kristianina tsy mazava

1. fijo ( 20/11/2007 23:38)
ianareo mpino kristianina rehetra,na kato na protes ato,dia milaza daholo fa ny jiosy no vahoaka voafidin'andriamanitra.nefa ny jiosy dia tsy manaraka ilay finoanareo,fa manana ny azy.ka maninona no ekenareo hoe vahoaka voafidy,nefa tsy arahanareo ny finoany??????

sao lahy diso firehana ianareo ?
novalian'i rijadolly ny 02/12/2007 14:12
2. salmo1 ( 21/11/2007 00:08)
fijo:

Ohatra fotsiny ireto na HS aza izaho.

* Ny lehilahy malagasy hono manao malabary taloha ary mbola misy hatramzao, mbola manao malabary ve i fijo:?:

Ka samy hafa anie ny jiosy tamin'ny taona 30 sy ny jiosy amin'ny taona 2007 e.
Ny olom-belona dia misy karazany. Ny dadabehako aza tsy mitovy ahy maintsy.

Ny Fiangonana Evangelika Frantsay sy ny Fiangonana Evangelika Malgache dia mety ho samy hafa ny fomba fitondrany.

Ka izany rehetra izany tsy dia zava-dehibe loatra, ny tena zava-dehibe dia i fijo mino Azy amin'ny (l) rehetra fotsiny.
;-)
3. kiranil ( 21/11/2007 01:05)
miarahaba ingahy fijo a.

http://youtube.com/watch?v=DtKedr-znuc&feature=related

Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy, Jesosy ary araka ny fanaony dia niditra tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.

Dia natolotra Azy ny bokin'Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:

"Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko, satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy; naniraka Ahy hitory fandefasanaamin'ny mpifatotra Izy, sy fampahiratana amin'ny jamba, hanafaka izay nampahorina,

Hitory ny taona ankasitrahan'i Jehovah" (Isa. 61. 1, 2).


Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin'ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika azy ny mason'izay rehetra teo amin'ny synagoga.

Ary Jesosy niteny taminy hoe: Andro-any no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.

Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin'ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak'i Josefa va ity?

Ary hoy Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: 'Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao:' izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.

Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin'ny taniny.

Lioka 9.

4. cutie ( 21/11/2007 01:18)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 21-11-2007 00:38:19
Lohateny : kristianina tsy mazava
ianareo mpino kristianina rehetra,na kato na protes ato,dia milaza daholo fa ny jiosy no vahoaka voafidin'andriamanitra.nefa ny jiosy dia tsy manaraka ilay finoanareo,fa manana ny azy.ka maninona no ekenareo hoe vahoaka voafidy,nefa tsy arahanareo ny finoany??????

sao lahy diso firehana ianareo ?

zay zany no mampiady lava ry zareo israelian sy ny palestiana reo :-D
6. ikaretsaka ( 21/11/2007 02:56)
izay letsy io ra fijo, samy mino eo! na silamo na jiosy na kristianina na kato na protes na ireo izay mino rehetra hoe ny azy no marina..
ohatran'ialahy mibizina ihany io e!
samy miteny hoe ny tanananay no milay be.. fa hita eo e.. hita eo..
tsy mbola tonga ny arbitre fa pronostics io
7. mandrindra ( 21/11/2007 08:57)
ikarestaka, ka tsy misy arbitre ko
8. tywa68 ( 21/11/2007 09:38)
fijo : tsy ny fiheveran'ny jiosy ny tenany ho peuple élu dia ampy handaozako ny finoako ; tsarovy koa fa misy amerikana mihevitra azy ho peuple élu satria nomen'Atra harena sy ny fitondràna ; arakarak'ilay fandraisana an'ilay voasoratra io :lol:

Samia manao izay maha-mendrika eo @ Tompony izany ary tsy hirehareha @ asa tokony atao ampitiavana, arak'ilay finoana arahina.
9. hery ( 21/11/2007 12:04)
Fa iza no tsy élu? :-)
10. ikaretsaka ( 21/11/2007 14:58)
izay tsy ampy vato nefa manao self proclamation:-D
sali hery
11. bichette ( 21/11/2007 16:48)
Hoy i Fijo : ianareo mpino kristianina rehetra,na kato na protes ato,dia milaza daholo fa ny jiosy no vahoaka voafidin'andriamanitra.nefa ny jiosy dia tsy manaraka ilay finoanareo,fa manana ny azy.ka maninona no ekenareo hoe vahoaka voafidy,nefa tsy arahanareo ny finoany??????

sao lahy diso firehana ianareo ?

