ndao jerena ary

1. fijo ( 14/12/2007 21:04)
tsy hamerina ny vita isika fa dia ekena izany fa i andry no lanim bahoaka tao tana.
fa inona no azo lazaina kosa ambadik'izay?

-ny vahoaka.

naneho miharihary izao ny vahoaka fa tsy azo atao ankilabao intsony amin'izay resaka momba ny tananany.
naneho mazava koa izy izao,fa hafaka manasazy izay be resaka fotsiny.
ary tsy azo lavina intsony izoa,fa malalaka ny vahoaka haneo ny heviny.

-ny mpitondra

lesona be hoan'ny mpitondra izao,fa tsy mety intsony ,ity resaka alatsa fotsiny avy any ambony ity.
lesona ihany koa,fa tsy matory ny vahoaka fa manaraka izay ataon'ny mpanao politika ary miandry azy amin'ny asany.

eo anoloan'ny safidy sarotra izao ny mpitondra.
hiara hiasa ve sa hitady oditr'akondro hoatsipy ?

raha tsy hiara iasa aminy,midika izany fa manao tsinotsinona ny vahoaka.
raha hiara iasa,lery indray izany no hiravaka ny zavabita rehetra.

-ny mpanohitra

mazava izao,fa tsy mamely ny mpanohitra matoa ny olona hafaka nifidy olona tsy tim.
lesona hoan'ny mpanohitra izao,fa tsy grevy lava akory no ahazona io toerana mamy be io.
ary mazava koa,fa hafaka ahazo ny fon'ny vahoaka ny mpanohitra ,raha mahay mandresy lahatra azy.

koa mino isika,fa hiova ny fomba fitondra ny politika ao mada manomboka izao.mety ahazo sehatra amin'izay ny olona manana hevitra rehetyra,ary manantena isika ,fa mba vita hatreo ny grevy lava hitadiavana toerana.
novalian'i pitchou ny 21/12/2007 18:25
2. pitchou ( 16/12/2007 06:07)
njaso kely klou razoky a:

- ny vahoaka
tsy malalaka teo ny vahoaka aneho ny heviny, satria nahoana no nosakatsakanana ny fampielezan-kevitra? noho izany aleo mba atao hoe: tsy manaiky ny didin'ny be sandry ny vahoaka

- ny mpitondra
hiara-hiasa ve sa hanipy hodit'akondro! :-w:-w:-w ety ivelany izy mody miteny hoe tsy mandĂ  ny fiaraha-miasa saingy hoditr'akondro b d b no hafafiny! alaivo sary an-tsaina ny nahazo an'i toamasina t@ andron'i roland ratsiraka!
sady zao ny fitondrana lasa tia b an'i toamasina!

rah hiara-hiasa d lery zany no hiravaka ny zava-bita!:evil::evil::evil: euh! tafiditra ao antin'ny zava-bita v ny trosan'ny kaominina?

- ny mpanohitra
no comment! taranja tsy manan-kevitra aroso fa lany bala
3. ari.malala ( 18/12/2007 10:40)
ka tia b an'i Toamasina ny mpitondra satria fantatra sy hay fa Toamasina no voalohany hanaradia an'i Tana raha vao misy hetsika kely fts d ts maints tambatambazana alou Toamasina ko! politika daolo zany e...
4. pitchou ( 19/12/2007 19:56)
pĂ´lifika b ve?
5. fijo ( 19/12/2007 21:31)
malalaka kosa iny fifidianana iny ,raha mihoatra ny fahita e.

ny fiaraha miasa aloha eto,dia tsimaintsy e.aza hadino,fa efa nanda tamin'ny fifidianana izay ny vahoaka,ka aza handrasana hanesotra amin'ny hery vao hisaina.

tena politika be mihintsy io ka.
6. pitchou ( 21/12/2007 18:25)
ntssss! raha toa ka fanitrihana mialoha bileta na kandida iray ao anaty valopy izay ho raisin'ny olona no atao hoe fifidianana malalaka d ie! nalalaka izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1432