TSY MITOMBINA NY FIAPANGANA AN'I IALY RAKOTONIAINA

1. tontavao ( 18/12/2007 08:26)
Amin'ny maha-malagasy ra iombonana iray ihany dia mampahery an-dRamatoa Ialy amin'izao nahavotsotra azy tamin'ny mafy indrindra izao.
Tsy nitombina ny fiapangana, noho izany ve tsy ireo niapanga indray no tokony hanaovana famotorana akaiky?
Tsongoy fon-tena tsongoy fon'olona fa tena mafy ka mafy iny.
novalian'i Jeankely ny 03/01/2008 13:48
2. ronaldo09 ( 18/12/2007 11:39)
Miarahaba azy koa ny tenanay!
3. Jeankely ( 18/12/2007 14:11)
Izay fomba fiasa izay aloha dia tena mahagaga @'ny fitsarana na tsy haiko ny fitondrana. Lazaina fa mpanao risoriso na nangalatra volam-panjakana ny sasany samborina avy eo lazaina fa afaka madiodio. Ny sasany indray io hita fa madiodio io. Izaho koa mba miombonkevitra @'ny mpanome loha-hevitra satria samborina izany dia avy avotsotra. Tokony hofotorana tokoa ny mpisambotra sy ny mpitana. Hitohy hatraiza izany fisamborana sy famotsorana izany?
4. DotMG ( 19/12/2007 05:35)
Ilay nanodinkodim-bola tao amin'ny banky tao Manakara indray dia alefa mitsoaka aloha ary avy eo tsy enjehina.
5. niainalynx ( 19/12/2007 10:43)
Akaiky fety ndray dia mba miseho milay ry zalahy e ! Te hahazo dera sy laza ndray aloha . Ah ! AH ! AH!
6. Jeankely ( 03/01/2008 13:48)
Fa tokony havoaka ve sa tokony hidina sa miseo milay e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1266