Fitaizana (Culture) politika tsy nahitana vokatsoa hatrizay

1. Jeankely ( 28/01/2008 10:02)
Tsy mitaingina soavaly maty. Ho lany ihany ny paiso ankady. Raha maty aho matesa rahavana. Havako raha misy patsa. Mivadika palitao dia miditra any amin'izay Antoko malaza na tsy mifanaraka @'ny foto-tsain'ny tena aza. Manao poezia mampanonofy mitsangana ny vahoaka ary atao izay ahakivy azy tanteraka. Ny vazaha no zahaviny hidera azy rehefa manaratsy an'i Madagasikara izy sns...
Rehefa tia halaza dia mila mahay mitsikera ary miresaka etsy sy eroa nefa ny saina tia haka fitondrana ary mitetika hanao ratsy kokoa noho iny tsongolohana iny.
Anisany tena nanimba ireo toetra ireo ka mila malina ny tsirairay. Ny Mpitondra misy lesoka nefa ny Mpitsikera ve azo hianteherana? Jereo ny ho avinao ary manaova ny marina. Aza manaraka ny hazoboboka fa sao vao mainka miverina ihany ny dia. Izany tsy midika fa hiantehitra amin'ny tsy izy. Mandiniha fa aza taitra ny miredareda poakaty
novalian'i Jeankely ny 28/01/2008 10:15
2. rahiratra ( 28/01/2008 10:12)
Jereo izay hiantsapazana fa efa miandry koa ny MAMBA NOANA.
3. Jeankely ( 28/01/2008 10:15)
Hahaha. Ny mamba noana ve no manao poezia?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0955