RAISE YOUR VOICE = RAISE YOUR MONEY

1. niainalynx ( 04/12/2007 10:40)
Ny alika marina hoy ny ntaolo jamban'ny taolana fa ny MBS jamban'ny vola amin'ity Raise your voice ty e ! Toy izao ny sandan'ny sms nataon'ireo tafakatra soa amantsara : 15 378 000 fmg ny an'ny goupe mpamafy 14 642 000 ny an'ny KT Ambatovinaky,13 600 000 ny an'ny KTKT, 10 220 000 ny an'ny Anosivavaka ,8 972 000 ny an'ny APC Tangaina, 8 690 000 ny an'ny SLKAF, 6 226 000 ny an'ny RFF ary 6 126 000 ny an'ny Meva Gospel . Nisy koa ny nandany vola be tam sms fa tsy tafita :9 552 000 Feon'i Betela, 9 412 000 Antsan'i Ziona, 8 946 000 Fara Riana, 8 580 000 Andriamazoto, 8 412 000 ny an'ny Mahamasina.
Hita ho tsy ampy fahamatorana be ny MBS amin'ny fikarakarana seho goavana toy ireny : nanomboka tamin'ny Mahaleo zandriny, nandalo Kitram-pokotany dia izao raise your voice izao . Na ny MBS aza dia tsy nanaraka ny fepetra napetrany tamin'ny tokony hanaovana atsapaka ny antoko mpihira izay hihira fa tonga dia nalatsaka fotsiny hoe ireto no manao Alarobia sns hany ka hita taratra tao fa ny antoko mpihira izay tian-dry zareo dia ny asabotsy vao nanao satria mbola nomena fotoana kely hanomanana tsara 'lay hiran'Drado hoe GAGA. Mahamenatra e !!!
novalian'i ivoire ny 03/12/2008 06:07
2. pkm ( 04/12/2007 13:10)

Lasa raise your sosy zany ? javascript:emoticon(':lol:')
Laughing
3. pissoa ( 04/12/2007 15:32)
:-D:-D:-D
4. spicyrasoa ( 04/12/2007 16:59)
Ny olona toa anao izao ilay tena manala baraka ny gasy amin'izato fomba fisainanao. Soa ihany fa tsy ohatra anao daholo ny malagasy rehetra fa misy olona tsy "très portés sur la question d'argent" fa mandray ny zavatra am-pahatsorana. Ka ny irariako ho anao dia ny mba tsy "hanaintaina" intsony na ohatrinona na ohatrinona no vola lanin'ny olona tamin'ny sms (sady tsy an-tery ny fandefasana sms fa safidy malalaka tompoko, aoka hazava ny resaka !). Izay koa ilay lalao e ! Fa aza aratsiana kosa ny MBS izay miezaka mitaiza ny olona sy manome lanja ny chorales izay tsy mba nisy nijery hatreto.
Farany, fifaninana io, tsy maintsy misy ny resy sy ny maharesy ka aoka mba tsy ho "mauvais perdant" isika...:wink:
5. spicyrasoa ( 04/12/2007 17:17)
Mbola saika adinoko e ! Ny ataonao izao no antsoina hoe asa fanakorontanana satria tsy mba miezaka ny manao zavatra fa maka aretina amin'ny fanakianana fotsiny. izaho mino fa olona tsy mahavita asa ianao ary mety ho nindram-bola ihany koa izao handefasana ity resaka ity. Aza lany andro manjeny amin'ny zavatra tsy mamokatra ry se a !
Mbanahatsangan-javatra ve ianao io teo io teo amin'ny sehatry ny fiarahamonina satria raha resaka fiangonana aloha ianao azo antoka fa tsy ho anisany mihitsy raha izao toe-tsainao izao e !
Aza hitako ka tsy hanam-bola hamaliana ahy intsony !
6. niainalynx ( 05/12/2007 06:40)
Ianao zany le anisan'ny mpilalao vola tamin'io raha azoko tsara ! Mazotoa ary mividy ny fanjakan'ny lanitra e ! Ny fitoriana ny filazantsara tompoko dia tsynatao hitadiavam-bola ! Raha natao am-pahatsorana ny raise your voice dia tsy nasiana sms mitsy ! Afaka nandray anjara vola be tamin'izay antoko mpihira tiako aho raha zay no tianao fantatra saingy tsy mividy ny fiderana an'Andriamanitra aho ! Tsy fitaizana no ataon'ny MBS fa fitadiavam-bola tsotra be izao ! Ny chorales koa dia tsy ny MBS no manome lanja azy fa efa nanana ny lanjany foana ny Chorale ! Dia ianao zany mihevitra fa tsisy lanjany ny chorale talohan'ny raise your voice ?! Io ary vao maika nanalabaraka ny chorale satria tafiditra tao anatin'ny velapandriky ny vola daholo eny fa na dia ny fiangonana aza ka takona ny voninahitr'Andriamanitra! Manana andraikitra ambony eto amin'ny tany sy ny firenena aho raha izay no tianao ho fantatra ! Naninona ary no notambatambazan'ny directeur 'ny televiziona MBS ireo chorale valo sisa tavela izay efa nandray fepetra fa tsy hanohy intsony ny raise your voice? Satria afa-baraka ny MBS raha tapitra tsy nisy nety nanao teo intsony ireo tafakatra!!!! Mba manaraha vaovao tsara fa zany no zavanitranga tany e !!!! Farany : enga anie ka ny chorale tohanao no hahazo ny voalohany amin'io raise your voice io .
7. xxx ( 05/12/2007 09:56)
hoy i dadanay hoe tsy misy kapiteny sy lieutenant @ fanaovana asa fanompoana an'Andriamanitra, .... hihih anao ny safidy e!
8. lapino ( 05/12/2007 21:44)
niainalynx:
Ny alika marina hoy ny ntaolo jamban'ny taolana fa ny MBS jamban'ny vola amin'ity Raise your voice ty e ! Toy izao ny sandan'ny sms nataon'ireo tafakatra soa amantsara : 15 378 000 fmg ny an'ny goupe mpamafy 14 642 000 ny an'ny KT Ambatovinaky,13 600 000 ny an'ny KTKT, 10 220 000 ny an'ny Anosivavaka ,8 972 000 ny an'ny APC Tangaina, 8 690 000 ny an'ny SLKAF, 6 226 000 ny an'ny RFF ary 6 126 000 ny an'ny Meva Gospel . Nisy koa ny nandany vola be tam sms fa tsy tafita :9 552 000 Feon'i Betela, 9 412 000 Antsan'i Ziona, 8 946 000 Fara Riana, 8 580 000 Andriamazoto, 8 412 000 ny an'ny Mahamasina.
i niainalynx anefa no jamban'ny vola hitako eto ... Sa ? :wink:

