Mba mahery marina ve ny ODY GASY ???

1. midjoh ( 14/01/2008 09:25)
Raha ny amiko aloha dia resaka fotsiny ireny e ! :^)Amin'izao andron'ny "TECHNOLOGIE" zao ve dia mbola hisy ihany olona mino an'izany ??? efa hita fa tsy mamely io dia tokony hajanona amin'izay fa TSSSS !!! :evil:
novalian'i midjoh ny 16/01/2008 07:31
2. MCZ ( 14/01/2008 10:31)
ina ko no nahatonga anao hanao anio forum io :lol: tsy fantatra intsony raha mbola mahery natsia fa tao eny ambanivohitra eny no be pampiasa io ody gasy io; io no mahatonga ny olona hivoka alina satria mahery ny ody éé dia lasa pamosavy ilay izy :-D
3. karinah ( 14/01/2008 11:08)
midjoh:

Raha ny amiko aloha dia resaka fotsiny ireny e ! :^)Amin'izao andron'ny "TECHNOLOGIE" zao ve dia mbola hisy ihany olona mino an'izany ??? efa hita fa tsy mamely io dia tokony hajanona amin'izay fa TSSSS !!! :evil:
Kah,io koa anie le saina no mitondra an'io an, fa rhf minomino fona de manaraka ho azy ny saina, :-D:-D:-D:lol::lol::lol:..:-*:lol:


4. ni81 ( 14/01/2008 11:57)
Tsy dia marina loatra ny tenin'i MCZ hoe eny ambanivohitra eny no be mpampisa azy io fa na dia ao an-drenivohitra aza, eny fa na dia ny olona mahita fianarana aza dia misy manao sy mampiasa an'io. Nahita Madama mihitsy aho, fa rehefa hivoaka ny trano izy dia tsy maintsy mihosotra kely @ lay fanafody gasy foana.
5. hery ( 14/01/2008 12:21)
Tsy haiko hoe hatraiza no fetran'ny ody gasy.

Raha alika no omena poizina (na olona aza) dia maty na dia efa mahery aza ny teknolojia.

Sa ahoana no nahatonga anao niteny an'io hoe mahery io?
6. xxx ( 14/01/2008 12:45)
Efa tamin'ny andro tsy -n'ny teknolojia no efa nisy niteny hoe ialao ireny ody gasy ireny. Amin'ny "andron'ny teknolojia" koa mbola misy. Ataoko fa tsy ny teknolojia no mahatonga an'i midjoh hiteny an'io eto.

Raha izay manko dia hafa no fipetraky ny resaka :
- inona (avy) no phenomene(s) ampiasain'ny mpanao ody gasy ?
- ahoana no hanazavana azy araka ireo lalànan'ny siansa ?
- afaka anaovana fanandramana "répétable" sy "reproductible" ve ?

Satria manko raha tena mahery tokoa ilay teknolojia resahinao, dia tsy tokony hisy mihitsy ny zavatra havela amin'izao miaraka amin'ny baraingo.

Raha ohatra indray anefa misy zavatra mampiditra "phenomene surnaturel" na zavatra tsy voafehinao, dia hoy fotsiny aho hoe : Resaho amin'Andriamanitra ! ;-)
7. sakaizakely ( 14/01/2008 13:32)
ny tian'i midjoh tenenina angamba hoe teknolojia = fandrosoana

zany hoe efa mba miha mazava saina daholo ka tsy hanaiky hinohino foana intsony

fa tsy hoe hahasakana ny ody gasy ny teknolojia

inn marina moa ny ody gasy ?

fanapoizinana angamba no tena marina

fa raha hoe mpamosavy mivoaka alina, na fanainga lavitra na raodia ohatra, mety resaka maoly daholo

mino aho fa misy fanazavana aratsiansa daholo ireny
8. xxx ( 14/01/2008 13:42)
sakaizakely:
mino aho fa misy fanazavana aratsiansa daholo ireny

Mino nefa tsy mahita ? :P:D:lol:
9. bilakarenjy ( 14/01/2008 14:19)
Ny teny hoe ody gasy dia fitsaboana vitan'ny gasy .

Samy manana ny lafiny tsara sy ratsy daholo ny zavatra rehetra .
Azo anasitranana izy .
Azo iarovana ihany koa izy .
Azo amelezana koa izy .

