ony oa ahoana ny fomba fijery malagasy tsirairay aty ivelany

1. naughtyboy ( 05/11/2007 13:57)
mba liana aho te ahafantatra ahoana no fijeriny gasy mpiray tanindrazana amiko mivahiny na monina aty andafindriaka ka asa isika rehetra,ny fomba fijeriny ny mahaizy azy sy ny mahamalagasy azy eo anivony kolotsaina samihafa mifangaro sy reo fomba manodidina azy.Tonga soa daoly ny fijery sy fihevitra samihafa , ialampondro mialoha mba te izara ny fihevitro ny mahamalagasy ahy aty ivelany fotsiny
karazany olona mahay mandefitra sy miaina tsara(pacific)ny malagasy ary miezaka @ zv ataony ary manampanahy mampiavaka azy @ hafa ary ko tarehy na bika io
fa anisany fanotaniana goavana de firy amintsika no mikasa hitondra anjarabiriky anasoavana le firenena ikambanana refa vita soa amantsara ny fikasana natao aty ampita
novalian'i papala ny 07/12/2007 13:14
2. booboo ( 05/11/2007 15:06)
Ny fahitako manokana ny malagasy indray dia tsy tia sehoseho zany, mora ifandraisana, mahay miara-miana @ hafa mitaha @ mpihavy hafa @ ankapobeny. Na izany na tsy izany, tsy ilaozan'ny misy ratsy toetra sns tahaka ny @ fahita @ olombelona n'aiza n'aiza.

Ilay hoe hitondra anjara biriky indray ho an'ny tanindrazana, amiko manokana tsy miandry hoe mody tanteraka any vao afaka mandray anjara. Na fihetsika kely blitany aza dia efa mikaonty zay amiko : tsy fanapahana ny fifandraisana mba hampirindra hatrany ny fihavanana ; manampy araka zay vita ny havana sns ; fanohanana ireny raha mpanao asa soa any ireny ara-bola na ara-pitaovana sns.

***Ny anay scout ny tondro zotram-piainana hiainana an-davan'andro dia hoe " hiasa ho an'Atra, ny namana sy ny fianakaviana ary ho an'ny Tanindrazana". Isan'andro fa tsy hoe rehefa mody rahatrizay any M/car vao hanantateraka ny fanekena natao hihihihi.
3. xxx ( 05/11/2007 15:12)
ilay anjar biriky hanasoavana ny firenena aloha tsy vitako e! fa manao izay vitako kosa hanampiana ireo sahirana na havana na olom-patatra any madagasikara.

4. booboo ( 05/11/2007 15:17)
xxx > ohatra ahoana aminao ilay hoe " mitondra anjara biriky hanasoavana firenena " ?
5. simplex ( 05/11/2007 15:23)

* gasy eo @ fiaraha-monina ivelany:
mahay mandefitra ary mi-s'adapte be mintsy ny gasy. Mety foana na aiza na aiza.

* mahay be ny gasy, resaka intelligence io. Ny tena olana anefa dia mianatra ny zavatra mbola tsy dia azo ampiasaina any @ tanindrazana loatra isika.

* tia tanindrazana doly ny gasy hoy aho fa ny "conditions" misy any antoerana no mahatonga ny gasy tafajanona any @ misy azy any avy. Misy ny vonona hitondra ny zavatra hainy sy hitany fa tokony ahitsy kanefa ny adilahy politika tsy ahafahany manao izany. Dia aleony mampihatra izay hainy any @ misy azy. Na ny hoavin'ny zanany no tena himasoany.

* gasin'andafy samy gasin'andafy:
ny ankamaroany mifampisozy sy mifanao clan clan. Ny olon-tsotra tsy te hiditra @ zany dia mitokana irery, tsy dia mifandray be @ gasy ambiny.
Tsy fahendrena malagasy izany kanefa tsisy ifanomezan-tsiny fa matoa misy ny olana misy ny antony... Refa tsy mifamono aloha na misy mifanozona aza tsy manina izany satria mbola tsy voakitika ny voninahitr'i Gasikara.

