hay moa

1. fijo ( 16/11/2007 23:08)
Aza adino fa ny Evanjely (ny Baiboly mantolo mihitsy koa) dia boky mirakitra tantara personnel: ny zavatra niainan'ilay olona mpanoratra no nosoratany fa tsy zvatra noforonina akory.

tsy tenin'andriamanitra indray kay io boky i ory zalahy?????
novalian'i fijo ny 23/11/2007 22:57
2. niryna ( 16/11/2007 23:43)
fijo:

Aza adino fa ny Evanjely (ny Baiboly mantolo mihitsy koa) dia boky mirakitra tantara personnel: ny zavatra niainan'ilay olona mpanoratra no nosoratany fa tsy zvatra noforonina akory.

tsy tenin'andriamanitra indray kay io boky i ory zalahy?????


=))=))=))
3. ravatorano ( 17/11/2007 05:46)
fijo < tsy azoko tsara no tianao ambara
4. Fody ( 17/11/2007 20:03)


Ny tantaran'ny tsirairay miaraka amin'Andriamanitra dia tantara masina. Tsy hoe ilay olona no masina fa izy Andriamanitra miaraka aminy no manamasina azy.

Fa hoy i Jesoa: "ianareo no fanasin'ny tany". Raha fanasina dia hanamasina ny hafa izany. Tsy ho fanasina anefa izay tsy miaraka amin'Andriamanitra, ary itoerany ao aminy. Izy Andriamanitra no naha vahoaka masina ny vahoaka Israely. Ary mbola izy koa no naha masina ireo rehetra voalaza ao amin'ny Testamenta taloha sy ny testamenta vaovao, ary ireo olo-masina rehetra.

Fanamarihana: Ny zavatra voalazan'i Paoly, Piera, Joany... dia lazaina fa tenin'Andriamanitra. Raha tsy mbola takatrao ny anton'izany dia aza malaky mihomehy sy maneso.

Misaotra!
5. piste ( 18/11/2007 13:18)
Baiboly : livre inspiré
6. nandrianina1 ( 18/11/2007 17:09)
fijo < tsy azoko tsara no tianao ambara


za ko aza mba tsy mahatakatra ny tiany atongavana:?:
7. sarobidy ( 19/11/2007 10:00)
Loza ko zany ambaranao zany ry fijo :(
8. fijo ( 20/11/2007 23:36)
tsy za no manambara izany fa izay niteny an'io.raha tantaran'olona io dia tsy tenin'andriamanitra izany ko.
ravato,raha io teny naveriko eto io,dia voalaza fa "mirakitra tantara personnel"ilay boky.ka tantara personnel ve no atao hoe tenin'andriamanitra?????
9. Fody ( 21/11/2007 13:45)
Angamba tsy hitan'i fijo ireto ka indro averina hovakiny:
Ny tantaran'ny tsirairay miaraka amin'Andriamanitra dia tantara masina. Tsy hoe ilay olona no masina fa izy Andriamanitra miaraka aminy no manamasina azy.

Fa hoy i Jesoa: "ianareo no fanasin'ny tany". Raha fanasina dia hanamasina ny hafa izany. Tsy ho fanasina anefa izay tsy miaraka amin'Andriamanitra, ary itoerany ao aminy. Izy Andriamanitra no naha vahoaka masina ny vahoaka Israely. Ary mbola izy koa no naha masina ireo rehetra voalaza ao amin'ny Testamenta taloha sy ny testamenta vaovao, ary ireo olo-masina rehetra.

Fanamarihana: Ny zavatra voalazan'i Paoly, Piera, Joany... dia lazaina fa tenin'Andriamanitra. Raha tsy mbola takatrao ny anton'izany dia aza malaky mihomehy sy maneso.

Misaotra!

Baiboly : livre inspiré
10. xxx ( 21/11/2007 14:41)
Ny tsara amin'ny namana Fijo dia manandrana mamaky sy mamakafaka ny Baiboly aloha. Tokony tsy tsaraina avy hatrany ny zavatra tsy nohalalinina sy niainana.

