NY ZANAKA SY NY RAY AMAN-DRENY

1. tsiambaratelo ( 02/12/2007 13:48)
Ianareo zanaka,mpanaraka ny Tompo ianareo ka
maneke ny ray aman-dreninareo,fa rariny izany.
" hajao ny ray sy ny reninao";izany no didy voalohany miampy fampanantenana,dia ny hoe:"mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin'ny tany ianao.
Ary ianareo,ray aman-dreny,aza manao izay hampatezitra ny zanakareo.Fa tezao amin'ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

Maro anefa ireo ray aman-dreny mahafoy zanaka,zanaka mahafoy ray aman-dreny.mba azonareo
omena eto ve ny antony mahatonga izany???(l)(l)(l)
novalian'i endrika01 ny 03/02/2008 13:13
2. niryna ( 02/12/2007 14:14)
tsiambaratelo:

Ianareo zanaka,mpanaraka ny Tompo ianareo ka
maneke ny ray aman-dreninareo,fa rariny izany.
" hajao ny ray sy ny reninao";izany no didy voalohany miampy fampanantenana,dia ny hoe:"mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin'ny tany ianao.
Ary ianareo,ray aman-dreny,aza manao izay hampatezitra ny zanakareo.Fa tezao amin'ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

Maro anefa ireo ray aman-dreny mahafoy zanaka,zanaka mahafoy ray aman-dreny.mba azonareo
omena eto ve ny antony mahatonga izany???(l)(l)(l)

Ny antony aloha dia miankina ny safidy nomena ny tsirairay foana io.
Ny zanaka dia tsy maintsy manaja ny ray aman-dreny satria izy ireo no nahitany masoandro.Ataony ahoana no hino an'ATra izay tsy hitan'ny masony kanefa ny rar loharanon'ny fiainany tety an-tany aza tsy ho tiany sy tsy hajainy( I koritiana manambara izany ho an'ny rehetra izay tsy manana fitiavana na iza izany na izay) Kristy no loharanon'ny fitiavana ary ny fitiavana no zava-dehibe indrindra (vakio ny IKor 13)
Zava-dehibe eo amin'ny fiainantsika ny tso-dranon-dray aman-dreny ary raha manana alahelo antsika izy ireo ka mitaraina amin'ny Tompo na hitan'ny Tompo izany dia hiteraka faha-tsi-vanonana amin'ny fiainantsika(lasa mitsipozipozy,tsy ampy fitiavana,tsy faly lava,feno hatezerana,maloto fo sns ....),na tsy nanozona aza ny ray aman-dreny dia fantatrao fa misy zavatra mibahana izay tsy mba ahitanao fifaliana ao anatinao ao.
Raha zanaka tsy tia rar miteraha mba ahita :roll:
Ny Rar koa dia tsy tonga tety an-tany aho raha tsy ny sitraponareo ,kanefa a ,avelanareo hitoreo o^oo^o,toy ny kodiaran-tsarety ny fiainana ,izay ataonao amin'ny zanakao no mivaly aminao amin'ny ora farany raha tsy mangataka famelana amin'ny Tompo hianao,vain'afo eo an-tampon'ny lohanao ny alahelon'ireo izay nampijaliana ,tsy mba nahita izany tambitamby,tsy mba teo nanohana rehefa nisy olana amin'ny fiainana,tsy mba nanoro ny lalana tokony ho zorana,rar nandositra adidy, miandry anao daholo izany rehetra izany ary amin'ny andro ahatsiarovanao tena sy nenina dia efa lasa ny zanakao ary tsy hiraharaha anao intsony izy,miha-mangatsiaka ny fony satria tsy mba nahita fitiavana ,tsy mba nanana olona hianteherana,tsy misy nantsointsoina hoe dada,neny, rehefa tonga ny fotoana dia tsy hijery anao izy,tonga ny fahanterana,lany ny mamy ,marary fa efa mandroso fahalebiazana,lany ny fitiavana,leo ny vadikely,atsipiny miala teo amin'izay hianao fa tsy misy tombotsoa ho azy intsony.Aiza no hiantefana? Any amin'ny vady sy ny zanaka ihany,tsy niraharaha azy hianao,tsy nandray andraikitra fa lasa nanao izay niadanin'ny kibonao,nandositra adidy,namela ilay vadin'ny hatanorana,nanitsakitsaka,namono vady? maro tsy voatanisa.Mivaly daholo izany amin'ny andro iray ary amin'io andro hitadiavanao azy io no hitanao ny jiro lasan'ny saka.Hiamboha anao ny fony,tsy hijery anao izy, toy hianao tsy nijery azy.Hifona ve hianao? Mbola mangatsiaka aminao ny fony,matetika aza dia valifaty no mibahana ao an-tsainy voalohan,mamela ratra maharary azy hianao ka hisy fiantraikany amin'ny fiainany manontolo izany raha tsy mamela elokka izy na mivavaka anao mba ho voavonjy ny fanahinao.
Apetrao eo amin'ny toerana misy anao foana ny zavatra rehetra,izay fantatrao fa tsara dia ataovy ,izay fantatrao fa mandratra na tsy mahasoa olona dia adabohy sy aza atao :D
Vakio ny Ohabolana milaza ny fahendrena(wisdom) fa hanampy antsika tsy aby .8)
3. endrika01 ( 02/12/2007 14:26)
tsiambaratelo:

