tretrika: kiiady
1. zinga
(
05/06/2008 18:44)
faly miarahaba e!
Mba mitady ny tonon-kiran'ny tarika kiady mitondra ny lohateny hoe "TRETRIKA" e!
Dia misaotra mialoha anareo !
Mba mitady ny tonon-kiran'ny tarika kiady mitondra ny lohateny hoe "TRETRIKA" e!
Dia misaotra mialoha anareo !
novalian'i picanex ny 18/06/2008 04:36
4. picanex
(
18/06/2008 04:36)
zinga:
faly miarahaba e!
Mba mitady ny tonon-kiran'ny tarika kiady mitondra ny lohateny hoe "TRETRIKA" e!
Dia misaotra mialoha anareo !
salut
tsy fantatro ra efa nahao le tonon-kira enao fa ity misy raha mahasoa
Tretrika aho raha nitondra sombom-pifaliana ho anao
t@ ora iray, t@ andro iray
Teo anilanao
Faly aho mbola hizara fitiavana vaovao
Na volana iray, na taona iray
Iriako loatra ny fiainana iray hiarahako aminao
Safidy ihany ilay faniriako
Ny hampiadana anao
Ny hahasambatra anao
'Lay iray nofidiako
Satria tiako
Fiv :
Ianao ilay faniriako
Nofidiako satria tiako
Anamarika idray
Fa ho anao ny fisiako
Isaorako ilay nahary
Izao rehetra rehetra izao
Nanomezany ahy fitiavana toy ny anao
Mahay mizara, Mahay mandray (in 3)
Fa ny fiainana eto an-tany
Indraindray mba misy ranomaso ihany
Fa na fahoriana na tsy fisiana
Hifanaja hatrany
Tsy hisy handrava izay
Efa natsangatsika roa (izany)
Hanao izay rehetra rehetra azoko atao aho
Hampiadana anao
Sy hahasambatra anao
Ilay iray nofidiko satria tiako
- x - x - x - x - x - x -
izay ry zinga fa anjaranao ny manaraka azy amin'ny radio
ok mazotoa e
