robera Lianah

1. huc ( 12/02/2008 13:47)
Mba mangataka ny tononkiran'i Lyanah azafady indrindra raha azo atao tompoko.
Dia manantena ny valiny mahafapoa avy aminao ny tenako
novalian'i xxx ny 13/02/2008 14:43
2. rabingogilabanga ( 12/02/2008 19:44)
huc, tompoko, tompoko,angaha... mavesatra mare koahy !

detends toi leitsy, aôka ty tompoko ,tompoko ity, mpinamana mifanao leitsy, sy aky daholo isika e! sa?
3. xxx ( 13/02/2008 14:43)
huc! efa hitanao ve alo ny tao @ radiovazogasy e : http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&mpihiraid=1117

TIAVO MAMA SY PAPA

Sambatra anao ô ! sambatra anao tsaiky
Sambatra anao mbola velon-dray aman-dreny
Sambatra anao ô ! sambatra anao dodo
Sambatra anao mbola velon-dray aman-dreny

Anao aza mety hankadalain'olo
tsy misy mahavita ny vitan'ni Mama
Anao aza mety ambaran-dreo vandy
Tsy misy mahasolo plasin'i Papa

Tiavo mamanao, kitapo faran'ny tsara
Tiavo papanao, masoandro tsy hay hatakalo
Tiavo mamanao, kitapo faran'ny tsara
Tiavo papanao, masoandro tsy hay hatakalo

Aza mety ambara vandy (3)

Tiavo mamanao, kitapo faran'ny tsara
Tiavo papanao, masoandro tsy hay hatakalo
Tiavo mamanao, kitapo faran'ny tsara
Tiavo papanao, masoandro tsy hay hatakalo

Tiavo… tiavo

LIANAH
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

ZANAKO TIAKO


Zaza ! bisous bisous !

Ah zanako ô !
Aia babanao izay ?
Antsika roa zanako ô an-trano ato
Raha ts'isy anao zanako ô ! fa vita ny anay

Tsara ny manan-janaka e !
Mampitambatra tokantrano !
Tsy tsara ny manan-droa cheri
Manimba tokantrano o

Finaritsy avao ny foko zanako !
Mahita anao ô ô !
Falifaly avao ny foko zanako
Manana anao

Tsara ny manan-janaka e
o o zanako ô
Soa ny manan-janaka e !
Tsara ny manan-janaka e
Tiako anao zanako ô !
Soa ny manan-janaka e !

Zaza ! bisous bisous ! (2)

Soa ny taizan-drenibe
Fa avelao ny zaza
Hanantona ny reniny
Fa izay no mety aminy

Finaritsy avao ny foko zanako !
Mahita anao ô ô !
Falifaly avao ny foko zanako
Manana anao

Tsara ny manan-janaka e
o o zanako ô
Soa ny manan-janaka e !
Tsara ny manan-janaka e
Tiako anao zanako ô !
Soa ny manan-janaka e !

Tsara ny manan-janaka e
Soa ny manan-janaka e !

LIANAH

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

TANO TSARA


Aza hadino ô ! fa 'zaho anie tsy nagnino ô !
Anao koa mila zaho, vadinao manjary tsy tiana
'Zaho tsy adala, f'aza ndre mihagnahagna !
Le sipa tsara, de bandy indray no tara

Belle gosse-nakahy,
Zegny tsy miala am-bava a !
Madama miasa a !
izy magnano hoe : iny koa zaho fa lasa

Tano tsara, tso lasako akamanao
Mihagnahagna anao, manjary hataoko ô !
Tano tsara, tsô lasako akamanao zandry e !
K'aza mihagnahagna anao !

Eh ! eh ! tano tsara e ! e !

Tano tsara, tso lasako akamanao
Mihagnahagna anao, manjary hataoko ô !
Tano tsara, tsô lasako akamanao zandry e !
K'aza mihagnahagna anao !

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

HODY AMINAY


Hody lahy e ! mah ! Te hody zaho ô ! (2)

Manigny areo an-tanagna baly kely
Te hody zaho ô !
Manigny areo an-tanana !
Te hody zaho ô !