Anisan'ny mazoto tokoa ny namantsika amin'ity lohahevitra Fivavahana sy Finoana ity. Mety mizaha ny Lalana Tena Izy izy. Nefa raha toa ka mbola mandray references ivelany fa tsy mandray izay inspiration ny Baiboly dia mbola hilaza foana hoe "tsy tenin'Andriamanitra ny Baiboly". Mila mijery ireo temoignage maro ny namana ahafahany mahafantatra hoe "Efa naparitaka sy notoriana ny Teny" Mila mihaino ianao Fijo ary miditra satria eo an-tokonana ianao izao. Izy Tompo te-hampandroso anao ary aza misalasala fa nidira.
11. fijo ( 21/11/2007 22:55)
h ihii h misoatra fa le hiditra hino aloha ,efa tao no nipitsika.

fody ,ka raha tantaran'ilay olona "na niaraka taminy "aza dia efa tsy teniny izany,fa fomba fahitan'ilay olona ny zavatra nihainany fotsiny
12. xxx ( 22/11/2007 10:24)
Raha ny tena marina ny fahitako ny namana Fijo dia nitady fanamarinana ny Baiboly hoe Tenin'Andriamanitra marina sa tsia. Nivoaka ivelany tokoa ianao ary nihevitra fa geja ny nahatao anao dia nipitsika ianao. Tamin'ny naha-tao anao, tena Izy marina ve no nokatsahanao?
Matoa mbola manontany tena ianao hatramin'izao fotoana izao dia mbola mangetaheta fianam-panahy izany fa tsy olombelona bontolo fotsiny amin'izao.

Ankehitriny dia te-handalina sy hanadina an'Andriamanitra ianao. Raha "a cote de la plaque" anefa ianao no manao izany dia toy ilay zazakely te-hamindra ny ranomasina ao anaty lavaka kely.

Izaho izay manoratra dia toa anao io indrindra. Nefa nanaiky noreseny lahatra dia resy e! "Avia hifandahatra Amiko hoy Jehovah"

Toro-hevitra kely fotsiny: "Andramo ka izahao fa Tsara Jehovah" dia ho hitanao ny Fahazavana omeny fa tsy hitsikarokaroka etsy sy eroa ianao. Ekeo fotsiny hoe inspiration'Andriamanitra nampanoratany ny olona ny Baiboly eo am-pamakiana azy ianao dia mangataha ny fanazavana ny fanahinao mamaky azy dia ho hitanao fa Izy tokoa no miteny aminao.

13. prime ( 22/11/2007 11:19)
Misy mampitombina azy ny voalazan'i fijo raha raisina amin'ny saina fotsiny... ny tenin'Andriamanitra nefa tsy raisina amin'ny saina fotsiny fa amin'ny fo sy ny fanahy ihany koa... ka raha tsy mivonona ny hihaona sy handray an'Andriamanitra mihitsy dia maro no azo andraisana ny baiboly... mety ho tantara, angano, filozofia, boky fikarohana...
14. fijo ( 22/11/2007 23:45)
xxx an tano ny finoanao ,fa nyahy efa tsara sy milamina izao ka,

ity voalazan'i prime azy ity no ekeko.samy manana ny fanhitany azy ity boky ity.ny sasany mahita fa zavatra "masina "io,ny hafa mahita fa boky tantara fotsiny io,
15. xxx ( 23/11/2007 11:44)
Tena marina io filazan'i Prime io ary matoa ekenao Fijo dia efa misy mitsiry ao aminao ihany ny fanekena an'Andriamanitra satria mila fahavononana fotsiny ny mihaona Aminy hoy Prime.

Raha raisinao amin'ny saina fotsiny dia marina ny filazanao fa raha raisinao amin'ny fanahinao kosa dia hafa ny fipetrany. Ka horaisinao amin'ny inona amin'ireo ary ilay Baiboly sy Izay nampanoratra azy?

Manaiky ve ianao fijo fa vatana + saina + fanahy sa ity farany tsy ao?
16. fijo ( 23/11/2007 22:57)
izaho dia vatana sy saina le "fanahy" io,isan'ny saina ka tsy avahako

le hoe mitsiry ny fanekena an'andriamanitra,aoka nama.tsy misy zavatra tsy misy ka hitsiry.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4774