Dia miankina @ izay no ipetrahan'ilay fisainanao ,fa matetika dia ny fiarovana sy fanasitranana no tena anaovana io ody gasy io satria tsy mba nanana alarme ny olona taloha na nanana fiadiana .
Ao koa ny fanafana @ tazo sy ny kodavareny ary ny ngorongosy sy ny fanintona sy ny hafa .

Mbola sarotra be @ science ny mamaritra ny ody ataon'ireo mpitaiza sy mpanandro .

10. pissoa ( 14/01/2008 17:00)
ie mbola mahery izany !

sery vitan'anamalà ve hividanako parasetamol :-D:-D:-D
11. Angie ( 14/01/2008 17:10)
zah alou tena zakan ody fitia teknolojika fa tsy lay vita gasy e.
Grave be fa miraikitra @ patex etomintriny ve rangaha. Dia malahelo ange refa mba tsy manao net elaela e. ny aza voany ihany fa mahery io ody fitia io kah
12. vale ( 14/01/2008 18:53)
ni81:

Tsy dia marina loatra ny tenin'i MCZ hoe eny ambanivohitra eny no be mpampisa azy io fa na dia ao an-drenivohitra aza, eny fa na dia ny olona mahita fianarana aza dia misy manao sy mampiasa an'io. Nahita Madama mihitsy aho, fa rehefa hivoaka ny trano izy dia tsy maintsy mihosotra kely @ lay fanafody gasy foana.
D voan'ny azea manadino ve zay lalovany?lolllllllllllll


13. niryna ( 15/01/2008 06:13)
bilakarenjy:

Ny teny hoe ody gasy dia fitsaboana vitan'ny gasy .
=D

Samy manana ny lafiny tsara sy ratsy daholo ny zavatra rehetra .
Azo anasitranana izy .
Azo iarovana ihany koa izy .
Azo amelezana koa izy .
=D

Dia miankina @ izay no ipetrahan'ilay fisainanao ,fa matetika dia ny fiarovana sy fanasitranana no tena anaovana io ody gasy io satria tsy mba nanana alarme ny olona taloha na nanana fiadiana .
Ao koa ny fanafana @ tazo sy ny kodavareny ary ny ngorongosy sy ny fanintona sy ny hafa .

Mbola sarotra be @ science ny mamaritra ny ody ataon'ireo mpitaiza sy mpanandro .


:D
Io efa voalazany io no dikan'ny ody gasy ary tsy ho voatery ho ratsy ilay izy.Taty aoriana ny olona no mitady zavatra hiazomana varotra,olona,fitiavana sns dia maka ody hafa izay mety mifanohitra ilay ody gasy izay zavatra tsara no niandohany.Lasa nivadika ho asan'i satana ilay izy satria tsy manasitrana fa mamono,tsy mitia ao am-po fa mitady irika amin'ny fanafody hisarihana olona.Tsy mipetraka amin'ny fidiran'ny varotra tsotra izao fa asiana ody etsy ody ery hoe mba andeha ny varotra dia izay,lasa mivadika.

Izany hoe domony tampany andoha erany ireny olona ireny,ataony mandaitra izay tadiaviny dia mitady an'iny foana ary farany tsy mahazaka ilay fanafody intsony dia ny miaramilan'ny satana no lasa manjaka ao amin'ilay fiainan'ilay olona.:roll:


14. midjoh ( 16/01/2008 07:31)
"ny tian'i midjoh tenenina angamba hoe teknolojia = fandrosoana"


Zay aloha no tiako ho tenenina @io e!:D

Ary fanampin'izay, maninona ary mbola vitsy ihany ny mampiasa ny ODY GASY raha ohatra ka mahery marina izy (raha hampitahaina @ tsy mampiasa toy NY TENAKO sy ny sisa).
Efa ela anie no nisian'izany resaka ody gasy izany e! ary tsy hita akory ny tombotsoa azo avy aminy fa kisendrasendra daholo no mateti-pitranga.
Ny mpanao ody anie olona manampahaizane! mandinika sy mikaroka ny zavatra rehetra izy, ary mahafantatra tsara ihany koa izy fa tsisy hidiran'ny FANAHY na zvt SUR-NATURELLE ny ody zay omeny fa vokatry ny fikaroana nataony, fa fotsiny hoe:" tsy hainy ny manazava azy." (indrindra fa ho an'izay mpino ody)
Heverinareo fa raha hitan'I RAVALOMANANA fa izany no tena mafy, tsy efa ni-EXPLOITENY izany ? hein hein!!!:twisted:
Mba mievera ihany isika e!8O
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2803