Fanondroana: Marina sa Tsia?

1. Belle ( 20/10/2007 12:02)
Trangam-piainana mpiseho matetika no nisintonan’ny fiaraha-monina azy ireny. Ny an’ny gasy dia ireto ny sasantsasany tena malaza:

- Lehilahy sy vehivavy mpinamana be = mpisipa;
- Vehivavy manambady vazaha = tsy mari-pitondran-tena;
- Lehilahy manambady vehivavy zokiny ara-taona lavidavitra = tsy fitiavana fa fikendrena tombon-tsoa (interet) fotsiny;
- Vehivavy tafasondrotra vetivety amin’ny asany = sakaizan’ny lehibeny.

Mbola misy hafa marobe! Mitombina ve sa tsia?
novalian'i xxx ny 22/10/2007 15:49
2. mirabela ( 20/10/2007 12:12)
8O8O8O8O zay ah vo naheno an reo.amiko tsis logika mits.ankotran lé hoe lehilahy manambady zokiny b ngah.
3. Papoose ( 20/10/2007 14:24)
ny ahy le fanondroana no tsy azoko
stereotype angaha dia ie!
4. Belle ( 20/10/2007 16:56)
Stereotyping no lazaiko amin'ny fanondroana.
5. Papoose ( 20/10/2007 16:57)
ok misaotra fa azoko @zay!:wink:
6. ikaretsaka ( 20/10/2007 19:03)
- Lehilahy manambady vehivavy zokiny ara-taona lavidavitra = tsy fitiavana fa fikendrena tombon-tsoa (interet) fotsiny;

na lehilahy io na vehivavy samy marina ko
le sipakely manambady papa be ireny koa (indrindra fa vazaha)
7. cutie ( 20/10/2007 19:11)
zay le maha fiaraha monina ny fiaraha monina.
Sarotra be ny miaina ao anatiny nefa enao tsy hilazan'io fiaraha-monina io mitsy :)
8. xxx ( 20/10/2007 19:15)
izay no ilaina ny fiaraha-monina, hahalalanao fa misy ny balizy. raha tsy miditra ny fiaraha-monina dia efa lasa lavitra ny olona. Lasa lavitra aiza nefa, any amin'ny famonjena sa any amin'ny fahaverezana. Ethique sosialy ireny.
9. sipagasy ( 20/10/2007 19:16)
ka io fiaraha monina io matetika anie ka 'masiaka' e!
10. cutie ( 20/10/2007 19:16)
Mpandefa : cutie [ Valio ] 20-10-2007 21:11:56
Lohateny : Re : Fanondroana: Marina sa Tsia?
zay le maha fiaraha monina ny fiaraha monina.
Sarotra be ny miaina ao anatiny nefa enao tsy hilazan'io fiaraha-monina io mitsy

tsy hilaozana fa diso frapy :oops:
11. xxx ( 21/10/2007 22:33)
ny fiarah-monina tsy masiaka kah, mety ianao koa no mahita hoe masiaka izy rehefa tsy mandry ny sainao. Ny olona anie miteny fa tsy be raharaha izany e, miteny fotsiny izy satria tsy azony sy tsy fantany fa un point c'est tout, mijanona eo ny azy. matetika koa ny olona tsy hanampy anao mihintsy no be tsikera.
12. Belle ( 22/10/2007 15:13)
sipagasy:
ka io fiaraha monina io matetika anie ka 'masiaka' e!

Tena marina! Izay no mahatonga ny fiteny foana hoe: "ny vavan'ny olona..., ny mason'ny olona..., sns." raha vao hanao zavatra na misy zavatra tsy mifanaraka amin'ilay "lalAna voarafitry ny fiaraha-monina". Na mety na tsia io atao io, ahitany tsiny foana mazAna!
13. xxx ( 22/10/2007 15:49)
Hita koa. :-D

xxx = lachetE

tondro molotra =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2905