Aloalo

1. patrick2002 ( 08/02/2008 14:08)
Hono aho mba te hanontany anareo izao inona kay no dikany Aloalo ,nikaroka t@ internet izao fa tsy nahita mihintsy .
Ny fahafantarako azy dia ny foko mahafaly no topon'io vakoka io entina milaza ny fiainana iray manontolo ,ka misy dikany daholo ireny omby @ farany ambony iny ,sy manomboka ny aty ambany .
Ka mba azavao izay mahalala.
novalian'i aloalo ny 28/02/2008 22:58
2. soanja ( 09/02/2008 02:33)
Ny fahafantarako ny ALOALO dia izao:

Ny atao hoe : Alo aloha dia fiampitana na fanafarana na mpitondra hafatra.

Tany amboalohany dia nataon'ny foko Mahafaly sy ny hafa manao zany ny sary sikotra amin'ny hazo eo ambony fasana mba hametrahany ny fijoroan'ilay olona ho fahatsiarovana azy na dia lasana any ambany rangolahy aza izy. Zany hoe lasa izy fa ny asany sy ny momba azy mitoetra hojeren'ny havany sy ny mpiara monina ary tsy ho hadino izy.

Ny omby moa izany dia isan'ny biby iray manana ny mahaizy azy tokoa eo anivon'ny foko any anindrana. Manana dikany maro ny fisehon'ny omby toy ny fananan'i Merina sy ny foko hafa ny vary. Zany hoe sady ara-panahy no ara-piarahamonina no sakafo. Ka izay manana azy be dia be dia manana ny fanahy fampiombonana ny hafa ary mamelona tokoa. Io izany dia isan'ny nomena lanjany amin'ilay alo satria nampafantarina azy fa be ny omby nananany na nanisy soa ny manodidina izy olona lasana.

Teny ampovoany teny anefa dia niova ny heviny satria miova ny rivotra iainana. Raha mahita koa i Pat dia matetika dia sary olombelona manao fiainana andavanandro no hita eny amin'ny aloalo. Amin'ny foko Bara moa dia betsaka ny mampiseho faritra mamoafady sy erotika sns satria te hampiseho ny fisian'i sexualite sy ny fananana taranaka ary ny fikajiana izany ny mpitandro ny kolontsaina. Zavadehibe ireo amin'ny fiarahamonina la ilaina ny hilazana izany eo amin'ny alalan;ny aloalo.

Amin'izao dia efa miova ho zava-mampihomehy sy mahatsikaiky sy natao hilazana ny tena mahafinaritra sy art ny Aloalo ho isan'ny kolontsaina. Any amin'ireny aloalo ireny no misy sarina polisy sy zandary , ny dahalo , ny fiaramanidina, fiara sns...

Noho izany dia miankina amin'ilay foko no ifandraisan'ny aloalo eo amin'ny fiainany.

Zavatra iray anefa no voatsikaritry ny mpandinika ny momban'ny aloalo. Na manao sary be dia be aza izy ireo dia mbola ampihariny tsara ireo zoro mitory ny vintana eo amin'ny fiainany ka ampifandraisiny amin'izay ny sikotra tiany haseho.
3. endrika01 ( 09/02/2008 14:21)
soanja:

Mba tsy hitako ndray iny!!!:-*
4. patrick2002 ( 11/02/2008 01:44)
dia misaotra anky soanja :-*:-*
5. soanja ( 11/02/2008 15:46)
Ra-Pat sy Endrika> :-*:-*:-*:-*:-*
6. soanja ( 12/02/2008 03:50)
Azafady diso kely aho fa ny foko Sakalava no betsaka manao ilay resaka resahiko misy zava-mahavariana io.

Asa na mbola velona any ilay mpanao sary sikotra azy malaza tokoa fa manako toy ny lazan'ilay rangahy mpanapaka zaza na mpanao sambatra ilay lasan'ny onja tany Afrika amin'ny hiran'i Mahaleo ny lazan'ilay mpanao aloalo eo amin'ny sehatra misy azy.

Ho ela velona anie i Gasikara!
7. ikaretsaka ( 12/02/2008 04:17)
sakalava sa mahafaly no tena izy kay?
fa mahazenana tokoa ilay fanazavan'i zoky soanja, misaotra nizara
8. soanja ( 12/02/2008 14:15)
Tsy ny foko Bara fa ny foko Sakalava no manao ilay aloalo misy sary mamoafady. Fa ny Mahafaly no miantso ny aloalony ho aloalo fa ny sasany aloalo ihany fa aranana samihafa aby.Ny heviny kosa itovizana tany amboalohany.

Zany hoe matetika raha zohina akaiky dia izay foko tsy mikasika razana aorian'ny fandevenana azy na fanitrihana azy intsony- ankoatran'ny Sakalava ny Menabe- no manao ny aloalo matetika.

Ny Merina sy ny hafa moa izany mamadika, ny azy kosa aloalo na vatolahy na hafa no ataony.

Ny tena hevitra mantsy amin'ny foko sasany dia ny fahaterahana fanindroany eo amin'ny fiainana. Zany hoe maty ianao amin'ny mahaolombelona anao fa teraka kosa ianao nony maty eo anivon'ny razana ary tsara izany eo imason'ny velona satria mitombo ny isan'ny mpitahy.

Ka ny fisian'io resaka fitaovam-pananahana mivoitra be tokoa eo amin'ny aloalo sasany dia midika izany fiterahana izany sy famonjena ny vondron'ireo velona ara-panahy tsy hita maso.
9. ikaretsaka ( 12/02/2008 22:16)
hay ?
ny niheverako azy ry soanja hoe nahavita be ilay taova-pananahana t@ fahavelony dia iny no reputation-ny

ohatra hoe ny an'i sasany omby fa iny no reputation-ny
ny an'ny sasany sarety, fiara, raopilanina...
dia ny an'ny sasany fanaovana sexe
10. fahamarinana ( 13/02/2008 09:06)
:arrow: Soanja :zany tokoa moa , tena tsy takatro ndray iny,merci tamin'ny fanazavàna e.(l)
11. soanja ( 14/02/2008 04:49)
ikaretsaka:

hay ?
ny niheverako azy ry soanja hoe nahavita be ilay taova-pananahana t@ fahavelony dia iny no reputation-ny

ohatra hoe ny an'i sasany omby fa iny no reputation-ny
ny an'ny sasany sarety, fiara, raopilanina...
dia ny an'ny sasany fanaovana sexe

Samy nampiasa ny fitaovam-pananahany avy ny Malagasy ka ary samy niteraka be dia be avokoa.

Ny hany tsy mampitovy ny fisainana fotsiny dia misy ny foko mandray ny sexualite ho zavamasina ary tsy misy mahamenatra ary resahina mazava amin'ny rehetra satria sarobidy. Moa ny an'ny hafa afenina sy anaty lamba avokoa nefa mamokatra ihany koa.

Ny aloalo izany dia isan'ny itarafana izany tokoa.

12. aloalo ( 28/02/2008 22:58)
:b
lol
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6602