soratonon'2008 (fifaninanana sora-tononina)
1. koolo
(
02/04/2008 20:54)
Faly miarahaba antsika mpianatra sy mpandala ny teny malagasy,
Afaka hateloana dia higadona indray ny sora-tononina koa ireto misy toromarika vitsivitsy ho fiomanan'ny rehetra.
Ny fotoana dia ny Asabotsy faha-5 aprily amin'ny 3 ora tsy diso ao amin'ny:
Espace Madeleine Delbrel
18, rue de la Tombe-Issoire
Paris 14ème
METRO SAINT-JACQUES (fa tsy Glacière).
Ny Lamba landy Malagasy no lohahevitra koa samia miomana amin'ny fototeny "tenona", "foly" ary "landy".
Sokajy roa no ifaninanana:
- Sokajy A : ireo mahay manoratra sy miteny malagasy
- Sokajy B : ireo tanorantsika nobeazina taty andafy sy ireo vao mianatra ny teny malagasy (Cours du soir INALCO).
Fandaharana ankapobeny:
- 3 ora : fandraisana ny manampahefana, ny mpifaninana sy ireo te hanatrika.
- 3 ora sy fahefany : Sora-tononina Sokajy B (zazavao)
- 4 ora latsaka fahefany : Sora-tononina Sokajy A (mahay)
- 4 ora sy fahefany : Fitsaràna ny sora-tononina hombam-pampianarana tsotra
- 5 ora latsaka fahefany : Fisintonan'ny Komity Mpitsara - Fialamboly
- 5 ora : Fizaran-doka
Izany lanonana izany dia eo ambany fiahian-dRamatoa Irène Rabenoro, Masoivohon'i Madagasikara eo anivon'ny UNESCO.

novalian'i rush ny 05/04/2008 15:44
2. lehilahytsyresy
(
03/04/2008 07:04)
Mendri-piderana ny ezaka ataonareo.
Ankoatr'izany dia mba misy hevitra koa ity, avy aty amiko LhlTsr:
Azontsika atao koa ny manao sora-tononina en ligne raha toa ka vitanareo raiketina anaty horonam-peo fichier MP3 ilay feon'ilay olona mamaky teny.
Sa ahoana hoy ianareo ?
:)
Amin' izay mba ho afaka mandray anjara daholo ireo zanaka aman-jafy Malagasy eran-tany.

3. rush
(
05/04/2008 15:44)
tena hevitra tsara ty zany,mahereza daolo zay handray anjara,ny antitra koa ve mahazo mandray anjara?