* Tsy atao mahakivy izany rehetra izany, mbola ho avy indray andro any handroso i Madagasikara. @ zay vacances sisa no hataon'ny gasy any ivelany...

Amen

6. naughtyboy ( 05/11/2007 15:38)
asa marina ry simplex fa misy toko ikoizana ny gasy samy gasy mifampisozy nefa de samy tsy nisy hafa fa sahala mialokaloka na mitady ravin'ahitra,alaviriko ny toy reny satria tsisy soa azo raisina ny milay de reo tsotra sy mora ifandraisana zay anisany toetra mampiavaka ny samy malagasy:wink:
7. ainaheri ( 05/11/2007 16:00)
misy azo andraisana azy iany ireo teninareo ireo ,nefa indrisy fa misy iany ny maniha,fitsara ivelany izany fa misy ireo gasy tia seo² @ samy gasy iany,jereo fotsiny RNS,manarak'zay mo ao ny mifampijerijery fotsiny refa mifankahita,tsy dia ny ankamaroany alou fa sasantsasany,d eto kosa aho manampy kely ny hevitry xxxx,tsy akory tia tena aho fa ilay vola omena fotsiny atao anasoavana ny firenena alou tsy d azo²ko lotra,manao za fa ny fianakaviako no asaiko mitantana azy,mandefa frippe aty za,d atao antsapaka ireny refa alahady eny ambanivohitra aminay,1000fmg d efa miakanjo,tsy amidiko ilay akanjo ny tena marina fa mba tiako fotsiny ry zareo mba handray anjara,fa ra omena fotsiny manjary tsy mety,isaky ny 4mois za manao an'zay,ny vola azo mo anomezana ireo tena sahirana,zay ny mba anjarabirikiko ataoko any ambanivohitray,fa raha ny ankotr'zay kosa tsy manao @ ireny association ireny aho!!
8. salopard ( 05/11/2007 17:12)
-gasy petakorona
-gasy fisabody
-gasy fohikely
-gasy tia soirée
-maty lolo
-saro-tahotra
-tsisy malaza na iray aza

