Hahay handinika ny hoaviny anie ny vahoaka Malagasy.

1. Jeankely ( 27/12/2007 05:25)
Ny olona tsy mahay mandinika dia avezivezin'ny mpanao Politika maloto izay hita taratra fanaon'ny milaza mpanao politika mahay Malagasy tranainy sy ireo forongony mbola miseo manivaiva vahoaka. Enga anie ka ny taona vaovao hampihiratra hantrany ny sain'ny olona rehetra ahaizany mandinika ny ho avin'ny firenena. Tsy misy azo mora raha tsy mihezaka ary ny ezakao no mampivoatra anao fa tsy ny fitanisana ny vitan'ny hafa fotsiny akory. Mila miady ary ny taraina tsy mitondra mankaiza. Mirary soa ny namana tia Malagasy sy ny Fireneny rehetra.
novalian'i Jeankely ny 29/12/2007 07:54
2. rahiratra ( 28/12/2007 06:33)
Ho andreo dia natao hanaraka izay taritina fotsiny ny olona fa tsy hisaina na hihevitra izay mahasoa ny tenany sy ny fireneny. Rehefa tsy misolelaka dia milaza mpanohhitra nefa miandry haintsapazana sy hisolelahana manaraka indray. I Tezitra sy Bazylou resahinao matetika ary be resaka eto no voalohany amin'izany. Zarany ho donto hanaraka fotsiny ny vahoaka. Hahirato tokoa ny maso raha tia hiova. Efa 2008 izao no ho avy tsy ho ela ka aza varimbariana.
3. Jeankely ( 29/12/2007 07:54)
Taona vaovao no andrasana noho izany fisainana vaovao fa tsy ny revin'ny mpanao Politika nanimba ny tanana no mbola terena sy haletra hanimba saina eto. HIalao lavitra raha vao mitarika any andavaka na iza na iza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0373