Tso-drano na Tsodrano.....

1. Fiffi ( 04/03/2008 11:12)

Iza no mba afaka manomé fanazavana an'io hoe "tso-drano , na tsodrano"......

-heu...misy hidiran'ny rano ve am io ?

-lazaina hoe "tsara tsodrano" mino zah fa tsy misy zany hoe "ratsy tsodrano" zany ...

-mangata-tsodrano am RAD....ny RAD manomé tsodrano ohatra hoe andeha lavitra ny olona 1...na hoe manomé tso-drano ny RAD fa hanambady ny zanany.....

-de manomé tsodrano ny RAD.....ka misy hidiran'ny rano ve io ? ohatra rano nanaovana batisa satria tsy azoko le hoe "rano"

-azo lazsaina ve hoe:

firariantsoa=tsodrano de inn no idiran'rano am-io ?

misaotra.....
novalian'i rush ny 17/03/2008 10:11
2. ravakamalala ( 04/03/2008 11:44)
ny hany mba haiko dia hoe ny tsodrano hono zava-mahery.
3. Papoose ( 04/03/2008 12:00)
tongasoa ndray madame fiffi
4. Kwasi ( 04/03/2008 13:01)
Tso(ka) rano --> Tso-drano
Tany am-piandohana ny Ray amandreny manome firarian-tsoa ny taranany dia tena maka io rano io ao am-bavany dia tsofiny avy eo.
Fa taty aorina dia niova tsikelikely.
Ny efa hitako dia ny manao rano @ vilia dia mamafy an'iny @ tanana sady manao ilay teny firarian-tsoa.
5. ni81 ( 04/03/2008 13:03)
Ny fanoratra tsy tena haiko izay marina na tsodrano na tso-drano (ny tena tsy prof de malagasy). Fa kosa nahita mihitsy teo @ fianakaviana fitsofan-drano. Nataon'ilay dadabe tao am-bava ny rano dia tsofiny @ ilay olona. Hanambady io fianakaviana io t@ zay fotoana izay. Tadidiko mihitsy fa nihinam-paraky i dadabe dia nasainy nontsanany tsara aloha ny vavany.:lol:
6. Fiffi ( 04/03/2008 13:55)
Papoose: misaotra akia an ! :):-*
de misaotra anareo namaly...
"Kwasi":
Tany am-piandohana ny Ray amandreny manome firarian-tsoa ny taranany dia tena maka io rano io ao am-bavany dia tsofiny avy eo.
de io rano io ve tsofina eo am le olona ?
7. lapino ( 04/03/2008 13:56)
Ny fanoratra tsy tena haiko izay marina na tsodrano na tso-drano
Raha milaza zavatra na hevitra iray tokana izy dia atao teny tokana. Ohatra hoe : tombontsoa, raiamandreny, ... (misy tsy azoko tanteraka anefa io fitsipika io)

Raha izay izany dia tsodrano no izy raha ilay firarian-tsoa. Efa io nazavain'i Kwasi io ny niaviany.
8. Veloo ( 04/03/2008 18:46)
hain'i lapino ny valony ka =D
9. penina ( 04/03/2008 19:08)
Raha izaho no manana zafiafy dia oazako ny tsodrano fa ohatra ny tsara ilay izy. Izaho mantsy, hoy mamanay, nataon'ny dadan'ny dadabeanay tamin'izaho mbola zaza bodo. Dia atao any am-bava ny rano, dia tsofina, dia avy eo irariana soa sy angatahana fitahiana avy amin'ny razana sy avy amin'Andriamanitra.
10. Kwasi ( 04/03/2008 19:30)
Raha le gramera aloha tsy dia haiko tsara koa fa aleo angaha anontaniana indray rainibozy ao @ kidaona maraina e.:lol:

Fiffi>ie

Fa ilay resaka paraky tokoa angamba ry zareo no nampiova tsikelikely an'ilay izy e?
11. sipagasy ( 04/03/2008 20:43)
penina:

Raha izaho no manana zafiafy dia oazako ny tsodrano fa ohatra ny tsara ilay izy. Izaho mantsy, hoy mamanay, nataon'ny dadan'ny dadabeanay tamin'izaho mbola zaza bodo. Dia atao any am-bava ny rano, dia tsofina, dia avy eo irariana soa sy angatahana fitahiana avy amin'ny razana sy avy amin'Andriamanitra.



izay tokoa no niavian'ny tso-drano.
12. ikaretsaka ( 05/03/2008 03:10)
sao hivadika fivavahaan sy finoana koa ity raha ity
13. tsiafoi1 ( 05/03/2008 10:33)
Rano no mariky ny fisiana & fiandohana indrindra2. Rano koa de fanadiovana & fandravana. Ireo no heviny ara-tandindona.

Koa raha mi-tsodrano olona iray de na : firariantsoa no atao na fanozonana, de izay no tandindona asehon'ilay rano
-Fahariana na fahatanterahana
-Fandravana na fanozonana
14. Veloo ( 06/03/2008 01:05)
ikaretsaka [ Valio ] 05-03-2008 04:10:52
Lohateny : Re : Tso-drano na Tsodrano.....
sao hivadika fivavahaan sy finoana koa ity raha ity


ka inn moa ny olana
15. comptezo ( 06/03/2008 17:39)
Fiffi:


-lazaina hoe "tsara tsodrano" mino zah fa tsy misy zany hoe "ratsy tsodrano" zany ...




Raha misy ny tsara de misy koa zany ny ratsy.
ratsy tsodrano angamba mety oe:vôouzona ah!
16. Veloo ( 06/03/2008 18:40)
17. ANARIM ( 10/03/2008 07:10)
ny tso-drano angamba mety hoe ho amin'ny zavatra tsara hatrany no tanjona (tsy miaro fanozonana) fa ny ahy aloha dia raisiko hoe kontreran'ny tso-drano = ozona!!!
18. rush ( 11/03/2008 17:38)
omeo tsodrano foana ny taranaka fa ilainy io,fanomezan-tsoa no tena marina no dikany fa ny fanozonana efa teny ratsy,
19. xxx ( 13/03/2008 18:45)
rajoelina:-D:-D:-D:-D:-D
20. sipagasy ( 14/03/2008 18:57)
eh! fa izay manenjika anie ao afara hatrany e!!! sa ianareo efa nahita mpanenjika teo aloha injay e!!!! mmhhhhh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2897