hakanosana ve?

1. Mandefitra ( 22/11/2007 07:10)
Miala tsiny @ nareo dr gasy aloha, fa tsy mety afa-po za @ ilay antsoina hoe secret médical.
1/Vo tsy ela,nitondra marary hotsaboina teto maorisy,nihena tsy ankijanona hono ny plaquette de sang,tsy voatsabo any dago, ka nentina taty.
Vo tonga teto, natao ny analyse,de nilaza ny dr fa cancer de sang le izy (leucémie) ary efa état grave. 2 andro no taty de maty ilay rangahy. Taty zany ny zanak'ilay rangahy vo nahafantatra hoe cancer ange ty.
2/Misy namana mitsabo tena any dago,navoakan'ny hopitaly ny marary fa tsisy fika ntsony.Ny dr tsy miteny hoe inn ny aretina,fa ny oll no kopy hoe cancer tsinay io,fa efa mivoraka be ny kibony, ny fianakavian'ny marary mieritreritra fa namosavin'ny olona le izy.

fanontaniana:
1/Maninona ny dr any amintsika no tsy milaza ny aretina, fa maninona refa mivoaka ao mada milaza ny dr? hakanosana ve? sa tsy mitovy ny deontologie?
2/tsy tsara ve ny hampahalalana ny aretina, mba hanamboaran'ny fianakaviana ny sainy, hahalalana zay tokony hatao, miampy fitazain-tsaina kely avy @ dr raha ilaina?

3/H@ zao ny malagasy, na aretina toy ny androbe aza lazaina fa nataon'olona ... tsy efa fotoana ve zao hanabeazana ny vahoaka ny @ aretina sy ny fitrangany?
2. sarobidy ( 22/11/2007 11:10)
ka mety mieritreritre le dokotera oe hanimba ny sainy le marary le hilazany aminy le aretina nefa tsy aiko kah :oops:
3. niryna ( 23/11/2007 05:53)
Mandefitra ny rehetra no misy manao an'io fa tsy ny ao dago ihany.Manoa mammogramme izao hianao na ny hafa dia mahita zavatra izy,asiany manao sonogramme indray ilay olona dia hita fa misy zavatra eo,na ilay marary aza mahita,Rehefa hanontaniana ireo mpikarakara dia milaza izy hoe tsy mahafantatra,tena mahafantatra tokoa izy fa tsy mahazo alalany hiteny fa hiandrasany ny dokoteranao no hiteny.
Mety matahotra ilay dokotera hilaza ny marina,misy fiantraikany amin'ilay marary mantsy ny maheno ilay vaovao ratsy ary misy tonga dia miteniteny sy manompa ilay doko mihitsy.:cry:
4. Mandefitra ( 23/11/2007 12:02)
Misy fiteny malagasy manao hoe:"ny ambanambany no tsy laitra fa rehefa midona tanty ihany".
Na ny marary na ny mpitsabo marary ange, na tsy ilazana ilay aretina aza, mahatsapa ihany hoe tsisy fika ntsony ty aretina ity e.
Mety hiteraka adin-tsaina hafa mantsy ny tsy fahafantarana ... toy io ohatra io hoe ny fianakaviana
mieritreritra fa mosavy, nefa cancer ...
Soso-kevitra moa ny atolotra, fa raha misy dokotera afaka mba manome ny heviny de isaorana azy betsaka







© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1339