Sao mba misy mahafantatra ianareo
1. ni81
(
03/05/2008 07:09)
Taloha ny vehivavy malagasy tao Imerina sy ny manodidina dia toa mitafy lamba sy manao tanavoho daholo. Ankehitriny moa dia tena azo isaina @ ratsan-tanana sisa no manao an'io fitafy io. Mba misy mahalala ve hoe iza no namorona io fomba fitafy io?
novalian'i Jeankely ny 05/05/2008 07:56
2. Jeankely
(
03/05/2008 11:24)
Fanontaniana enjana izany. Ny azoko resahina dia tsy nipetraka soratra ny tena tantaran'ny zavatra rehetra. Maro no nandeha tamin'ny LOVAN-TSOFINA hoy ry zareo. Na ny "Academie Malagasy" aza dia maro ny fitenenana sy fomba tsy hainy ny manazava azy. Aza adino fa na nisy nentimpaharazana aza ny lamba landy notafiana dia tsy ny Malagasy mihintsy no nahita sy namorona ny fanemonana. Porofon'izany dia manafatra zavatra na akora mikasika izany amin'izao ny Malagasy. Ny fomba fiasa no fiasa Malagasy. Ny fitafy rehetra dia eritreritra daholo no niandohany ka samy nanana ny eritreriny ny olona @'ny firenena na toerana samihafa. Tsy dia hita firy intsony ny mitanavoa satria mahery ny lamody vaovao ary very izy sady tsy mandraraha azy ny tanora. Tsy manaiky mihintsy aho aloha fa fitafy Malagasy ohatra ny manao "Complet" asiana landy @ soroka io. Hatrany "Timor Leste" mampiasa io lamba landy io.
3. ni81
(
03/05/2008 11:30)
Tsy manaiky mihintsy aho aloha fa fitafy Malagasy ohatra ny manao "Complet" asiana landy @ soroka io. Hatrany "Timor Leste" mampiasa io lamba landy io.Tsy milaza aho hoe: fitafy malagasy ny lamban'ny vehivavy (satria tsy ny tao Imerina ihany no antsoina hoe malagasy) , fa kosa saika ny vehivavy tao Imerina rehetra dia betsaka no nitafy lamba taloha, ary mbola misy aza @ zao fotoana izao no mbola manao toy izany.
4. Jeankely
(
03/05/2008 11:36)
"Recherches" vaovao ary ilaina ho fantatra izany ry havana ka lazao ny tanora mpikaroka hizaha azy. Ny fanontanianao eny ampiandohana moa hoe iza no namorona anio aloha asa na hisy ahita izany ka mba miandry koa aho.
5. simplex
(
03/05/2008 18:35)
ni:ontso ny ankamaroan'ny vevavy gasy antitra (ie efa monopause) dia mitafy lamba doly eo imerina, rehefa misy fety na hoe mivoaka ny mahazatra eee. Toy izany koa ny manao tanaivoho, miankina @ karazam-bolo ihany koa izany satria misy ny volon'ny sasany tsy mety mitana mintsy fa mivotsotra foana d aleo atao fatotra hafa...
Ankehitriny moa dia tena azo isaina @ ratsan-tanana sisa no manao an'io fitafy io.
ni:io ve tsy otran'ny karazana style lamody ihany ee. Nisy ol 1 inspire, d nakafy ny ambiny, d nanaraka doly... farany tsy tadidy tsony hoe iza no namorona an'le izy satria samy mistyle doly :)
Mba misy mahalala ve hoe iza no namorona io fomba fitafy io?
Za aloha mahita hoe tsara le izy e. Rehefa misy occasion mba hampisehoana azy fa tsy d hoe atao isan'andro akory. Manjary lany manja ndray :lol::°)8);-)
7. Veloo
(
04/05/2008 01:52)
zay mihitsy ry tlay a, nefa mampalahelo fa adino ny zavatra tsara nataon'ny gasy taloha
8. tlay
(
04/05/2008 08:22)
@lafiny ray kosa alo lay fivoarana fivoarana fona, fa lay fomba netin-drazana hatraminizay, tokony tsy hoadino.
9. Jeankely
(
04/05/2008 08:55)
Izaho aloha amin'ny toerana misy ahy tena anisany fanina rehefa mba tonga ny hoe samy manao ny fitafy netim-paharazany satria tsy hitako marina ny tena netim-paharazana Malagasy. Ny any @'ny Faritany dia saika fika avy ao Afrika no ampiasainy ary ny Antananarivo koa vao mainka tsisy fototra. Raha ny "style" nalaina tamin'ny fika nampiasan'ny ntaolo aloha manjabe fa ny filazana azy hoe nentindrazana no asiako resaka. Jereo ny taona fa taraikibe t@'ny andron'Andrianampoinimerina dia zahavo fa mbola nisy nisalaka nefa efa 1800 ary zahavo ny hafa hoe efa t@'ny oviana no nisy lamba sy ny fivoarana rehetra ?
10. kayrah
(
04/05/2008 09:33)
sali nareo a,mazava be zany ry ni81 fa zany izy wé taloha ,@zao efa vaninandro vaovao ,ra tsaramaso foana ny nataonareo loka t@iny volana avril iny de ts mba leo mitsy ve nareo ,mba ovaina tsara fa tsy soloina ratsy ,mba miova ndray @ty volana mey ty :D
11. ravakamalala
(
04/05/2008 10:36)
Izaho aloha amin'ny toerana misy ahy tena anisany fanina rehefa mba tonga ny hoe samy manao ny fitafy netim-paharazany satria tsy hitako marina ny tena netim-paharazana Malagasy.
amiko dia tsy dia mahagaga loatra izany satria anie isika malagasy dia nandova betsaka tamin ireo firenena maro tonga tany madagasikara tamin ny fiandohany e : ohatra arabo, indiana, malaiziana, afrikana, ... ka betsaka ny fombantsika izay tsy inona fa fomban ireo
12. Jeankely
(
04/05/2008 11:54)
Anontanio "Gzy sy Ma" na "MasnGy" tsy tadidiko fa ny Gasy hono no olombelona voalohany ary ny Gasy no lasa niparitaka eran'izao tontolo izao fa tsy ny hafa akory no tonga tao. Ary mampalahelo hoy aho raha ny toerana nisy ny olombelona voalohany no tsy lasa alavitra voalohany.
13. ni81
(
04/05/2008 15:41)
hoy simplex
ontso ny ankamaroan'ny vevavy gasy antitra (ie efa monopause) dia mitafy lamba doly eo imerina, rehefa misy fety na hoe mivoaka ny mahazatra eee. Toy izany koa ny manao tanaivoho, miankina @ karazam-bolo ihany koa izany satria misy ny volon'ny sasany tsy mety mitana mintsy fa mivotsotra foana d aleo atao fatotra hafa...Tsy marina ilay hoe efa ménopause lazainao io, satria mbola misy ireo vehivavy tanora kely manao tanaivoho sy mitafy lamba (mpivavaka fifohazana) :-D :-D
14. ikaretsaka
(
04/05/2008 16:04)
atakaraky ny toe batana sy ny volo sy ny fanahy io izany raha izay conclusions anareo izay no aravona e
15. Jeankely
(
05/05/2008 07:56)
Ny namorona azy izany sarotra hita ka miandry anao "ni81" handalina azy ary hitondra ny vokatry ny fikarohanao izahay ooo. :-D :-D :-D