ala-volon-jaza, misy takaitrany tokoa ve raha....?
1. bosista
(
19/11/2007 17:04)
araka ny fomba malagasy dia anisan'ny andro lehibe ivorian'ny fianakaviana ny andro fanalana volon-jaza, ary izany dia rehefa miditra ny volana fahatelo taorian'ny nahaterahany ny zaza,araka ny fomba n'ny ntaolo,dia betsaka ny fombafomba atao sy fanomanana amin'izany toy ny fanomanana sahady alohan'ny hanalana ny volonjaza ny :fary, raiki-bololona,akondro velon-dreny,famoa sns..fa ny tiako hitongavana dia ity :satria mbola tazomin'ny taranaka ankehitriny, dia ny tokony hisafidianana sahady ny taonan'ny olona izay haka ny volon-jaza ,dia ny @ tokony hoe tsy maintsy olona antitra ,be taona ,no maka ny volon-jaza voalohany, fa tsy tanora,mba hahalava havelona ilay zaza,ho tratra antitra sns...
----mitombona marina ve izy io sa finoanoam-poana? ary araka ny finoana kristianina ahoana?
----tokony mbola ho tazomina ve io sa ahoana?
---de miankina amin'izay olona maka ny volony voalohany ve ny ahalava havelona ilay zaza iray na tsia?
----inona no antony tsy aneken'ny ray aman-dreny fa mbola mampisy ny fifandirana raha toa ka tsy ankatoavina io fomba io? lazaina fa izay hono no mahatonga ny fatin-jaza betsaka sy fahafatesan'ny tanora ankehitriny eo amin'ny fahatanorany satria manary ny foman-drazana,? aminao kosa ahoana ny hevitrao???

novalian'i fijo ny 21/11/2007 22:24
2. majesty
(
20/11/2007 04:54)
Ny fomba malagasy anie manana ny maha-tsara azy e,fa eo amin'ny resaka finoana no manahirana,satria matetika rehefa hanao zavatra dia mila manatona Mpisikidy na Dadarabe.Raha zohiana koa ny tantara dia angalarina io fary raiki-bololona io,olana iray faharoa izay,ny fandaniana amin'ny fanasana manginy fotsiny kanefa ny hohanina anio aza mbola ho tadiavina.Ny volo ve no hetezana dia ny andro iainana no mihalava ???:D
3. ravatorano
(
20/11/2007 05:01)
marina fa angalarina ilay fary fa "fomba" fotsiny io
zany hoe entina hampisehona izany fa mila mlisedra zavatra foana arehefa manao ireny fomba malagasy ireny, aza hadino fa ny fitondrana ny rano mahery rehefa famorana anie ka tena henjana b ihany koa e
eo amin'ilay hoe tsy maintsy olona efa antitra no maka ilay volon-jaza io dia finoana fotsiny ihany koa satria nino ny malagasy taloha araky ny voalazan'i bosista io fa raha tanora no manao an'izany dia tsy ho lava velona ilay alaim-bolo voalohany iny.
Misy faritra hafa aza dia tena anaovana fanasana be mihitsy io fakana volon-jaza io na dia sarotra aza ny fiainana.Izay no maha kolo tsaiana azy fa za anaefa mahita fa efa vitsy dia vitsy no manaraka an'izany fa na dia izhaay ao antrano fotsiny aza hitako fa efa tsy dia manao an'io fomba nentim-paharazana io tsony ny antony dia izao tsy ampy ny fanazavana sy ny fampianarana ilay tena izy fa amin'izao mantsy efa laronaroana tontolo hafa sy endrika hafa ilay fomba fanao fahiny ary efa vitsy ny olona sisa tena mahalalan'izay sy mivoy azy.

4. majesty
(
20/11/2007 05:05)
Izay ndray vao nipoitra i razokinakah,mankalaza ravato a.Ny faharatrana vokatry ny fifanjevoana @ fitsenana ilay rano mahery tsy resahana intsony fa loooooooza.
5. ravatorano
(
20/11/2007 10:23)
ka ao anatiny daholo anie izany ra majy e !
ka iny faharatrana iny indrindra ilay hoe fisedrana ary izay ilay kolo tsaina fa tsy kolog...ah sa ahaona ra majy !
ny kolo-tsaiana malagasy amin'izao fotoana efa niova be lazain'ny sasany aza fa mila atao manara penitra koa ny fomba entim-paharazana nefa izany aza hoe nentin'ireo razana , nolovaina tamin'ireo ray aman-dreny teo aloha v dia atao hanara penitra izany hoe mila certificat ISO koa v izany ???
:twisted::-D=))

6. ikaretsaka
(
20/11/2007 15:15)
izya ilay hoe sady afaka mifanampy ny kolontsaina sy ny finoana no afaka mifameno
7. vahiny2004
(
20/11/2007 15:26)
ikaretsaka:
izya ilay hoe sady afaka mifanampy ny kolontsaina sy ny finoana no afaka mifameno
:-w :-w :-w
izany ve ?
8. ikaretsaka
(
20/11/2007 15:29)
rehefa manampy anaolalindalina kokoa @ finoana ny kolontsaina... inona no olana?
jereo foana ny hevitra ambadika : aza adino ny mametraka foana heo "fa maninona aho no manao an'ity"
jereo foana ny hevitra ambadika : aza adino ny mametraka foana heo "fa maninona aho no manao an'ity"
9. xxx
(
20/11/2007 17:13)
Ny manahirana eto dia ny fitsikerana ny fomba Malagasy. Ny an'ny vahiny mandeha tsara ery sady alain-tahaka aza fa ny an'ny tena hamavoina.
11. fijo
(
20/11/2007 23:05)
tena manaradia an'i xxx.tsy hoe ratsy rehefa gasy,fa nampianarina anao izay.
io finoana io koa anie tsy mahavaly ny rehetra,fa mba eo ny fomba manampy azy e
io finoana io koa anie tsy mahavaly ny rehetra,fa mba eo ny fomba manampy azy e
13. xxx
(
21/11/2007 10:13)
dia aiza ary izao ny valin'ny fanontanian'ny mpametraka sujet ? toa lasa resaka hafa
14. xxx
(
21/11/2007 15:12)
Ny fampiasana ny finoana eo amin'ny olona no mampisy takaitrany na tsia izay atao amin'ny zaza iray. Raha tena mino ilay olona manao ilay fombafomba dia hisy tokoa fiantraikany amin'ilay zaza ny zavatra hiseho. Raha toa moa ka tsy mino izay lazain'ny ntaolo ny olona manao alavolon-jaza dia tsy hisy takaitrany velively amin'ny zaza izany. Miankina amin'ny finoana ihany io. Manana hery isika olombelona hino izatsy na izaroa ary miantraika amintsika olombelona ihany koa izany herim-pinoana izany. Izay no tokony hanadihadiana ny finoana sao dia lasa any amin'ny tsy izy.
15. fijo
(
21/11/2007 22:24)
marina mihintsy ity farany ity"zay no tokony hanadihadiana ny finoana sao dia lasa any amin'ny tsy izy."