Moa va fampihesonana ny finoana kristianina?

1. xxx ( 17/01/2008 21:09)
Hoy ilay mpandinika Afrikanina iray
"Nasainy nivavaka aho, ary nasainy nikipy sy niondrika, rehefa vita ny amena dia nitraka aho, ka nijery akory ny hatairako fa ny baiboly no teo an-tanako ary ny taninay rehetra efa nofaritany ho an'ny misionera... Te hiady aho hitroatra nefa ampinga no eto an-tanako... ny azy vanja sy tafondro mirodorodo tsy mijanona... Dia aleo mamitsaka fa sady lavo no very zo... Dradrainy ny fahafahana ahazoany mangalatra. Toriany ny famelan-keloka ahazoany ny mandrava tsy amim-bedy.."
Mbola lava be fa ireo aloha no fampidirana tamin'ilay izy
novalian'i xxx ny 27/01/2008 02:26
2. ikaretsaka ( 17/01/2008 21:21)
amiko dia sy ny Xtianisma irery fa rehefa finoana no ampitaina tsy nasiana fandanjalanjana sy fanadihadiana sy fandinihina fa dia hoe "satria ilaina hampitaina dia izay"

na koa natao "tohatra fiakarana" hahazoana filana tsotra izao

ka mahatonga ny olombelona izay soit disant hoe "niampitany" lasa very ny "maha olombelona azy"
dia fampihesonana daholo
3. fijo ( 17/01/2008 22:13)
ny finoana amin'ny maha finoana azy amiko tsy ratsy.notaizaina tao koa aho ka tsy dia nanimba ahy ilay izy.
ny tsy laitrako kosa dia io "finoana io"nampiasaina nanangonana sy nanimbana ny" maha izy antsika"izay no tsy tiako.
4. ikaretsaka ( 17/01/2008 22:23)
iraisako fijery izay
5. rabilabila ( 17/01/2008 23:34)
Ny ahy indray ry Fijo dia :
-amin'ilay tapany voalohany
Ny finoana amin'ny maha-finoana azy dia tsy mampaninona ahy raha toa ka mijanona ho perso .
-amin'ilay tapany faharoa dia miombon-kevitra latsaka venty sy kirobo.
6. LazaDaddy ( 17/01/2008 23:45)
Moa va fampihesonana ny finoana kristianina?
Tsy ny finoana Kristianina akory no fampiesonana fa misy ireo zanaky ny fahaverezama manova azy (tsy ilay finoana Kristianina intsony fa niova) hanambakana ny hafa.

Ohatra amin'izany teti-dratsy izany:

* Aza mijangajanga => nefa ry zalahy manimba zanak'olona
* Manomeza kely dia zarainay "famelan-keloka"
* Aza mamaky Baiboly fa misitery io, aoka izahay ihany no hamaky an'io
* Minoa fotsiny ihany => minonoa fotsiny ihany fa..."tsara! mahasanana! Vita ramalagasy!"

sns...
7. ikaretsaka ( 18/01/2008 00:13)
adino:

-ilay ho'zy ry zalahy mitory sy manafatrafatra milaza ny hafatr'i paoly hoe tsara ny tsy manambady.. (nefa manambady ry zalahy mamelabelatra an'io)

-ilay ho'zy ry zalahy hoe ao anaty baiboly daholo dia ampy .. nefa ny ao aza tsy miteny hoe ao daholo

-mitatatata ry zalahy rehefa krismasy heo ny teny tonga nofo ary niara nonina tamintsika .... nefa mbola ataony ao anaty boky ihany ilay izy ...dia vakiany ataony "vakiteny"
8. soanja ( 18/01/2008 00:41)
xxx:

Hoy ilay mpandinika Afrikanina iray
"Nasainy nivavaka aho, ary nasainy nikipy sy niondrika, rehefa vita ny amena dia nitraka aho, ka nijery akory ny hatairako fa ny baiboly no teo an-tanako ary ny taninay rehetra efa nofaritany ho an'ny misionera... Te hiady aho hitroatra nefa ampinga no eto an-tanako... ny azy vanja sy tafondro mirodorodo tsy mijanona... Dia aleo mamitsaka fa sady lavo no very zo... Dradrainy ny fahafahana ahazoany mangalatra. Toriany ny famelan-keloka ahazoany ny mandrava tsy amim-bedy.."
Mbola lava be fa ireo aloha no fampidirana tamin'ilay izy


Tsy dia mila mandeha lavitra akory isika fa na i Madagasikara malalantsika dia manana ny tantarany tamin'ny nidiran'i Xtianisma tao Madagasikara.

Amiko sarotra ny mijery ny zavamisy saingy mila hita koa ny fiafarana. Raha nopotehina ny momba antsika noho i Kristy dia tsy manahy amiko satria fandresena izany ny nandraisantsika azy.
Ny hany hitako fanafody hanorenana ny very sy ny nopotehana izay tsy tsiniko ary tsy tsininao fa no ho ny tsy fahampian'ny fahalalana dia ny fanorenana ezaka amin'ny mahaKrsitianina mamerina na mamelona izay novonoina ary manome hery izay very ka manoro lalana azy hahita ny marina eo amin'ny fiainany.