tsy ampy dôzy aloha zoky a!
sniff, snifff,tchouff,tcouff...
9. naughtyboy ( 05/11/2007 17:41)
:-D:-Dfijerina gasy salopaka iny fa tsy olana:-D
10. salmo1 ( 05/11/2007 17:53)
=))=))
11. ainaheri ( 05/11/2007 18:18)
:-@ iny ndray no tsy itako =))=))=))
12. naughtyboy ( 05/11/2007 20:07)
itako mirotoroto koko ny fiainana aty ivelany @ akapobeny ra oharina @ nosintsika ary miaramandroso @ hazakazakany fiainana reo firenena matanjaka,ny mafinaritra de mbola tany milamina tsy anjakany ady atrano sy ny didy jadona isankarazany ary mbola betsaka reo tanora miandrandra fanantenana sy fandrosona zay tsy maintsy mbola ho avy toy ny maraina vao2,aleo ihato kely fa lasa nostalzika b eto ka anahirana:oops:;-)fa ny tiko lazaina de sika rehetra samy manana adidy aty ivelany ho any tanindrazana na izao na any arina ho anreo taranaka
ka samy mila miomana:)
13. niryna ( 06/11/2007 05:35)
Arakaraky ny tsirairay io,ny fantatro dia mahay manaja ny asany ary mahay mamorona asa ,tsy mila baikona.Tian'ny mpampiasa daholo matetika fa tena manao asa amin'ny fo fa tsy dia manao lava-lamosina.Ny saonjo iray lohasaha moa tsy ilaozan'izay iray maningana ka dia hita amin'ny toetra ny hafa eny ihany koa.Mbola mahay miaraka tsara indrindra eo amin'ny toaka,tsy lasa kely hoy ireo lehilahy raha tsy misy mafana kely.Saro-kenatra angamba dia izay no anton'ilay izy ? Nefa asa aloha e.
Mahay mizara rehefa misy zavatra tsara fantatra ,misy ihany no mikonjonkonjo anefa fa azy iny.
Raha resaka an-jara-boriky indray aloha dia samy manana ny azy,ny ahy rehefa mandeha any Dago aho dia ny mizara ny fahasoavana nomen'Atra ahy no ataoko ary mitety ireny toerana mahantra ireny aho mizara bonbon sy maka sary azy dia omeko azy ireo ilay sary rehefa miverina any indray aho. Ny tena tsy tantiko dia mijery ireny olona mahantra mitsimpona sakafo eny amin'ny fako ireny. Ka rehefa misakafo aho dia omeko izay mitanotanona eo :D Matetika isika tsy dia mba mivatana fiteny fa mitazona am-po ka ireny tanora ireny ny ahy no hiresahiko sy asaiko manambara izay zavatra tena mahafinaritra sy mampalahelo azy amin'ny fiainany.Bongo maso kely daholo izay mivoaka ao an-tranoko ary tena maivana ilay fahoriana eny fa na ny olon-dehibe koa aza dia ataoko an'izany ary teny tsotra kanefa sarotra amin-dry zareo dia ny fahaizana mifamela sy ny fahaizana mizara vaovao hatrany fa tsy mikonjokonjo.Izay ny anjara borikiko nataoko ho an'ny tanindrazana.Mizara,mifampianatra,mifamboraka ary miteny mivantana rehefa misy toetra mampalahelo ataon'ny olona,fadiana ny mifosafosa fa tsy ahitana soa.Ireo no nampianariko eny na dia efa henony aza saingy rehefa aty ivelany ny olona toa masi-teny kokoa.
14. xxx ( 06/11/2007 06:37)
nôty: hoy enao fa ny any an-tanàna koa izao efa somary mirotoroto...
efa tokony hande hanao vacance kely any madà nge ianao e!:wink:
15. naughtyboy ( 07/11/2007 17:59)
xxx eka ozy ary misaotra anao @ torohevitra:-*
niryna nena ko de tsy tantiko mintsy ny mahita reo oul tahaka ahy mijaly aratsakafo sy mitsindroka reny
nefa politika daoly no fitaovana azo anovana ireny miatomboka @ ts1-1
16. niryna ( 11/11/2007 22:41)
naughtyboy:

xxx eka ozy ary misaotra anao @ torohevitra:-*
niryna nena ko de tsy tantiko mintsy ny mahita reo oul tahaka ahy mijaly aratsakafo sy mitsindroka reny
nefa politika daoly no fitaovana azo anovana ireny miatomboka @ ts1-1

Fa efa azo lazaina fa efa afaka miaina ihany kosa aloha ny olona a,tsara akanjokely daholo,ny arabe madio,sy vaovao daholo.Misy fandrosoana kosa aloha e.Efa mijoalajoala daholo ny trano sy ny fiara.Efa lasa lavitra e.

17. naughtyboy ( 12/11/2007 10:55)
tsara zany fa taratry ny fiovana..fa mbola sakafo sy ny vidimpiainana ihany zao no tena olana goavana any koh:?
18. naughtyboy ( 14/11/2007 17:58)
simplex>> misy marina ko le volazanla oe mahay sika nefa mianatra zv tsy azo ampiasaina any,nefa mino aho fa ny fampiharana reny @ sehatry ny fiarahamonina,na fahasalamana,toekarena sns no lesoka
adilahy politika io no tena manimba ny tanindrazana.
19. papala ( 07/12/2007 13:14)
salopard/=))=))=)):-@:-@:-@ miaraka amin'ilay TSY MISY ASA VE?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2909