inona kay no tena tanjona?

1. yah ( 10/11/2007 04:47)
salama dôlidôly ndray e!
efa tsy takona afenina intsony ankehitriny fa maro ny atokom pinoana misy eto @tsika raha tany ampiandoana,de nisy ny afatra nataon'ny tompo hoe mandehana ianareo de ataovy pianatro ny firenena rehetra . de nifototra t@io avokoa ny fivavahana @izany. @izao anefa misy ireo mpino mafana fo no sahy milaza fa tsy miaraka na tsy mifanerasera @ireny olon izao tontolo izao.
ka eo indrindra no mahatonga ny tenanay hametraka ny fanontaniana hoe: inona kay no tena tanjona,ny hisitona azy ireny ho ao anatin'ny valan Atra sa hitazona mafy ny finoana efa anananafotsiny?
mba omeo fanazavana ry zareo a!^:^^:^
novalian'i yah ny 16/11/2007 04:17
2. cutie ( 10/11/2007 05:09)
ny tanjona
samy mamonjy ny tenany :-D:-D:-D:-D
@izao anefa misy ireo mpino mafana fo no sahy milaza fa tsy miaraka na tsy mifanerasera @ireny olon izao tontolo izao.
3. soanja ( 10/11/2007 05:14)
Misy fomba be dia be tokoa ny fitoriana ny filazan-tsara na ny tenin'Andriamanitra.
Dia samy maka ny tandrify natoron'Andriamanitra ho anao na ny tsirairay avy:
-Ao ny mizara amin'ny malahelo sy ory.
-Ao ny mitety tsy ankifidy
-Ao ny mitokamonina mampiseho ny fijoroana vavolombelona ao anaty fahanginana sy fahadiovana ary fahavitan-tena na tsy fiankinan-doha amin'ny hafa satria ny fifangaroahana koa dia mampisy pentina izay efa madio.
-Ao ny mitory ao anaty fanabeazana sy fikarakarana ny mahaolona.
Ary ao ny manoratra fotsiny mampita izany amin'ny alalan'ny asasorany na vokatra vitany sy ny fahaizany mampiseho izany ho modely soa na hakana lesona.

Anjaranao ny mifidy fa ireo rehetra ireo dia misy ifandraisany amin'ny hafa avokoa fa amin'ny lafiny isan-karazany mahasoa.
4. niryna ( 10/11/2007 11:45)
yah:

salama dôlidôly ndray e!
efa tsy takona afenina intsony ankehitriny fa maro ny atokom pinoana misy eto @tsika raha tany ampiandoana,de nisy ny afatra nataon'ny tompo hoe mandehana ianareo de ataovy pianatro ny firenena rehetra . de nifototra t@io avokoa ny fivavahana @izany. @izao anefa misy ireo mpino mafana fo no sahy milaza fa tsy miaraka na tsy mifanerasera @ireny olon izao tontolo izao.
ka eo indrindra no mahatonga ny tenanay hametraka ny fanontaniana hoe: inona kay no tena tanjona,ny hisitona azy ireny ho ao anatin'ny valan Atra sa hitazona mafy ny finoana efa anananafotsiny?
mba omeo fanazavana ry zareo a!^:^^:^
Atra nampiseho antsika ny fitiavany an'izao tontolo izao,ka ny zanany no nomeny mba hananantsika fiainana ho mandrakizay(Jaona 3:16)
Vao niandoha izao tontolo izao dia efa nisy satana;efa nisy izany ny hery iray nanohitra ny tenin'Atra sy ny zavatra soa sy fitiavana nomen'Atra ny olona dia notoherina satria tsy tiany ho voavonjy ny olona.Ary dia nisy tokoa no voafitaka ka nanaraka.
Tsy nihaino ny tenin'Atra ireo olona fa nanangana atra hafa ihany koa ary tsy tian'Atra izany(Deot 9:12,Eks 20:1-5).

Tsy afaka misaraka amin'ny zanak'izao tontolo izao anefa ny kristiana,ny mifanohitra amin'zany aza no tokony atao,mitondra azy ireo hanatona an'i Kristy,mampahafantatra azy ny famonjena izay avy aminy irery no lalana ahafahana manatona ny Ray, ny mampiseho fitiavana amin'izy ireny .Atra nampiseho fitiavana antsika rehetra ary tiany ho voavonjy daholo isika.Nomeny safidy anefa ny rehetra ka na tiany aza izany,nanao sorona ny ainy Kritsy hanavotra ny rehetra dia nitsabaka satana ary nanamafy ny fon'ny sasany.
Raha ny hafany tokoa mantsy dia ny hoe "Tiava an'i Jehovah Atrao amin'ny fonao rehetra,ny fanahinao rehetra ary ny sainao rehetra, ary Tiava ny fahavalonao,manaova soa ary aza mitsahatra ny mivavaka ireny olona mankahala na manaratsy anao ireny."Raha miezaka ny hanatanteraka izany ny rehetra dia ho afaka hiaraka honina amin'izay na ny liona sy ondry kely aza,na ny saka sy ny voalavo,ary indrindra ny kristiana mampiseho fitiavana ireo tsy mpino rehetra aza.Satria hisy ny fandriam-pahalemana.Ho tanteraka tokoa anie izany teny izany.
!Tiava ny namanao tahaka ny nitiavako anao (Jaona 15:12) ^:^