niainalynx:
Raha natao am-pahatsorana ny raise your voice dia tsy nasiana sms mitsy !
dia tsy natao fifaninanana mihitsy !
Ilay "fifaninanana" mihitsy no mitarika an'ilay olana araka vola sy voninahitra (sns :-P), araka ny fitsaran'olombelona koa :wink:
9. jonas ( 06/12/2007 07:17)
niainalynx:
matoa enao nahazo ny antsipirihany t@reo cout-ny sms reo de anisan'ireo mpandray anjara "mauvais perdant" zany enao, tsy nahatoky ny resultat de navelan'ny mpikarakara hijery ny details;
tsy maninona zany fa zao no tiko hatongavana:
Vao nanomboka ny inscription d'efa nazava ny fepetra fa hisy ny sms voting refa any @3è phase, koa maninona raha tsy nandray anjara nareo raha tsy tinareo ny condition???????? fa refa tsy tafakatra ve nareo dia hitsikera ze vola miditra any @ MBS ?????? ka maninn koa moa izy raha mahazo vola e??

Hoy ianao:
"Naninona ary no notambatambazan'ny directeur 'ny televiziona MBS ireo chorale valo sisa tavela izay efa nandray fepetra fa tsy hanohy intsony ny raise your voice? Satria afa-baraka ny MBS raha tapitra tsy nisy nety nanao teo intsony ireo tafakatra!!!! Mba manaraha vaovao tsara fa zany no zavanitranga tany e !!!!"
de GAGA ndray za oe tena tany marina ve enao sa minia manova ny tena zava-nitranga????
Rangahy ANAKIRAY nilaza fa avy ao @ KT Ambatovinaky no niteny hoe "na tafakatra aza zahay de tsy handray anjara tsony" ka nahatonga ny DG-nymbs hiteny hoe "Deçu za raha olona heverina ho RR mpitaiza no mamoaka vava toy ireny"
Vao tapitra ny fivoriana dia nanatona nanao fialan-tsiny t@ny mpikarakara ny chef de coeur- ny KT Ambatovinaky , mbola manohy ny concours soamantsara ry zareo @zao!
Farany: Hoy i Ndrina Ramamonjy zay hoe: "Noho ny @ TOMPO", avelao zahay hanohy ny fifaninanana fa refa tsy tafakatra nareo dia mitazana fotsiny, na afaka tsy mijery intsony tokoa!

10. niainalynx ( 07/12/2007 10:57)
Merci am jonas e ! Dia bonne chance nareo e ! Ataovy tsara ny hira e ! Tsy ny KT ambatovinaky irery no saika tsy hanohy intsony fa nisy antoko mpihira dimy teo nilaza izany ! Veloma o !
11. papala ( 07/12/2007 12:28)
niainalynx : raha mba mahavita ohatr'ireny mba manaova koa fa aza de manao fotompisainana lany andro be ? manaratsy zavatr'olona be zao foana . ohatr'ireny marary saina be reny ? rehefa tsy mahatanty ny volan'olona lany @ sms de aza mijery sy mihaino fa maharikoriko !:evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil:
12. mamyrobinson ( 12/12/2007 12:03)
NA METY IANAO MIHINTSY NO TSY MAHAY MIHIRA E DE TSY LANIN'NY TOMPO HIAKATRA ANY AMIN'NY DINGANA MANARAKA
NA METY ANISAN NY NANATENA FA TSARATSARA TAREHY KA HO FIDIN NY MPITSARA KINANJO VOANDRO
13. niainalynx ( 13/12/2007 10:49)
papala:

niainalynx : raha mba mahavita ohatr'ireny mba manaova koa fa aza de manao fotompisainana lany andro be ? manaratsy zavatr'olona be zao foana . ohatr'ireny marary saina be reny ? rehefa tsy mahatanty ny volan'olona lany @ sms de aza mijery sy mihaino fa maharikoriko !:evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil:

papala : ho avy tsy ho ela ny hetsika goavana be momba ny hira fiderana ary sady tsy misy sms ,tsy misy fidirana na rajitra fa hira fiderana rano fotsiny no ao