Amiko tsy fanao ny manome soketa na fitsarana ny tontolo misy ny vondron'olona (Xtiana, silamo , bodista, ny Ntaolo sy ny razana sns...) fa ny hijerena azy dia satria samy olombelona hiasan'ny fanahy ary iasan'ny fakam-panahy tsirairay avy dia izay mifanandrify isan'olona no azo omena tsiny raha misy izany.

Tsy fotoana ny fanomezantsiny intsony koa anefa izao fa fotoana ny fifamelan-keloka sy ny fivavahana ho an'ireo izay mbola manjeny sy matory amin'ny fifohazanm-panahy.


9. xxx ( 19/01/2008 00:03)
Amin'ny teny famaranana dia nampiany hoe:
"Efa nanomboka nahitra izahay dia nahatsapa fa Andriamanitry ny fotsihoditra ilay kristy, saingy tsy lavitr'io dia nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa nisy nahita fahagagana ka Maria mainty sy Jesosy mainty no teo... Moa va tsy fandrebirebena ireo?"
10. ikaretsaka ( 19/01/2008 00:36)
XXX teo lery no diso.... ilay teo @ le phase nampidirana ny loko @ zavatra tsapa!
ny lokon-kodiny no jereny fa tsy ny tao anaty coco-ny sy ny hafetseny...
raha nanao lery hoe andriamanitry ny fetsy na hoe tohatra fiakarana dia nanaiky aho
11. soanja ( 19/01/2008 04:29)
xxx:

Amin'ny teny famaranana dia nampiany hoe:
"Efa nanomboka nahitra izahay dia nahatsapa fa Andriamanitry ny fotsihoditra ilay kristy, saingy tsy lavitr'io dia nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa nisy nahita fahagagana ka Maria mainty sy Jesosy mainty no teo... Moa va tsy fandrebirebena ireo?"


Miankina amin'ny fomba fisainana andraisana azy io ka. Izany Andriamanitra inoana izany tsy mba misy loko ary tsy tokony hisy sary an-tsaina akory. Izay hinoana ary hotsapanao fa mandraitra/handaitra ao anatinao no inoy.
I Jesoa sy Maria aloha raha ny fiheverako azy dia hitovy loko amin'ireo Jiosy fantatro aty ireo e. Tsy tena fotsy fihodirana be fa fotsy ihany ary mainty olioly ny volony, somary lava orona na be vatakorona satria ireo no fahitako ny ankabetsahan'i Jiosy avy ao Betlehema aty aminay.
70% ny olona aty aminay dia Jiosy avokoa ary miteny Hebreo. Ny fiaimpiainana dia ahitako taratra ilay Jesoa hinoako. Mino aho fa nankalaza sabata be de be i Jesoa ary namonjy sinagoga isan-karazany. Niaina toy ny Jiosy rehetra.
Ka raha toa ka tsy mampazoto anao ny mieritreritra izany dia hevero ilay FANAHY MASINA mitantana anao isanandro, ilay mpankahery sy mpampihavana ary mpamela heloka.


12. rijadolly ( 19/01/2008 05:11)
fijo:
ny finoana amin'ny maha finoana azy amiko tsy ratsy.notaizaina tao koa aho ka tsy dia nanimba ahy ilay izy.
ny tsy laitrako kosa dia io "finoana io"nampiasaina nanangonana sy nanimbana ny" maha izy antsika"izay no tsy tiako.
Miombin-kevitra am'io koa za.Eny fa nadia amin'izao fotoana izao aza dia misy io.
Ohatra amin'izany teti-dratsy izany:

* Aza mijangajanga => nefa ry zalahy manimba zanak'olona
* Manomeza kely dia zarainay "famelan-keloka"
* Aza mamaky Baiboly fa misitery io, aoka izahay ihany no hamaky an'io
* Minoa fotsiny ihany => minonoa fotsiny ihany fa..."tsara! mahasanana! Vita ramalagasy!"

sns...
xxx:
Amin'ny teny famaranana dia nampiany hoe:
"Efa nanomboka nahitra izahay dia nahatsapa fa Andriamanitry ny fotsihoditra ilay kristy, saingy tsy lavitr'io dia nambara ho ren-tany ho ren-danitra fa nisy nahita fahagagana ka Maria mainty sy Jesosy mainty no teo... Moa va tsy fandrebirebena ireo?"
Amin'hevitr'io hafa indray anefa dia hita fa tena kivy tokoa ireo nino an'Jesoa fa fitaka ilay nitoriana azy hatramin'zay,ary dia naseho azy avy amin'fahitana fa tsy ho an'fotsy hoditra ihany Jesoa fa hoan'olona manera-tany.Anisany mahazo izany ny mainty hoditra(fahafahana)
13. xxx ( 27/01/2008 02:26)
Ialahy no te hiesona koa
Aleo ataony amin'izay tiany any satria tsy nahasoratra tantara
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2596