Maninona raha mampiantrano ny CAN isika!!!!

1. ronaldo09 ( 15/02/2008 21:22)
Za mba manana hevitra aroso ho an'ny Ministeran'ny fanatanjahantena na ny federasiona malagasy momba ny baolina kitra :isika maniry mafy ery ny handray anajara amin'ny CAN nefa mandrak'ity ny androany mbjla tsy lasa foana ,maninona moa raha mandrotsaka ny filatsahana handray ny CAN isika amizay tonga dia tsy mandray anjara amin'ny fifanitsanana fa tonga dia miatrika avy hatrany ,ny kianja eto amintsika misy dia misy tokoa ,ankoatra an'i Mahamasina de eo i Alarobia,Kianja Rabemananjara any Mahajanga ,Kianja maitre Kira any Toliara ary afaka mtady fond hanamboarana kianja ao Tana ihany koa ny Federasiona ary azo atao izany !Kianja 3 de fa afaka mampiantrano isika ;koa inona ary no misakana antsika ry zareo mba omeo ny hevitra!!!!
novalian'i eisy ny 07/03/2008 12:02
2. ikaretsaka ( 15/02/2008 21:38)
koa inona ary no misakana antsika ry zareo mba omeo ny hevitra!!!!


miala tsiny aloha fa tsy mpanao kitra ny tenako ka raisiko @ fijery sport amin'ny ankapobeny ilay resaka

Tsy ny kianja sy ny atao eo aminy ihany ange ry ronaldo no hoe spaoro e.. ny anay aza hazakazaka biskleta sy kanetibe fa tsy midika velively hoe iny biskleta iny akory hoe manana biskleta aho dia misy lalana dia alefaso ny biskleta hiatrika fifaninanana... fa preparatifs be goavana ilay izy. manonboka hatrany @ rano ka hatrany @ tany honenana sy ny fitsaboana sy ny sisa

toy izany koa ny kanetibe iny zava-boribory iny ihany akory. fa ao koa izao preparatifs rehetra izao
fa tsy hoe manana tany malalaka sy kanetibe dia handeha hampiatrano lalao kanetibe

ny vola sy ny finiavana no manakana atsika , manana terrains isika, manana baolina... fa tsy eo ambony kianja irery akory ny sport... fa ny 70% any ambadiky ny kianja!

i Ravola koa moa manome lagy fa vao mihetsika dia tadiavina !
3. jemimah ( 16/02/2008 09:50)
ny coji aza mbola tsy nahaloa ny trosany t@ lalao ny nosy teo koa .Ny tohatra tsy voahanika ka ny rindrina ve no hianiana
4. rabingogilabanga ( 16/02/2008 10:15)
CAN ahoana aza!

de lazao koa hoe : asivo festival de cannes

Ny anao ny olona tsy mihinan-kanina, ka Can a! can a!
5. ronaldo09 ( 19/02/2008 07:12)
E! Moramora zokibe fa aza mandeha lavitra fa tsy eto akory no hilazana an'izany raha olona no tsy mihinan-kanina ,ianao irery no tsy mihinan-kanina ko eo ny rehetra no tadiavinao hiaraka aminao
6. Razouzou ( 20/02/2008 10:09)
o ra ronaldo09!!! hampiatrano can ve???
tsy ho vita zany. Tsika ara tsy lasa lavitra am le foot de atao inona ny ampiantrano am zany.Coupe du monde am boule zao no azo atao ra ohatra anao :lol:.
Aleo mi investit am ny hafa ra tsy tafa am foot.
:idea::idea:Ty mba misy hevitra: ALEO ADABOKA NY FOOTY:-D:-D:-D
7. eisy ( 07/03/2008 12:02)
ka maninona raha KAN akana no ampiatranoana ry ronaldo de asaina roasin'ny BAREA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4567