Samy nomen'Atra fahasoavana ny tsirairay ka anjarantsika no mizara izany amin'ny manodidina.Ary mijoro ho tena kristiana,manantanteraka ny hafany rehetra, avy amin'ny alalan'ny fitiavana,fizarana ny soa,famelana ny heloky ny tena sy ny hafa ary ny fibebahana ka miaiky tokoa fa tsy olo-marina ary dia mangataka Azy ny hamela mba hanana fo madio,fiainana feno fifaliana ary tsy hisy tebiteby intsony fa manantena tanteraka fa ho voasoratra ao anatin'ny bokin'ny fiainana ny anarana.8)
Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy(Rom 10:11)ary izay rehetra miantso ny anaran'ny Tompo no ho vonjena(Rom 10:13)
5. ikaretsaka ( 10/11/2007 16:59)
yah:

salama dôlidôly ndray e!
efa tsy takona afenina intsony ankehitriny fa maro ny atokom pinoana misy eto @tsika raha tany ampiandoana,de nisy ny afatra nataon'ny tompo hoe mandehana ianareo de ataovy pianatro ny firenena rehetra . de nifototra t@io avokoa ny fivavahana @izany. @izao anefa misy ireo mpino mafana fo no sahy milaza fa tsy miaraka na tsy mifanerasera @ireny olon izao tontolo izao.
ka eo indrindra no mahatonga ny tenanay hametraka ny fanontaniana hoe: inona kay no tena tanjona,ny hisitona azy ireny ho ao anatin'ny valan Atra sa hitazona mafy ny finoana efa anananafotsiny?
mba omeo fanazavana ry zareo a!^:^^:^

Ao koa ilay hoe mba ho 1 ihany anie izy rehetra
amiko aloha dia izya fotsiny heo manomboka ety an-tany ny paradisa rehefa mitovy fijery 1 ny olombelona e


6. cutie ( 10/11/2007 17:03)
amiko aloha dia izya fotsiny heo manomboka ety an-tany ny paradisa rehefa mitovy fijery 1 ny olombelona e

tsy possible zany:-D
7. bosista ( 10/11/2007 18:24)
asaivo miaraka amin'ireo extra terrestre rehefa tsy hiaraka amin'ny olon'izao tontolo izao!!
8. ikaretsaka ( 11/11/2007 02:48)
cutie...well.... euh... ka tsy mbola ao iay motivation:°)
9. cutie ( 11/11/2007 03:31)
:-D:-D:-D:-D
10. niryna ( 12/11/2007 01:49)
bosista:

asaivo miaraka amin'ireo extra terrestre rehefa tsy hiaraka amin'ny olon'izao tontolo izao!!

Tsy afaka misaraka amin'ny olon'izao tontolo izao isika,toerana misy azy ity,ny kristiana dia miandry ny citoyen any an-danitra :D Miaraka amin'ny olon'izao tontolo izao ary mitarika azy ireo ho tonga kristiana.Misy ary maro no manatona,izay manamafy ny fony dia izy no ho hijaly amin'ny farany.

Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra [lanitra].Ef 6:12




11. yah ( 12/11/2007 04:10)
ka misy ange ireo mpivavaka no tena manava tena mihitsy e! mihevitra fa hoe izy ireny no tena katraka ary manilika ny hafa
12. la ( 12/11/2007 05:01)
Ra zah ndray de zao: tsy sanatria mitsaratsara olona fa amiko ny mpivavaka manava-tena de tsy miorona tsara amin'ny finoana sy mijoro tsara ho fahazavana satria ny mpivavaka dia natao hizara ze fanatany sy natao ho modely amin'ny fiainana rehetra na de fantatra aza fa ny olom-belona tsy tanteraka!
Ny tanjona dia ny ahatonga ny olona rehetra ho mpanara-dia ny tompo mba ahazoana famonjena, de anjaran'izay efa mafantatra no mapafantatra fa tsy mitsoka ndray akory:):):):)
13. ikaretsaka ( 13/11/2007 22:00)
fa mba eritreritra ny ahy an momba ilay hoe "manava-tena"
ilay miala ka manao ny azy mitokana ve no hoe manavaka tena?
14. fijo ( 13/11/2007 23:47)
ika na,le hitovy aby kosa aloha tsy hisy io e.ny samy mpino aza tsipaka ambavafo no betsaka.
fa le hoe manomboka ety an tany ny pardisa,za tsy te ahalala izay any ankoatra fa amiko eto tokoa io ka
15. yah ( 16/11/2007 04:17)
vao omaly indray zao za no nahita olona ao anatina antokom-pivavahana iray nilaza fatsy mahazo mifanerasera @ry zareo raha tsy miaraka mivavaka aminy fa manota izany tonga de nomeko ny sahaza azy hoe: kpooooum ,kpah, kdoou, yahh ,outsssss,... sns
hihihihihihihi!:-w:-w:-w=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.204