Feno ny kapoaka, asehoy ny fitiavan-tanindrazana
1. VVS2008
(
04/04/2008 08:41)
(l) (l) (l) :?: :?: :idea: :idea: Entanin'ny fo amin'ny fitiavana an'ity tany ity ka manoratra, tsy hatetipiavy anefa fa ity ihany dia ampy , afon'apombon'ny VVS no manosika, mila mpitantana tena matotra ny tanintsika; tsy hilaza miara-mahita aho amin'ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny izay toa feno andrakandrana ny zavatra atao rehetra, feno fitiavan-tena etsy sy eroa. Manjaka tanteraka ny halako bika tsy tiako tarehy ka tsy aritra fa mba manana ny anjara fitenenana amin'ny mpiray tanindrazana.
Tsy misy hasiny intsony ny mpitondra ambony isantsokajiny satria matetika alaina baraka eny imasom-bahoaka.
Tsy azo antoka intsony ny fitondrana, mibosesika ny firenen-kafa manokatra fiaraha-miasa eto amintsika satria fantany tsara fa tsy haharaka ny hataony eto ny mpitondra no sady mpiray petsapetsa aminy rahateo.
Ka hoy aho aminareo izay mbola matanjaka hoe:
Mihetseha ianareo, raiso ny familiana, raiso ny fitondrana fa tsy azo ianteherana ny fihetsiky n,y mpitondra ankehitriny.
Ny olona hasolo ve no tsy misy?? TSIA tompoko, misy dia misy ny olona afaka hitondra ity firenena ity ankoatran'io mitondra azy ankehitriny io. Olona tena matahotra an'Andriamanitra no sady tsy dia baikoin'ny fitiavantena loatra no tsara karohina.
Manao ny ataony i Profesera ZAFY fa tsy afaka ny handresy lahatra ny mpiray tanindrazana intsony, sady feno mpanohitra antendro-molotra ny manodidina ny hetsika ataony, tsy ho lasa lavitra izy akory.
Ny miaramila eo betsaka no miravaka kintana, ny mpanao politika ihany koa misy afaka manao azy tsara.
Ajanony ny fitiavan-tena (tsy fahasahiana noho ny tahotra amin'ny mety hisy hamono: izany ve ny fitiavanareo ny taninareo: fitiavantena izany) fa ny hasin'ity tany ity no ataovy apinga handavoana izay tsy mijery afa tsy ny tombotsoan'ny tenany. Tsy ho toy izao isika raha tsy nanao sorona ny ainy ny zoky ray aman-dreny tany aloha tany ho an'ity tany ity.
Azo ny fahaleovantena, nefa indrisy fa aleo ihany tamin'ny fotoanan'ny fanjanahana mba nisy hirika niainana kely fa ankehitriny, tampina ny lalankaleha fa bahanan'ny orin'asam-panjakana ny lalana rehetra.
Isika no nametraka azy teo ary tsy maintsy isika no manala azy eo. Tsy ilaina ny herisetra fa ataovy ampahamaotinana ny atao rehetra.
Tsy tantin'y olona nandatsa-dra tamin'ity tanindrazana ity ny zava-misy ankehitriny ka mihetseha haingana.
Farany ho anareo izay nahatody ny lakana tamin'ny 2001, efa maro ireo namanareo nandray ny kihony ka sao tara fitery ronono ka hilaozan'ny omby mihahaka, fa tsy ho sarotra amin'io olona notohananareo io ny hanilika anareo fa efa azony ny zavatra nilainy taminareo. Raisonareo ny fitondrana indrindra fa ianareo ailikilika amin'izao fotoana izao, mamim-bahoaka ianareo fa sahia mijoro.
Atombohy ny tolona
VVS

novalian'i Jeankely ny 07/04/2008 10:13
2. Jeankely
(
04/04/2008 08:52)
Mampalahelo be an ??? Misy ve sa mbola karohina ???? Tsy ilaina karohina izany raha misy fa misandratra ho azy amtoa tsy maha-koty ny Kil dia satria efa hita na ny lazain'ny vavany na ny tondroin'ny molony na ny jeren'ny masony.
FA NANINONA NO NOSAKAFANA HIBANAKABE HO FENONY NY KAPOAKANAO :-D :-D :-D :-D :-D :-P :-P :-P

4. simplex
(
04/04/2008 10:56)
otran'ny tsy fantatra ilay mety atao solony...
ampafantaro dieny zao.
@ 2012 izy soloina ra ol tia tanindrazana, ka manana capacite hahavita zavatra tokoa :)
5. Jeankely
(
04/04/2008 12:25)
Dieny izao dia manaova ny mety ary miomana ny @ 2012. Tsy pahana ny vahoaka fa mety hitany ny zava-bitanao amin'izay fotoana izay.Ny fandaniana andro sy fandravana zavatra tsy mety satria mbola very be ary mila ezaka. Hitokona dia inona no hanina? :-D :-D :-D :-D. Mba misaina tsara fa aza manaiky fenofenoin'ny sasany ny kapoaka mangidy :-D :-D :-D . Ampianaro misafidy ny ho aviny ny olona fa aza avela manarak'efa fa sao manenina tsentsina kapoaka. :-D :-D :-D :-D
6. zazah36
(
04/04/2008 12:55)
bjr nareo, raha ny hevitro aloha dia zao ; amiko aloha zà mahita fa betsaka ny zavatra tsy mety eto fa kosa raha mihoatra ireo mpitondra taloha hatramin'izay dia mandainga sarotra fa aleoko lavitra ireo mpitondra amin'zao fotoana raha zavatra vita sy fahavononana hiasa no jerena fa tsy ny fiainan'ny olona akory: ka raha ohatra ka misy afaka mameno izay dia tsara mahavita, fa raha mbola ohatran'ireo taloha aloa dia an an an aoka ihany aloha
7. abcdefg
(
04/04/2008 13:53)
avoay hita ny anaty kapoaka ry WS re!ny fankahalana tsy mitondra lavitra re!
8. Veloo
(
04/04/2008 15:07)
zazah36 [ Valio ] 04-04-2008 14:55:57
Lohateny : Re : Feno ny kapoaka, asehoy ny fitiavan-tanindrazana
bjr nareo, raha ny hevitro aloha dia zao ; amiko aloha zà mahita fa betsaka ny zavatra tsy mety eto fa kosa raha mihoatra ireo mpitondra taloha hatramin'izay dia mandainga sarotra fa aleoko lavitra ireo mpitondra amin'zao fotoana raha zavatra vita sy fahavononana hiasa no jerena fa tsy ny fiainan'ny olona akory: ka raha ohatra ka misy afaka mameno izay dia tsara mahavita, fa raha mbola ohatran'ireo taloha aloa dia an an an aoka ihany aloha
tsy lavina mihitsy
9. Jeankely
(
04/04/2008 15:27)
An sofiny kely an an an zazah36. An ny orony kely an an an abcdefg. An ny kapoaka mangidiny veloma veloma Velooooo.
Soloy kapoaka lehibebe raha feno ilay fitoerandronono mandry. Sady manana ronono an :-D :-D :-D :-P :-P :-P

13. Jeankely
(
07/04/2008 10:13)
Ianao koa angaha tia handrora paraky ny kapoakan'ny sasany ratsy sarona. Haraharao fahatany ihany fa mbola hisy rehoka koa.