olona voalaza etsy ambony ireo.
15. ravatorano ( 08/07/2008 09:38)
za amin io any no hanao mission serasera :-P :-P :-P
16. RATOVOARY ( 08/07/2008 13:40)
Zoky ravato zany misiônera ato @ serasera.
17. glou ( 29/07/2008 15:30)
kely sisa ny toerana fa dia manentana anareo ohhh, reo nanontany rehetra etsy ambany ve manakory aby? tafa sa tsy tafa eh????
glou_
18. avylavitra ( 20/08/2008 00:52)
Miala tsiny kely e! Mba hitondra fanazavana fa toa misy resaka mivilana mantsy momba ity resaka Vacances Mahajanga ity.
Ao anatin'ny commission mikarakara azy ity aho, indrindra fa ny lafiny fitantanana ny vola. Mandeha ny resaka fa hoe ny volan'ny fikambanana no ho laniana any. TSIA dia TSIA no valiny. Ny rehetra no nasaina nandrotsaka ny anjarany ho amin'izany mba hiantohana ny fandaniana. Isaorana aza ireo nanao mihoatra noho ny tokony ho naloany, fa ny hany volan'ny fikambanana hivoaka amin'io dia izay hitondrana fanampiana ho an'i Kamba mianadahy (ilay zaza nodidiana tetsy amin'ny HJRA).
Raha misy moa mila fanazavana misimisy kokoa momba izay dia manorata amiko fa vonona ny hamaly anareo aho.
Noho izany dia aza malahelo hoe ndeha handany ny volan'ny fikambanana ny ankizy ho any Mahajanga, fa ny azy ihany no hanajana azy, ary ny an'ny fikambanana resaka, hafa. Ary tandremo koa ny diso mora entim-po sy mandray an-tendrony ry reto a!
Manahirana koa mantsy rehefa tafiditr'ilay resaka tia mifandrangindrangitra sy mifananihany izay ny resaka atao, ka manjary raisina ho toy ny tena izy, dia mampivilana zavatra avy eo.
MINO AHO FA MAZAVA NY AMIN'INY.
19. avylavitra ( 20/08/2008 13:57)
Saika hadinoko ny mampahatsiahy fa aza adino ny mitondra ny fotsim-bary heverinao fa sahaza anao mandritry ny fivahinianana, ny fitaovana fihinanana,fitaovam-pidiovana, argent de poche. En bref izay fantatrao fa mety ho ilainao e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2126