Dia hoy aho hoe, Atra ao anaty baiboly no miteny an'izany.Izay no teniny dia isika manaiky sy mangina. Na tiana na tsy tiana rehefa izay ny tenin'Atra, ny declaration-Atra dia manaiky isika tsy manao commentaire. Satria Izy no nahary izao tontolo izao.

12. ikaretsaka ( 21/11/2007 17:33)
Ary raha Andriamanitra TSY ao anaty baiboly ihany fa ilay A/tra eo amintsika mandrakariva, Raha ilay Fanahy Masina noraisintsika ka mibitsika amintsika isaky ny segondra?
Dia hoy i bichette hoe ahoana?
13. cutie ( 21/11/2007 17:34)
Dia hoy aho hoe, Atra ao anaty baiboly no miteny an'izany.Izay no teniny dia isika manaiky sy mangina. Na tiana na tsy tiana rehefa izay ny tenin'Atra, ny declaration-Atra dia manaiky isika tsy manao commentaire. Satria Izy no nahary izao tontolo izao.

:-D:-D:-D:-D:-D
14. ikaretsaka ( 21/11/2007 17:46)
cutie:-D
15. cutie ( 21/11/2007 21:03)
saika in no alefan'i kiranil fa tsy mivoaka akory:-D
16. fijo ( 21/11/2007 22:03)
raha ity no valinteninareo 8. Mpandefa : hery [ Valio ] 21-11-2007 13:04:24
Lohateny : Re : kristianina tsy mazava
Fa iza no tsy élu?

dia ekeko hoe rariny raha tsy manaraka ny finoana jiosy nareo,fa raha ity kosa

Atra ao anaty baiboly no miteny an'izany.Izay no teniny dia isika manaiky sy mangina. Na tiana na tsy tiana rehefa izay ny tenin'Atra, ny declaration-Atra dia manaiky isika tsy manao commentaire. Satria Izy no nahary izao tontolo izao.
raha i andriamanitra aza ve milaza fa ireo no oloko,tsy midika ave izany fa ny finoan'ireo no tsara???sy tokony hoarahana?
17. xxx ( 22/11/2007 11:05)
Efa naniraka ny Zanany Izy ho an'ireo Jentilisa dia ireo navahan'ny Jiosy fa tsy olon'Andriamanitra.
Tsy ny fanarahana fombafomba fanao fa ny fanarahana ny Tenin'Andriamanitra no mahavonjy.

Ireo no oloko hoy Andriamanitra, fantaro fa olom-boafidy ireo ary Izy Andriamanitra no mahalala ny atao aminy fa tsy anjarantsika. Efa voalaza koa anefa fa Jesosy no Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo. Tsy mivoana amin'io koa ny Tenin'Andriamanitra. Dikan'izany dia ny programany no arahana ka raha voantso ho Kristiana ianao dia araho arak'izay ny programany, raha Jiosy ianao ka asainy mitandrina ireo lalanan'i Mosesy dia ataovy izay. Izy ihany no manapaka fa efa feno ny programany ao anaty Baiboly.

Tandremo fotsiny sao tara vao manapa-kevitra ny hanaraka Azy fa tena raharaha be an!
18. fijo ( 22/11/2007 23:26)
ka isika izany le jentilisa?????navahan'ny jiosy
19. Rasiligaoma ( 26/11/2007 03:48)
Tsy ny fanarahana fombafomba fanao fa ny fanarahana ny Tenin'Andriamanitra no mahavonjy.

misy tenin'i Md paoly izay manao hoe samy tazonina na ny soratra masina na ny tradition
(2Tesalonianina 2:15, lioka 10:16 sy ao amin'ny matio 16:18 )
Dia misy izya teny izay koa hoe tsy izay manao Tompoko Tompoko... fa izay manantanteraka
20. ikaretsaka ( 26/11/2007 17:53)
namaste
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1503