Ahatsiarovako an-dry ery Baba
agnalam-pary mitsabo betsa manigny e ! (2)

Lavitry anao zaho Niny e !
Tsaroako ankilanao, mijaly zaho ô ! (2)

Manigny zoky zaho ô! koa harivariva ny andro
hisoma bal antosy (2)

Antosy soman'ny ery Iada
'Zegny somaiko avaizo wa lekely e !

Hody lahy e ! mah ! Te hody zaho ô ! (2)

Mahatsiarotsiaro te hody aminay e !
Te hody !
Mahatsiarotsiaro te hody aminay e !
Te hody zaho ô !

Eh ! tsaroako edy aminay any zavavy e
Lavitry an-tena tsisy ampanafosafo
Karaha zanaka akoho narian-dreniny
Mikoekoeky magnaraka lalana jiaby
tsisy ampanipy akotrim-bary
Marary zalahy e

Manigny e zavavy e !
Manigny zavavy e !
Manigny e ! e !

Mitsinjaka anao, tsinjahako ô
Mindasy anao, danseko
Misery anao, sereko ô !
Magnoitry anao, oitreko ô
Mibozy anao, bozeko e !
Ho aiza ? Aminao any

O besse ! o besse ! (2)

Mahatsiarotsiaro te hody aminay e !
Te hody e !
Mahatsiarotsiaro te hody aminay e !
Te hody zaho ô !

LIANAH

xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

SIFIRITY


Ha ! ha ! ha ! iii !
Resaka Sifirity izy ty niany tsaiky reto
Si si si si Sifirity (3)

Mangala-baraka amin'ny raha tsy marigny e !
Mahaiza menatra e !
Mitsokotsokoroko raha ambarany e !
Mahaiza menatra e !

Koragnan'ny tranobe, tsy hidiran'ny lakozia
Aferan'ny lakozia, tsy hidiran'i Sifirity
Koa azon'i Sifirity, miparitaka any Amerika
Ampiany TVA, koragna miitatra

Eh ! moramora anao, mahaiza menatra e !
O ! mieritrereta anao, mahaiza menatra !

'Zeo hafatr'i Dady ! fadio ny ady
Mampisy lagigny, hazoagna tsigny
Ialagna ny vandy, fa raha mampiady
'Zegny aferan'olo, ialao tsy hamono

Eh ! eh ! tandrigneso moa ! vaovaon-draha koa ty e !
Afera Sifirity zeo ndreo malaza amin'ny tanana koa tsy hainao !
Eba ! ao baoejy ! soma !
Alamino ! alamino ! alamino ! alamino ô ! (2) ôby e !

Eh ! Mba ialanareo resaka sifirity io fa tsy mamango e !
Maro raha robatin'izy io amin'izao ty e !
Ambelao olo amin'ny jerin'azy
Mila olo manao fiainanan'azy ko anao karaha manao sifirity !

Mba mitandrema tsy hampiady olo anao
Mahaiza menatra e !
Matrakatraka tsinain-kena anao
Mahaiza menatra e !

Koragnan'ny tranobe, tsy hidiran'ny lakozia
Aferan'ny lakozia, tsy hidiran'i Sifirity
Koa azon'i Sifirity, miparitaka any Amerika
Ampiany TVA, koragna miitatra

Eh ! moramora anao, mahaiza menatra e !
O ! mieritrereta anao, mahaiza menatra !

'Zeo hafatr'i Dady ! fadio ny ady
Mampisy lagigny, hazoagna tsigny
Ialagna ny vandy, fa raha mampiady
'Zegny aferan'olo, ialao tsy hamono

LIANAH
xxxxxxxxxxxxxxxxxxxxx

rabingogilabanga:

huc, tompoko, tompoko,angaha... mavesatra mare koahy !

detends toi leitsy, aôka ty tompoko ,tompoko ity, mpinamana mifanao leitsy, sy aky daholo isika e! sa?


Aza kianina kosa izy fa te hanaja antsika e! Raha olona tsy fantatra no iresahana dia fahalalam-pomba ny manao "tompoko".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.012