Ianareo zanaka,mpanaraka ny Tompo ianareo ka
maneke ny ray aman-dreninareo,fa rariny izany.
" hajao ny ray sy ny reninao";izany no didy voalohany miampy fampanantenana,dia ny hoe:"mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin'ny tany ianao.
Ary ianareo,ray aman-dreny,aza manao izay hampatezitra ny zanakareo.Fa tezao amin'ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

Maro anefa ireo ray aman-dreny mahafoy zanaka,zanaka mahafoy ray aman-dreny.mba azonareo
omena eto ve ny antony mahatonga izany???(l)(l)(l)
Ny zanaka ngalou no itako manadino ray aman-dreny eee,rehefa tafita dia tsy hitany intsony ireo nahitany ny volana sy ny masoandro,satria mihevitra izy ireny fa lehibe fotsiny teny,ary tena mahita aho fa na mpivavaka be aza dia manao tsy misy azy ireny.

4. pissoa ( 02/12/2007 15:50)
tsiambaratelo:

Ianareo zanaka,mpanaraka ny Tompo ianareo ka
maneke ny ray aman-dreninareo,fa rariny izany.
" hajao ny ray sy ny reninao";izany no didy voalohany miampy fampanantenana,dia ny hoe:"mba hahita soa sy ho ela velona eto ambonin'ny tany ianao.
Ary ianareo,ray aman-dreny,aza manao izay hampatezitra ny zanakareo.Fa tezao amin'ny fanabeazana sy fifehezana araka ny Tompo izy.

Maro anefa ireo ray aman-dreny mahafoy zanaka,zanaka mahafoy ray aman-dreny.mba azonareo
omena eto ve ny antony mahatonga izany???(l)(l)(l)

Betsaka ny antony, misy antony tsara, misy antony ratsy. Misy izao ray aman-dreny mahafoy zanaka, na zanaka mahafoy ray aman-dreny, noho ny asan'Andriamanitra.
"Nafoiny tanteraka anefa ireny ... hanao mopera no faniriany ! " :-D:-D:-D

Ny antony ratsy indray, mety nisy fifandirana tao matoa izay no mitranga. Ny hita matetika izao dia resa-pitiavana sy fanambadiana no isan'ny mampifanditra ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Ny ray aman-dreny no voalaza matetika ho fototry ny olana eo ; saingy (efa nolazaiko tany ho any ihany) rehefa mandeha tsara ny fifandraisana dia mbola vao mahalala sipa ny ankizy dia efa fantany ny mety ho tohin'ny tantara rehetra ka heveriko fa izy no tena nahafoy ny ray aman-dreniny.

Misy sehatra hafa koa nefa hivelaran'io fahafoizana io, tsy misy fifandirana : fitadiavam-bola. Tsy antony hahafahan'ny ray aman-dreny mivaro-janaka mihitsy ny fahantrana, saingy hita any anaty gazety sy amin'ny aterineto any ihany fa misy ny mamela ny zanaka hivaro-tena na mivaro-janaka tsotra izao mihitsy noho ny vola.

Ireo no hitako hoe goavana amin'izao manoratra ... tsy haiko raha mbola misy :-D:-D:-D
5. ikaretsaka ( 02/12/2007 16:35)
namasteee:wink:
6. deric ( 03/12/2007 09:21)
Mety hitranga koa izao:
- Mihevitra ny tenany ho tsy refesimandidy ireo ray aman-dreny ka rehefa tsy araka ny heviny ny ataon-janany, dia tonga ny gidragidra mahatonga fisarahana.
- Mihevi-tena ho lehibe ka tsy mila famehezana intsony ny zaza, hany ka raha misy fananaran-dray aman-dreny dia heverina fa fangejana sy famoretana.
- Ny zaza tsy manetry tena, ny ray aman-dreny manao "kely tsy mba mamindro"; rehefa ireo anefa no mitranga no toa mahatsiaro ny tsirairay fa mety kokoa ny mifandao. Dia izay iray mahafoy na ny zanaka na ny ray aman-dreny.
Mianaka kely ity:Mety te-handeha amin'ny fiankinana amin'Andriamanitra ny ankilany, nefa mbola te-handeha sy hiaina amin'ny maha jentilisa ny andaniny: saria tsy mitovy ny lalana sy ny atao dia tonga indray ny fahafoizana; mety roahina ny zanaka, nefa mety mandao koa satria tsy mahatanty e!
7. Mandefitra ( 03/12/2007 09:56)
Zao anefa no tokony ho ao antsain'ny zanaka.
1/Ny didy hoe manaja ny RAR no anisan'ny didy mitondra fitahiana ao@ didy 10 : "ho lava andro ianao ary ahita fitahiana ety amboni'ny tany"
2/Misy teny ao @ Baiboly manao hoe raha ny rainao ety antany aza tsy tianao, atao ahoana ny fitia ny Ray any an-danitra tsy hita maso ...

