ary efa nisy kay????

1. fijo ( 15/11/2007 05:28)
ary efa nisy kay ny pape nanambady sy niteraka vao lasa papa,
lasa papa 18 ans de nanao ny "lazaina fa tsy vanona rehetra"
ary azon'ny papa iray manaraka foanana kay ny napetraky ny papa teo aloha.
manantena aho izany fa mba hidina ety an tany ihany ireo mpino manonofy sasany,fa ny deba beany aza kay mba nisy tety ihany
novalian'i fijo ny 16/11/2007 22:05
2. hery ( 15/11/2007 07:41)
Ie, efa nisy kah. Ary fantatry ny mpino katolika tsara izany ary efa midina tsara ety antany izy. Marihina aloha fa raha vao resaka Papa dia resaka katolika izay fa tsy hoe mpino rehetra sao mantsy atao safobemantsina.

- Ny papa voalohany Md Piera apostoly aza anie nanambady e. Dia maninona anefa? Rehefa tsy mivoatra fa mijanona ho conservateur ny Fiangonana dia mimenomenona ianareo, rehefa mba mivoatra manaraka ny toetrandro indray ny Fiangonana mbola mimenomenona ianareo :-) tsy hita ihany

- Fantatry ny Katolika rehetra fa olombelona ny Papa ary manana ny fahotany. i Md Piera apostoly izay papa voalohany aza nandA an'i Jesoa intelo. Fa hatramin'izao dia nirindra tsara ihany ny Fiangonana na dia teo aza ny tsy nety...

- Eny, azon'ny Papa foanana ny nataon'ny Papa teo aloha... fa tsy hoe mifoha izy tonga dia hoe manafoana. Misy dingana maro sy dinika lava vao afaka manao izany ny Papa. Io ilay antsoina hoe Konsily. Izay no maha katolika ny katolika... na dia eo aza ny Papa dia tsy manao didikofehy lehibe fa mifampidinika.

Sao dia efa liana hiditra katolika amin'izay i fijo sa mbola misy fanontaniana hafa? ;-)
3. xl ( 15/11/2007 08:43)
Papa paoly II no tratrako, nahafapo ahy
tsy miady hevitra @ paoly aho...
Benoît indray izao!
ankafizo
4. majesty ( 15/11/2007 08:59)
i Md Piera apostoly izay papa voalohany


Md Paoly ka hatrany @ Md stefana koa zany papa daholo?
Dia Papa fahafiry zany i Benoit XVI ?:D


Tsy misy lalàna manohitra ny fanambadiana fa aleo izy hanambady ra fijo a.
5. hery ( 15/11/2007 09:12)
Io anie ilay ilazako hoe fantaro aloha alohan'ny hitsikerana.

Tsy fantatrareo akory kay ny atao hoe Papa :-)

I Piera dia Papa fa i Paoly tsy Papa.

Jereo amin'ny encyclopedies tsotra any aloha hoe inona no antsoin'ny katolika hoe Papa.
6. ravatorano ( 15/11/2007 10:20)
za aloha mahalala fa efa nisy Papa nanambady e fa araky ny tenin'ihery eo ambony io hoe inona moa no olana amin'izany i Ravato aza nanambady satria i Pierre ihany no ravato ah !:-D:-D:-D:-D
aleo asiana tsiky kely klouh ra fijo ah !
majesty< fa angah moa nisy an izany papa Md Paoly izany e !Ilay nantsoina hoe Saoly ange ry bandy akama mlay b tsy Papa fa apostoly e !
ry Joany Paoly no Papa rehefa nofidian'ireo evaka hitondra ny fiangonana katolika fa tsy i Md Paoly kanou :wink:


7. mbaliana ( 15/11/2007 11:16)
tsy zay Papa rehetra akory dia lasa ho Masindahy daholo
8. ikaretsaka ( 15/11/2007 12:43)
hery:
- Ny papa voalohany Md Piera apostoly aza anie nanambady e. Dia maninona anefa? Rehefa tsy mivoatra fa mijanona ho conservateur ny Fiangonana dia mimenomenona ianareo, rehefa mba mivoatra manaraka ny toetrandro indray ny Fiangonana mbola mimenomenona ianareo tsy hita ihany

mieritrereta lalina da aza manao "loha tapaka"
9. simplex ( 15/11/2007 12:43)
ravato:
Ravato aza nanambady satria i Pierre ihany no ravato ah !
=))=))=))

amen ^:^^:^
10. ikaretsaka ( 15/11/2007 12:44)
mitovy hevitra @ hery za eto fa i fijo no teneniko @ io mieritrereta lalina io a
11. fijo ( 15/11/2007 22:20)
tsy tsikera io,fa maro ny katolika no tsy mahala aireo.ary misy katolika tena mahasahy manizingizina fa ny papa tsy manota.ka faly ah raha hianareomahalala azy kokoa no milaza izany mivantana eto.
ny namoahako le hoe hay azo n'ny papa manaraka foanana ny nataon'ny teo aloha ,dia mbola misy fanantenana izany fa hiova hevitra ny katolika momba ny kapoty.

hery an tsy ny katolika rehetra no efa eto an tany.jereo tsara ato(any amin'ny dinika momba ny fanalana zaza),fa misy katolika roa mifamaly ao,ny iray manonofy ny iray tena eto an tany tsara.

hoan'izya tena mahalala ny katolika,anjaranareo no mampahafantara ny katolika namanareo,fa maro no tsy mahalala zavatra rehefa miresaka.

le hiditra aloha rahery ,aleo rehefa maty ngamba fa mbola malalaka aloha izao,ka aleo eto ihany
12. fijo ( 15/11/2007 22:24)
ary raha manaiky ny papa nanambady ihany moa ,maninona raha mba avela hanambady amin'izay koa ny pretra sasany e.
mba mety hampihena ny pretra manaonao foana io.
13. cutie ( 15/11/2007 22:43)
manajary tsy mahavita ny asany ny pretra ry fijo raha manambady a, aleo ihany izy ety ivelany no mitsaingoka :-D:-D:-D:-D:-D
14. fijo ( 15/11/2007 23:02)
tsy valinteny mitombona izany.naninona no nahavita ireo??sa domelina aby ny manaraka????
15. cutie ( 16/11/2007 02:24)
ngamba :-D:-D:-D:-D:-D
16. majesty ( 16/11/2007 09:11)
hoy ravato:
ry Joany Paoly no Papa rehefa nofidian'ireo evaka hitondra ny fiangonana katolika fa tsy i Md Paoly kanou


Dia iza no eveka nifidy an'i Md piera hitondra ny fiangonana katôlika razoky malala,nefa t@ izany toa tsy mbola nisy an'zany hoe katolika zany manko sa Md Piera hafa io fa tsy le apostoly?:D


hoy i hery:
Io anie ilay ilazako hoe fantaro aloha alohan'ny hitsikerana.

Tsy fantatrareo akory kay ny atao hoe Papa

I Piera dia Papa fa i Paoly tsy Papa.

Jereo amin'ny encyclopedies tsotra any aloha hoe inona no antsoin'ny katolika hoe Papa.


Sao dia tsy tsikera io fa fanontaniana satria misy ? aoriany:D
17. fijo ( 16/11/2007 22:05)
ka ny fanontania manitikitika letia dia hafangaro amin'ny tsikera an.satria isika sy elahy manadala olona .
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1013