eritreritra mandalo

1. xxx ( 13/01/2008 12:30)
Fivavahana sy finoana izy ity no sady eritreritra mandalo.
Hono ho aho? ho an'i kristianina dia i Adama sy Eva no olona voalohany teto ambonin'ny tany izay Andriamanitra no nahary azy roa ireo, dia nandeha nandeha dia niseho taty aoriana Jesoa ary ho an'ny kristianina dia voalaza fa hisy an'izao hitranga sy hiseho...,ho avy ny andro farany sns...
ka ny fanontaniana tiako apetraka sy manitikitika ahy dia hoe ho an'ny tsy kristianina dia iza no olona voalohany teto antany, dia tsy hisy ve izany ny andro farany, dia avy aiza no nipoiran'izao tontolo misy izao?
novalian'i fijo ny 16/01/2008 21:53
2. tontavao ( 13/01/2008 13:47)
voafetra ny zavatra azo dinihin'olombelona anisan'izany io fanontanianao io ka izay no mahatonga ny xana hianona amin'ny nampahafantarina azy. Efa maro ny manampahaizana mba nandinika fa dia tsy nisy nahavaly io fanontanianao io afa tsy ny fivavahana kristiana izay mitompo teny fatratra fa ny azy no marina. Nefa koa tsy voatery ho marina izany.
Ka itariko ny fanontanianao: Raha i Adama sy eva ary ve no niatombohany firy ny zanany fa dia samihafa be loatra mantsy ny olona eto antany (misy mainty, fotsy, mavo,mena, kely maso....)
3. diamondra27 ( 13/01/2008 14:08)
f angah tsy we avy am gidro ry zareo
4. pissoa ( 13/01/2008 21:49)
Raha i Adama sy eva ary ve no niatombohany firy ny zanany fa dia samihafa be loatra mantsy ny olona eto antany (misy mainty, fotsy, mavo,mena, kely maso....)

:-D:-D:-D
ka ny mpiray tampo aza tsy mitovy koa ... maika fa ny olona any amin'ny generation faha 14xn !
5. niryna ( 13/01/2008 23:11)
misaotra simplex a
Hoy ny voasoratra tao amin'io nasianao ho jerena io hoe
" scientists as a general rule believed in God.
Marina izany fa na iza manampahaizana ka miantehitra ny heriny ihany izy dia tsy ho fantany mihitsy ny namoron'Atra ny zavatra rehetra http://baiboly.org/toko.asp?boky=GENESISY&toko=1&andininy=1-31&dika=

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.

2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.

3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. Gen 1

Ary dia misaotra an'Atra koa isika fa maro ireo olona tsy miantehitra amin'ny heriny na dia manampahaizana aza izy fa mino ny fisian'Atra.

Raha i Adama sy eva ary ve no niatombohany firy ny zanany fa dia samihafa be loatra mantsy ny olona eto antany (misy mainty, fotsy, mavo,mena, kely maso....)

Izay no maha unique antsika tsirairay avy,izay no mahatonga antsika nomen'Atra safidy ho an'ny tsirairay avy,ary misy antony maro koa ny zavatra ho ampanaovina amintsika ka izay koa no mbola mahasamy hafa antsika,ao ny hampianatra ,ao ny hivavaka, ao ny hitoriteny ao ny hampahery.
Raha samy dokotera daholo ny olona ahazo vola ny toerana fitsaboana?
Raha samy mpampianatra daholo ny olona aiza ny mpianatra.
31 Ary hitan'Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.

Ny fantatro fotsiny aloha dia tsara daholo izay nataony eny fa na dia ratsy eo amin'ny olona aza
Ho avy indray izao ny fanontaniana ho satana(jereo any ambadimbadika any e ,ao anatin'ireny sujet mikasika ireny ny valiny ) :D
ka ny fanontaniana tiako apetraka sy manitikitika ahy dia hoe ho an'ny tsy kristianina dia iza no olona voalohany teto antany,

dia Adama sy Eva ihany ka,ny hoe mino ve izy sa tsia no mipetraka ary na tsy mino an'i kristy aza anie izy ireo ny didy folo ihany koa no sarihany eo ,misy fontsiny ny ho aza mamono olona dia ny azy indray hoe aringano daholo leity izay manalika a ,ary ny maty ho ao amin'ny kristy dia ny azy indray izay mananjera baomba miaraka amin'ny tenany amin'ilay fahavalo dia maritioram-pirenena aminy,dia mitoho eny daholo e.
Mahafantatra ny fisian'i Adama sy Eva daholo ireo mpino hafa fa ny hoe mino an'i kristy ho Zanak'Atra sy ho Mpamonjy no mety tsy hinoany.
dia tsy hisy ve izany ny andro farany, dia avy aiza no nipoiran'izao tontolo misy izao?

aleo izay tsy mpino an'i kristy angamba no amaly azy fa ireo no hametrahan'i kristy ny fanontaniana ihany koa amin'ny farany: Mety ho voan'ny fanontaniana eo izy hoe:Nitorinteny i xxx,maninona hianao no manda na tsy nino,maninona no efa nomena anao izao ny fahefana sy efa misokatra ny varavaran'ny fon'i kristy maninona no nidianao ny trano sa mbola te hanao ny fanaonao ihany hianao dia aleo aloha lavina daholo ny tenin'Atra :oops:
6. fijo ( 15/01/2008 22:16)
io letsy dia tsy ahitanao valiny izany an,ny kristianian anie naka ny tantara teny anelanelany e.efa nitranga ny esipesy olombelona vao nandray ny tantara izy;fa nodiany tsy hita ny talohan'ny olombelona
7. ikaretsaka ( 16/01/2008 02:36)
io hoa tsy mety raha zavatry ny mpino no anamporofoana sy hitsimponana andalana hanamarinana azy @ tsy mpino!
ohatran'ny hoe mivarotra kotileta @ musulman izany ny atao manko raha izay
fa andraso aloha hitady marimaritra iraisana
8. fijo ( 16/01/2008 21:53)
ka ny kristianina dia nandray ny tantara nanomboka teo amin'ny nitrangan'ny olombelona.ny siantifika nijery azy hatrany amboalohany lavitra kokoa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4239