8. fijo ( 04/12/2007 23:47)
le afohy ve eto aratoerana sa ao an tsaina???
9. ikaretsaka ( 05/12/2007 00:10)
Ny didy hoe manaja ny RAR no anisan'ny didy mitondra fitahiana ao@ didy 10 : "ho lava andro ianao ary ahita fitahiana ety amboni'ny tany"

zay no anajana ny ray amandreny sy ny hierarchy..
andriamanitra- papa-kardinaly-eveka-mompera -ry masera sy frera-katesista-ray aman-dreny sns...
1)manaja ny didy 10
2) dia lava andro iainana tokoa izay nanao izany an.. 2000 taona mahery teny foana

mahavariana o? nefa marina!
10. fijo ( 05/12/2007 00:38)
ny finoany no lava andro fa izy toa 33 taona di avoaheloka ko
11. endrika01 ( 05/12/2007 14:43)
Za zao mahita,lay rangahy malotoloto mampalahelo,nefa ny zanany lahy dongadonga mitafy
tsara izaitsizy,tafita lery de tsy te hahalala an-drabainina,satria tongom-bakivaky sy lamba rovitra zao
ve rabainina de hoetinareo eo amasom-badiko aaaaaaa,sa nareo ve tena mba nivoaka taiza eee,ary aza ipetrapetrahana ihany koa ny canape-nay sao de masiso ka ho hafahafa ny vadik,ôdray,ty vava,iza no ambony ny ray -nao sa ra-zazavavy????tena mampalahelo rey olona,tena mba nahay nisafidy koa i tsiambaratelo nifidy io soratra masina io.
@zao fotoana izao le zalahy io hitsakitsahin-drazazavavy nomeny voninahitra,asa inona re no iafarany tantarany eee,tsy de hidirako firy eee,any hafa zany.Zaho ihany koa nefa indraindray tena mbô mitady ho kivy @ le rar tsy mety atoro eeee.:-w:-w:-w:-w:-w
12. ikaretsaka ( 05/12/2007 17:18)
dia htany ny hanjo azy na ho ela na ho aingana e metsy tsy dongadonga intsony izy @ izay
13. fijo ( 05/12/2007 21:37)
sarotra be le hitsara amin'ity resaka ity,satria hoy ny ohatra nomeni gazety lakroa izay,fony hanongana andratsiraka hoe "azo lavina ny ray amandreny raha be ziriziry"
14. endrika01 ( 08/12/2007 18:55)
fijo:
sarotra be le hitsara amin\'ity resaka ity,satria hoy ny ohatra nomeni gazety lakroa izay,fony hanongana andratsiraka hoe \"azo lavina ny ray amandreny raha be ziriziry\"
iieeeh,za nglou efa namalivaly be ny rar-ko eee,ka ry zareo niziriziry arakan\'i voalaza etsy ambony.Fa napalahelo ahy ndray ry zareo,de lasa za nitomany niafina tao ambodirindrina tao de avy eo nisasa tarehy haingana sao de nisy nahita.
15. endrika01 ( 08/12/2007 19:02)

16. prime ( 18/12/2007 10:02)
Fanamarihana : tsy io no didy voalohany fa izay voasoratra toy izao amin'ny anaran'i Kristy :
"Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany." Eksodosy 20:3

tsiambaratelo> sarotra tokoa ny hamisavisa ireo antony maro mahatonga ny fifandraisan'ny zanaka sy ray aman-dreny handika io didy iray io... raha ny fahitako azy dia antony roa aloha :
a. ny voalohany dia ny fisarahana amin'Andriamanitra... rehefa tafasaraka amin'Andriamanitra ny olona dia na ny zavatra faran'izay tsotra indrindra aza eo amin'ny fiarahamonina sy ny fifandraisana ary ny serasera dia sarotra dia sarotra ny hankato sy hanaja azy...
b. ny faharoa dia ny tendrompo tsy mba namana, fa na ny mpino aza rehefa lavon'ny fahatezerana dia mety ho voafatotry ny ota hanimbazimba sy tsy hanaja ray aman-dreny na hampamoifo zanaka amin'ny teny maharary... ny hany tombon'ity farany fotsiny angaha dia ny fahafahana miverina ao amin'i Kristy ka hifamelàna araka ny asan'ny Fanahy Masina...
17. endrika01 ( 03/02/2008 13:13)
prime:

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0546