Hanao défi @tsika hono ny sinoa

1. news2dago ( 10/01/2008 07:56)


Loza ny asahin’ity sinoa iray ao @ orina’asa afa-kaba izay sahy nilaza ampahibemaso mihitsy oe:”Andao ianareo malagasy rehetra eto ianareo 17 millions mipetraka eto madagasikara tsy misy anjanona na tamingany iray aza alefa mipetraka any sina dia entinareo daholo ny harena rehetra anareo teto izay mety ho fananareo tsy misy avelanareo eto fa entinareo any daholo fa izahay kosa mifindra aty tsy mitondra na inona na inona mankaty fa tsy omenay herintaona ianareo dia resinay”.

tonga saina mihitsy aho naheno an’io resaka io omaly, f’anga moa zany isika malagasy ireto dia tena coco be mihitsy e! eny e! mety ho marina tokoa aloha izay raha ny fijery ny toetrantsika @ zao a! aiza ve ko izay tafasondrotra ny antsika dia sitonina hidina foana zany oe ohatra lasa mifampialona isika! zao tena zany fifanajana izany tsy hita intsony! omeko ohatra fotsiny ianao ra ireny taxibe ireny izao ohatra dia vitsy mihitsy ny resevera manaiky ny karamaintso an’ny be antitra!

manginy fotsiny ohatra resaka heno oe ra sendra mandalo any frantsa enao no mahita malagasy mitovy aminao izao na olom-pantatra aza hono indraindray tena tsy mifampiarahaba intsony fa oe anga “Gasy Vao Tonga”! aiza moa ny olona hafa no tsy ho sahy hiantsy anao oh io aty @ tany nilatsahany ny tavolo nao! za zany mahita oe ilay toe-tsaina mihitsy no mila amboarina fa tena efa mirefarefa laotra e! tsy maniry ny hiakatra ambony isika hifampitsinjo hafanampy hifanome tanàna fa faly mahita ny hafa voa hihomehezana foana zara ary misy fahavoazana hifosaina ny hafa!!

tsy aleo ve ry zalahy mba miova e! ny taranaka ao afara mihitsy anie no ho voa mafy e! zao ohatra dia efa hita oe tsy ho tafita ny zanaka malagasy raha tsy hanambady vazaha! dia tena sanatria mivaron-janaka mihitsy anie mirongatra io eto @ faritra rehetra manerana ny nosy! afaka folo taona zany dia tsy ho metisy daholo ny taraka malagasy eto!

hiverenako kely ilay resaka sinoa teo hanamafisako ny fahaizan’ny olona miray hina! nisy namanay izay nianatra tany @ bekintana dia gaga fotsiny izy mahita ireto kely maso be dia be mameno ny oniversite any amerika! dia niresaka izy nanontany oe ahoana no ataonareo? ny anay hoy izy ny elite hatrany @ kilasy gisitra dia efa tilin’ny fanjakana dia mahazo bourse foana hatrany @ fandefasana azy mianatra aty etazonia ary avy eo kosa tsy maintsy mody any enao raha ny fanjakana no manampy anao! fa ny tena natalanjona ahy hoy izy dia ny mahita ity restaurant anakiray izay feno mpianatra miasa ao kanefa raha ny tena marina tsy mahazo miasa ny mpianatra ao anatiny taona izay tao aorinany nahatongavany any! kanefa dia miasa ao ny akamarony mba mahazo vola kely hanampiana ny vatsy! inona hoy enao no ataony apetrany eo @ fitaratra fidirana @ teny sinoa ny fitadiavana mpisa hiasa ao @ny na ny “offre d’emploi” zany dia izy samy sinoa ihany no mahalala an’io! dia eo izao dia tsy mitovy ilay fomba fisainana ny azy ny teniny hainy foana ny antsika io atao ambanin-javatra foana! hany ka mora @ vahiny no manjanaka antsika ara-tsaina satria matimaty @ ny azy isika! izao ny zanaka malagasy tena vitsy no miresaka @ teny malagasy e! ary tena voninahitra mihitsy ny antsika zany oe tsy mahay teny malagasy izany raha sendra mipetraka ela any ivelany! ny sasany zany moa dia mivoka kely 2 volana dia efa milaza tsy mahatadidy teny malagasy intsony oe! mampalahelo e!

mbola tohiny io tany amerika io ihany no tantaraiko anareo eto fa nisy vietinamiana namako izay satria iray kilasy tamiko izy,mbola kely 3 taona monja izy no niala tany vietinama nifindra nakany belgique ry zareo nandositra ny ady, nisy belza ni-adopter azy nitaiza azy sy nampianatra azy mandrampa lehibeny kanefa dia gaga be mihitsy aho fa miresaka sy mifanoratra @ teny vietinamiana tsara izy sy ny rainy! izany oe tsy very mihitsy izany ny tenin-drazana na aiza na aiza no misy anao!

fehiny, dia anjarantsika tsirairay avy no mandinika ny ho avintsika na isika ho be no basy na isika fasika ho entin’ny rika ny fanantontolona eo!
2. dolbia ( 10/01/2008 08:26)
Mety hoe mafimafy ny fomba filazany azy fa marina ny azy. Ary io dia tsy isika malagasy irery fa ny Afrikana iray manontolo mihitsy ary marina ny filazanao fa ny toe-tsaina no mahatonga izany. Ireto avy ny antony fantatro :

1. Kamo isika, izay aloha tsy azo lavina.
2. Tia tena ny mpitondra sy ny manam-pahefana ary manampatra izany fahefana ananany izany hitadiavana tombontsoa manokana.
3. Fahaizana : betsaka ny dondrona eto amintsika ka tsy mahatakatra izany hoe fandrosoana izany, aza ny fomba fiteniko azy no jerena fa ny fahamarinany.

Ireo aloha no fantatro fa asa raha misy hafa !!! Fa ny toe-tsaina sinoa dia mikaroka andro aman'alina ny hisondrotany sady mahay miafy : "Sinoa vao mivelona hoy isika" rehefa mba sendra "mihafy" kely isika.
3. kiadi ( 10/01/2008 11:20)
norlmale ihany indraindray raha misy misintona le tafasondrotra fa misy @ ireny tafasondrotra reny no tsy mahalala tsony ireo niara niady ta@ fiainana taminy
4. stephane197 ( 10/01/2008 12:08)
tena marina ireo lazain'i news ireo ary mampalahelo tokoa, kanefa tena mila fiheverana tokoa!! asa re izay hahatanteraka ilay fihovana ê!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4792