Vulgaire

1. nefertiti3 ( 28/05/2008 07:34)
"Ai-je dissimulé mes fautes comme les gens vulgaires, renfermé mes méfaits dans le secret de ma conscience ?" Job 31.33
Misy olona mihevitra fa vulgaire ianao raha tsy mahay miankanjo, na tsy mahay miteny na tsy mahay miresaka toy ny olona tena filamatra; misy tena sahiran-tsaina mandinika hoe ahoana no tsy aha vulgaire ahy dia resaka loko sy fiteny no maha vaky loha azy fa ny atao hoe vulgaire eo anatrehan'Atra dia izao : manafina ny fahotany, miaina toy ny olona tsy manam-pahadisoana ary mirehareha ! manatona ny latabatry ny Tompo nefa tsy nangataka famelan-keloka !
novalian'i fijo ny 03/06/2008 20:42
2. Jeankely ( 28/05/2008 08:53)
Miaina eto ambonin'ny tany dia mazava ho azy fa manaraka izay azo arahina amin'ny lalanan'ny tany. Na mendrika sy mivavaka aza ianao rehefa misy fepetra hoe izao no akanjo hanaovana na ao ampiangonana aza dia arahina iny satria efa hifanarahana ary tena diso amin'ny mpikambana raha manao didoha mitafy hafa. Ny resaka amin'Andriamanitra indray tsy mivaky loha amin'izay fitafy, na firavaka, na volabenao Andriamanitra ary tsy hilainy izany. Mbola eto antany ka sarotra ho an'ny rehetra no hanaraka izany fahatsorana sns izany.
3. prime ( 28/05/2008 09:59)
nefer> Tena zava-dalina tokoa io ampitainao io... izaho koa dia talanjona nandray io fampianarana io t@ top chrétien...

Misaotra... mamy ny Tenin'Andriamanitra ary mitondra fiainana isanandro ka manorina ny tena izy amin'ny alalan'ny tenim-pahendrena toa io voambara io mampianatra indrindra ny "vulgarité" ao amin'Andriamanitra...
4. nefertiti3 ( 29/05/2008 07:14)
fomba fahita tsy noeritreretiko izy io, mahafinaritra ny maheno fa betsaka ny manaraka ny Top chretien. Olona teny amin'ny forum no nahafantarako an'io site io ary isan'andro aho tsy maintsy mandray Vaovao Mahafaly Avy ao. Manampy be e !
5. ikaretsaka ( 30/05/2008 03:03)
manatona ny latabatry ny Tompo nefa tsy nangataka famelan-keloka !

mikonfeseva izany koa
6. fijo ( 03/06/2008 20:42)
:lol: :lol: :lol: :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3848