mitady parolen'i hira

1. piopio ( 22/03/2008 16:47)
mitady toninkiran'i njakatianazaho azafady:"leferiko "sy "tsy voatery".misaotra aloha
novalian'i ni81 ny 24/03/2008 09:47
2. ni81 ( 24/03/2008 09:47)
LEFERIKO
Ianao ilay tsy tia ahy
Ianao 'lay nankahala ahy
Ianao 'lay nanambany ahy
Tsy mampaninona

'Zaho ilay nitory ilay fitia
'Zaho anefa mba tena tia
Notsenaiko vatravatra
Tsy mampaninona ahy akia

REFRAIN:
'Ndrisy fo vato no hany niatrika ilay nofiko
Na izany anefa ampanginiko ny fo

'Reo nasehonao, fanahy iniana natao
Tsy hamaly anao aho
Na tsy tafara-dia
Dia leferiko ny ahy na dia tia

Ianao ilany naneso ahy
Ianao ilay namelaka ahy
Avy eo ianao nangarika ahy
Ho ahy tsy mampanahy

Izaho ilay voarora teo
'Zaho ilay tsy nahala-peo
Iny ianao dify tsy hita
Toa maizina izay miseho.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111