14. supersambatra ( 10/01/2008 13:32)
za lou de mteny fotsn oe felicitation oan lé anjomara e,mlay be nareo fa le tsmaay s resy iany zao reo mapme b reo, sad tsfitedavambola zany io e, fifaninanana io de zé resy miala e de zay fotsn okay
15. beloha33 ( 11/04/2008 05:19)
Raha tsy resy lahatra ny sasany am ANJOMARA d manaraha ny dianay. MAnao Tour de MADA zay ary isaky ny Antsam-panahy ataonay dia asehonay fa tsy nandany vola izay nifidy anay ary mahavita azy izahay.
Ny secret anay rehefa manao zavatra zay d mandaha tanteraka ny tenanay sy ny harenay. Izahay raha asaina tsy misy tambiny zany mitsy na ny deplacement ary mbola izahay ka asakasakizay mbola miteny hoe vola.
nomena talenta zay d ampitombonay izany ary ny anareo manakory...
fifaninana masina io fa tsy hoe vola na hoe harena...
16. finix ( 21/08/2008 12:06)
Io nge Andriamanitra iany no mitsara anio fa adalanareo zay manakiana e!fa za kosa aloa mahita ireo zay miseho ho azy ho kristianina no tena misy toetra e!tokony tsy hivavaka tsony refa manao toetra tsy mazaka resy zany fa mampalaelo be!fa mba iza ary le lazainao tokony ho sortant vainqueur raha ny hevitrao e!
17. ivoire ( 03/12/2008 06:07)
1. za mba manana ho lazaina kely momba ny antoko mpihira anjomara anosivavaka: ny zavatra nataony de tsara ary manakaiky ny atao hoe "tonga lafatra". rà nanaraka akaiky ny fifanitsanana ny tenako de nahita lesoka iany satria betsaka no toetra miboriaka kely teny antsefatsefany teny!! tsy hotantaraina! maninn isika kristiana no lasa mifanenjika, lany andro mifampitsikera! lasa mifakahala satria nisy resy de nisy nandresy!!!
Ita taratra t@reny fifanintsanana reny fa misy ny atao hoe "conflit d'interet", nefa ra mifaninana ve isika kristiana tsy tokony ampiseho fahamatorana? zany we ny tena tina hasongadina? inona ary no tena titsika asongadina: we tsika mahay mihira ve sa tsika kristiana?

2. Ny A.M.A rà nandresy t@iny RYV iny,tsy midika akory zany we nareo no tena "grand" fa tsarovy fa ny asa atao tsy azo ieboebona na isehosehoana ka sao de variana ianareo!! diniho ny tenanareo (ny antokonareo: ny ao anatiny mihitsy io lazaiko io) ny mpikambana tsirairay, ny fitazaina sy ny fivavahana!! mahatsiaro velona ampanahy ve nareo! le fiombonana ve mbola voatazona!!


novalian'i beloha33 ny 18/08/2010 11:58
18. beloha33 ( 18/08/2010 11:58)

ivoire:

1. za mba manana ho lazaina kely momba ny antoko mpihira anjomara anosivavaka: ny zavatra nataony de tsara ary manakaiky ny atao hoe "tonga lafatra". r� nanaraka akaiky ny fifanitsanana ny tenako de nahita lesoka iany satria betsaka no toetra miboriaka kely teny antsefatsefany teny!! tsy hotantaraina! maninn isika kristiana no lasa mifanenjika, lany andro mifampitsikera! lasa mifakahala satria nisy resy de nisy nandresy!!!
Ita taratra t@reny fifanintsanana reny fa misy ny atao hoe "conflit d'interet", nefa ra mifaninana ve isika kristiana tsy tokony ampiseho fahamatorana? zany we ny tena tina hasongadina? inona ary no tena titsika asongadina: we tsika mahay mihira ve sa tsika kristiana?

2. Ny A.M.A r� nandresy t@iny RYV iny,tsy midika akory zany we nareo no tena "grand" fa tsarovy fa ny asa atao tsy azo ieboebona na isehosehoana ka sao de variana ianareo!! diniho ny tenanareo (ny antokonareo: ny ao anatiny mihitsy io lazaiko io) ny mpikambana tsirairay, ny fitazaina sy ny fivavahana!! mahatsiaro velona ampanahy ve nareo! le fiombonana ve mbola voatazona!!





Marina izany, misaotra betsaka.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1237