MARARY REIN

1. arson ( 22/01/2008 12:08)
mba mila fanampina avy aminareo reto fa misy namako MARARY VOA de mila fitsabona haingana nefa tsy hita izay hatao.Hospitalisé izy amizao fotoana izao,efa vola maro no lany.Ny voany anakiroa to efa marary daholo hoy ny dokotera.Ny dyalise koa anefa tena lafo de lafo fa 1 800 000 fmg/jour ary tsy maintsy intelo isankerinandro no atao mandrapahafaty(mandrakizay zany),de ny toro-hevitra mba angatahiko aminareo reto dia sao mba misy mahalala association medicale,na association afaka mandray antanana azy fa tena mijaly izy.Raha ny hevitra aloha dia ny fitsaboana azy any andafy no tena tsara satria tsy ho vita eto Madagasikara mitsy izany.Tena ao anaty fahararina tanteraka reto izy fa raha mba misy azonareo anampina azy de mba valio izao dinika ataoko izao, indrindra raha mahalala ny momba hitsaboana azy haingana.Ny tena tianay namany sy ireo fianakaviany aloha de ny handefasana azy any an-dafy nefa raha tsy ampy ny eo ampelantanana sy izay afaka hisahana azy de tsy ho vita mihitsy izay.
zay reto fa miandry ny valiny avy aty aminareo ny tenako.
novalian'i dynar ny 16/05/2015 06:25
2. sakaizakely ( 23/01/2008 21:37)
Fédération Nationale d'Aide aux Insuffisants Rénaux
fnair@fnair.asso.fr

Association pour l'Utilisation de Rein Artificiel en Poitou-Charentes
AURA Poitou-Charentes : 13, allée de la Providence - BP 82 - 86003 POITIERS
Tél. : 05 49 46 63 12 - Fax : 05 49 45 16 81 -
info@aurapc.asso.fr

Fondation du Rein
Service des urgences néphrologiques et de transplantation rénale
Hôpital Tenon
4, rue de la Chine
75970 Paris cedex 20
raymond.ardaillou@academie-medecine.fr

Asa raha mety fa ireto no mba hitako
Mampahery sy mirary soa ho an'ilay marary, ho tojo izay mahomby
3. Papoose ( 25/01/2008 05:53)
Mirary soa hatrany ho an'ny namanao fa nisy namako koa voa an'io aretina io dia maty moa izy ny farany!!
fa mahereza dia ampaherezo koa izy!!!
fa lahy v izy sa vavy?
4. tamberina ( 28/01/2008 10:42)
mba makanesa miresaka ao @ hopitaly ravoahangy andrianavalona, ny croix rouge koa afaka manampy,ary etsy antanifotsy, làlana makany antsirabe hono misy olona mahay mitsabo tsara,ny vahona koa ange tena tsara ary mahasitrana e!andramo daholo fa mahafaty ny reins, tokony jeren'ny ministeran'ny fahasalamana mihitsy ny aretina momba ny voa eto fa betsaka loatra ny marary eto madagasikara,mirary soa indrindra e!
5. vahiny2004 ( 28/01/2008 11:09)
tamberina : tandremo fa io resaka tambavy io no tena anisan'ny mahavoa ny aretin'ny reins , tsy hay ilay dose ampiasaina dia lasa mi affecter ny reins ilay izy

ny ao @ ravoahangy dia efa dépistage sisa no ataony fa tsy misy azony atao satria limité be ny isan'ny toerana hahafahana manao dialyse .

Misy manao dialyse any @ Girard fa lafo dia lafo tsy hay idirana, izay no tena anisan'ny mampalahelo

6. arson ( 28/01/2008 12:37)
misaotra anareo rehetra izay namaly sy namaky ny hafatro reto fa tsy hita moa fa fianana daholo zany .
Efa nindaosin'ny fahafatesana tamin'ny alakamisy teo izy ary efa voalevina ny alahady.tena ontsa sy nalahelo tokoa ny fo fa dia atao ahoana moa fa tsy maintsy andalovan'ny zanakolombelona rehetra izany.Indrisy anefa fa maty teo amin'ny faha 26 taonany izy.
(Efa natao ihany aloha ny hala nenina fa raha eto Madagasikara aloa de mbola sarotra izany hoe mitsabo olona voan'ny "insufisance reinale" zany.)
misaotra anareo rehatra reto a!
7. hantakely ( 06/02/2008 12:52)
Hoy Vahiny2004
tamberina : tandremo fa io resaka tambavy io no tena anisan'ny mahavoa ny aretin'ny reins , tsy hay ilay dose ampiasaina dia lasa mi affecter ny reins ilay izy

Mirary hon'ny namanao ho salama tsara ka hahita izay hotadiavina, fa marina io teny vahiny 2004 ka teny antsipy hoan'ny izay mbola tsy voa fa aleo misoroka toy izay mitsabo.
8. penina ( 09/02/2008 19:11)
amen
9. Papoose ( 09/02/2008 23:24)
penina, tonony mafy!:-D
10. bouna ( 26/02/2008 14:25)
Mila fijerena manokana mitsy ny momba io "insuffisance renale " io sy ny fitsaboana azy.Ny ahy ny zokiko vavy 34 taona no narary io, notsaboina tapa-bolana teny @ hopital izy dia maty. Raha ny eto M/car aloha de vitsy ny olona mahavita ny fitsaboana satria tena lafo tokoa milliards mihitsy no ilaina fa tsy vola kely.Ary @ zao fotoana zao dia mahagaga fa TANORA no betsaka voany tsy toy ny taloha hoe olona efa antitrantitra no marary voa izany . Mampanontany tena oe tsy mba hitan'ny Fanjakana ve zany fahoriam-bahoaka zany? fa tena mafy ny mahita ny havana marary mafy nefa andrasana fotsiny ny fahafatesany satria ianao tsy hanana vola hitsaboana azy na handefasana azy any an-dafy.Manao antso avo @ zay mba afaka manohana ireo marary @ zany sy mba manetsika ny mpitondra @ io zavatra mitranga io satria mety hitranga aminao sy @ olon-drehetra izany.Mirary soa
11. dynar ( 16/05/2015 06:25)
sao dia mis torohevitra ihany zareo mba hampitony kokoa an'leiz e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2275