Hitodika ny 2008,izay tsy vita tohizo,izay ratsy ario!

1. niryna ( 31/12/2007 05:59)
Miarahaba antsika rehetra tratry ny faran'ny taona 2007. Raha nisy zavatra tsy vitanao dia tohizo,raha nisy toetra ratsy dia andramo arina.
Manandrama anie mifaly e,mitsiky e,mieritreritra zavatra tsara foana,mizara ny hafa,fotoana,fihainoana ny olana misy ny namana e.Ho hitanao izany fahasambarana izany ,tsy mila vola fa fotoana fotsiny no ilaina ary tena sarobidy io.
Raha nambinina hianao,aza miraviravy tanana.
Raha tsy nety ny natao,aza kivy mitraka ,mbola ho avy ilay maraina
Raha nisy dona nahazo anao,ilay fahasoavana nomen'Atra jerena,hisaory Izy fa mbola nomeny andro vaovao indray.Ary isao ny zavatra nomeny anao fa tsy izay tsy eo am-pelan-tanana :D
Raha mahatsiaro irery hianao,Izy eo akaiky foana.Zarao ny namana ny fahoriana fa aza tazomina irery,Ny entan-jaraina mora zaka. :-*

Misy antony daholo ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika ary mahatonga antsika hitraka fa tsy hitanondrika.Manome hery izay tsy ampoizina ilay izy rehefa miady,mitolona fa tsy kivy,mila manana saina matanjaka fotsiny ary mila namana hifampizarana izany.
niryna:

Dia mirary antsika rehetra ho tratry ny taona ary faly aho miarahaba ireo namana rehetra ato amin'ny serasera nifampizara ny manta sy ny masaka tamin'ny namana rehetra,enga anie hitohy hiatsara hatrany izany,ary raiso ho fitiavana daholo izay fifampiresahana sy fifampizarana eto.
:-*:-*:-*:D:D

(l) niryna
novalian'i xxx ny 04/01/2008 18:53
2. ikaretsaka ( 31/12/2007 17:21)
indro kelin'ikaretsaka
afaka velabelarina ve le ho'zy ianoa hoe "mitodika ny 2008":roll:
3. niryna ( 03/01/2008 17:28)
ikaretsaka:

indro kelin'ikaretsaka
afaka velabelarina ve le ho'zy ianoa hoe "mitodika ny 2008":roll:


hiatrika ny taona vaovao ,efa lasa niamboho ny taona 2007 ary izay ratsy tamin'iny taona iny dia kapakapao fa manimba ny tany,izay eritreiritra tsara sy ahitana tombo-tsoa ny mpiara-belona ,ny tena,ny namana ary ny manodidina no ezahina zaraina.Miatrika fianam-baovao. e vaovao ny taona,vaovao hiatsara ny toe-tsaina,vaovao ny toetra,hiatrika fahasaharianana kanefa izany tsy ahanova ny toe-tsaina tsy hatanjaka na ho ketraka velively.
Miandrandra ny zavatra tsara hatrany ary mandray zavatra amin'ny lafiny tsara sy positif.:-*
4. ikaretsaka ( 04/01/2008 03:16)
ka miatrika izany fa tsy mitodika ry niryna an.. aiza ary izany teny gasinareo izany
5. xxx ( 04/01/2008 18:53)
:D
niryna:

ikaretsaka:

indro kelin'ikaretsaka
afaka velabelarina ve le ho'zy ianoa hoe "mitodika ny 2008":roll:


hiatrika ny taona vaovao ,efa lasa niamboho ny taona 2007 ary izay ratsy tamin'iny taona iny dia kapakapao fa manimba ny tany,izay eritreiritra tsara sy ahitana tombo-tsoa ny mpiara-belona ,ny tena,ny namana ary ny manodidina no ezahina zaraina.Miatrika fianam-baovao. e vaovao ny taona,vaovao hiatsara ny toe-tsaina,vaovao ny toetra,hiatrika fahasaharianana kanefa izany tsy ahanova ny toe-tsaina tsy hatanjaka na ho ketraka velively.
Miandrandra ny zavatra tsara hatrany ary mandray zavatra amin'ny lafiny tsara sy positif.:-*


:D=D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2766