volo simba misy vahaolana

1. xxx ( 25/11/2007 13:40)
Manaona dôly!
raha misy probléme volo ianao toy ny hoe tapatapaka, miongotra be sy be angadrano dia manorata @ ty adresse ko ity fa misy produit mandatitra be!
n.miarina@yahoo.fr

novalian'i rialy18 ny 29/01/2018 08:03
2. niryna ( 26/11/2007 05:48)
Misaotra anao.Angaha tsy mba misy toro-hevitra mikasika ny volo azo tenenina eto? Raha ...
Mihongotra ? mba te-ho lava volo? tiana ho mainty?
Fanaovana bain d'huile?
:D
3. bichette ( 26/11/2007 14:41)
Inty misy fomba natioraly mahatsara volo tokoa.

Huile d'amande douce + huile d'olive afangaro atao mitovy ny fetra dia asiana kely huile de ricin.

Haosotra amin'ny volo sy ny hodi-doha, fonosina ao anaty serviette chaude humide, tehirizina, averina atsoboka anaty rano mafana ny serviette satria vetivety dia mangatsiaka. Avela hilona tsara ao dia sasana avy eo.

Ny ahy sasako amin'ny shampoing elseve avy eo dia asiako après shampoing elseve ihany - elseve mety tsara amin'ny volo gasy - fa garanti fa tena tsara ny volo, tsy tapatapaka :

huile d'amande douce : adoucissante, nourrissante et fortifiante

huile l'olive : nourisssante, adoucissante, embellis, bien pour les cheuveux secs et fragiles

huile de ricin : (na koa hoe huile de castor) : pour cheveux dévitalisés, fourchus et cassantes, fortifie et favorise la pousse.

Sady naturel ny produit fa tsy chimique. Any amin'ny pharmacie na parapharmacie no ahitana an'ireo. Ny huile d'olive moa ilay fanaovana sakafo io dia mety. Huile de ricin any amin'ny parapharmacie, marque natessance, sady naturelle no 100% vegetale.

azo atao koa ny manisy huile de bourrache kely: regenère.

Important ilay fonosina serviette humide chaude.
4. mignone ( 26/11/2007 17:05)
ary ny fofony manao aona ? sa ?
5. tynah ( 26/11/2007 18:16)
sasana ve le volo vao hosorana an'ireo sa tonga d hosorana d fonosina???
6. ikaretsaka ( 26/11/2007 18:23)
mignone:

ary ny fofony manao aona ? sa ?


somary hafahafa aloha ny fofony indrindra ilay castor oil, fa matin'ny shampoo sy ny after shampoo
7. niryna ( 27/11/2007 05:05)
tynah:

sasana ve le volo vao hosorana an'ireo sa tonga d hosorana d fonosina???


Hosorana ka,rehefa avy eo vao sasana.Izay no fahalalako azy sy fanaovako ny ahy koa.
8. bichette ( 27/11/2007 08:46)
Hosorana aloha, alohan'ny sasana, avela ela eo amin'ny loha ny menaka, alina iray manontolo azo atao fa vonosina ireny bonet plastique ireny. Ilay fonosina anaty serviette humide atao koa, iny mantsy mi decaler ny ecaille ny volo dia miditra tsara ny menaka.
Ny ahy rehefa ilay ao antrano iny dia hosorako, rehefa hanasa loha dia fonosiko serviette humide chaude amin'izay juste alohan'ny hanasana azy.

Ny huile d'olive fotsiny no mamofona fa ny huile de ricin, raha ilay fanaovako dia tsy misy fofona sady kely ny fatra ampiasaiko par rapport an'ilay huile d'olive sy huile d'amande douce.

Sasana ara-dalana amin'izay ny volo avy eo.

a vos cheveux les amis !
9. tianao ( 27/11/2007 10:35)
:-*
10. vahiny2004 ( 27/11/2007 15:48)
Misaotra an'i Bichette, fa angamba tsy ho efa ilay entina mandry fa mahasosotra @ ramose

huile d'olive koa no fanaoko , afangaroko @ ireny produit fanaovana bain ireny satria sec be ny voloko. Handramako io asiana huile d'amande sy ricin io. Ny ricin efa ela no reko ny lazany
11. bichette ( 27/11/2007 16:18)
nenà aloha dia ireo foana izao no ataoko isaky ny hanasa loha. Ela nitadiavana fanafany izay ela ny ela nahita ihany. Somary manahirana tokoa aloha ilay amin'ny alina manahirana :lol:
12. karinah ( 28/11/2007 00:33)
mignone:

ary ny fofony manao aona ? sa ?
mignone: malefaka ny fofona daholo ireo koh, afa-tsy ny huile de ricin angaha!:lol:


13. ari.malala ( 29/11/2007 12:25)
manahoana ny vidiny?
14. bichette ( 29/11/2007 13:41)
Tsy dia lafo ka !
15. hanta77 ( 30/11/2007 13:59)
Inona @ reo zavatra 3 ireo no tena nahery? fa nanaraka ny torohevitrao dia tena tsy haiko fa lasa be pellicules be za nefa tsy de panao an'izany aho, inona no azoko atao zao fa tena mangididy tsy laitra mintsy ny cuir chevelu? misaotra mialoha
16. Mitah ( 30/11/2007 15:55)
Mba azonareo lazaina ve ny anaran'ny "Huile d'amande douce" amin'ny teny anglisy? Misaotra mialoha.
17. bichette ( 03/12/2007 07:32)
hanta77 > sao dia manao allergie aminà amande njy
18. sarobidy ( 03/12/2007 12:46)
fangah tsy mba misy zavatra natoraly azo ampesaina fa tsy maintsy le eny pharmacie ve? Ohatra hoe sasana am ranona anadrano sns mampaninona?
19. rialy18 ( 29/01/2018 08:02)
Manao ahoana.Mba mila torohevitra azafady .Tsara sady malama ny voloko taloha dia rehefa notapahana foana dia lasa ohatran'ny ngita sy matevina be ary maina be.Inona no tokony ho ataoko?Misaotra indrindra =)
20. rialy18 ( 29/01/2018 08:03)
Manao ahoana.Mba mila torohevitra azafady .Tsara sady malama ny voloko taloha dia rehefa notapahana foana dia lasa ohatran'ny ngita sy matevina be ary maina be.Inona no tokony ho ataoko?Misaotra indrindra =)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3362