Tsy mahavita azy ny mpanohitra!!!!

1. ronaldo09 ( 16/10/2007 12:07)
Raha nataoko izaho samy irery ny fanadihadiana momba ny fifidianana ho depiote ny 23 sept teo ary raha ny vokatra izay hita fa nanjakan'ny TIM dia mazava hatrany fa tsy mahovoka ny mpanohitra ny fitondrana .Amiko tsy dia ny vava na ny resaka atao no maha-panohitra fa misy fanadihadiana aary mila fahamalinana tsara!
Amiko raha mahay ny mpanohitra ary miray hina dia mora dia mora ny manitona ny vahoaka tsy homba ity fitondrana ity ,saingy eo ny tsy firaisan-kina sy ny fitiavan-tena ary fisaratsarahana ka manjaka tokana ny TIM .Tsy mety mihitsy ho an'i Madagasikara ity antoko ity fa tokony ho Bipartisme toa an'i Amerika sy Anglisy dia izay ! Saingy ny olana dia mbola tsy zakan-tsika izany .
Noho izany tsy hitako ny antony anadaniana ron-doha hanoherana nefa io aza ny Anenimiera roa fa anjakan'ny TIM ny eny Tsimbazaza zao de hiady irery angamba izay ho mpanohitra,ny eny @ Anenimiera-ndoholona moa raha hisy ny fifidianana dia ho TIM 100% izany fa tsy hisy ady hevitra !
Koa aleo mijery sy mitazana fa inona ary no ho toherinao eo ,ny vahoaka ara ty lasa nakany amin'ny TIM ko.....Zay no ilazako hoe Raha nataoko izaho samy irery ny fanadihadiana momba ny fifidianana ho depiote ny 23 sept teo ary raha ny vokatra izay hita fa nanjakan'ny TIM dia mazava hatrany fa tsy mahovoka ny mpanohitra ny fitondrana .Amiko tsy dia ny vava na ny resaka atao no maha-panohitra fa misy fanadihadiana aary mila fahamalinana tsara!
Amiko raha mahay ny mpanohitra ary miray hina dia mora dia mora ny manitona ny vahoaka tsy homba ity fitondrana ity ,saingy eo ny tsy firaisan-kina sy ny fitiavan-tena ary fisaratsarahana ka manjaka tokana ny TIM .Tsy mety mihitsy ho an'i Madagasikara ity antoko ity fa tokony ho Bipartisme toa an'i Amerika sy Anglisy dia izay ! Saingy ny olana dia mbola tsy zakan-tsika izany .
Noho izany tsy hitako ny antony anadaniana ron-doha hanoherana nefa io aza ny Anenimiera roa fa anjakan'ny TIM ny eny Tsimbazaza zao de hiady irery angamba izay ho mpanohitra,ny eny @ Anenimiera-ndoholona moa raha hisy ny fifidianana dia ho TIM 100% izany fa tsy hisy ady hevitra !
Koa aleo mijery sy mitazana fa inona ary no ho toherinao eo ,ny vahoaka ara ty lasa nakany amin'ny TIM ko.....Zay no ilazako hoe tsy mahavita azy ny mpanohitra!!!!
novalian'i Jeankely ny 22/10/2007 13:23
2. fijo ( 16/10/2007 20:31)
le fitiavantena no mahatonga an'io e.jereo fotsiny ny nataon dratsiraka.vato efa any nefa dia tsy navela hampiasaina ,nefa akama ihany no hampiasa azy.de aiza le tena fototra politika?
3. Jeankely ( 17/10/2007 01:31)
Tsy mijery ireo loha-hevitra efa nandeha angaha ianao ronaldo09? Tsy ianao samirery no mahita izany fa efa voasoratra ao aloha ao daholo ireo resahinao ireo. Ny mpanohitra dia kely hery satria na avy nampitondra faisana an'i Madagasikara nandritra ny fotoana nitondrany; na avy nisolelaka ary faly niterikiho ary nanabe hatoka avy eo voahala @ toerany ka lasa mpanenjika. Na tsy nahavita izay nmpanatenainy tanteraka aza ny mpitondra dia tsy ny mpanohatra manana ireo toetra ireo no zahavin'ny olona. Mba nisy nifandraisany ny fijerin-tsika t@'iny fa tsy ny hifanala nify sahala ny resaka fampirafesana zahavina ao anaty Baibolinao Ronaldo09.
4. fijo ( 17/10/2007 20:35)
isika anie tsy voatery hitovy hevitra,fa hafaka hanana fomba fijery mifanojo koa e.izay no tsara eto
5. Jeankely ( 18/10/2007 02:03)
Mety hifanojo tokoa ny fomba fijery ka ny resaka vitan'ny sasany tany aloha raha resahinao aty aoriana na tsy niresaka taminao aza ilay olona dia afaka miteny izy fa efa navoitrany io hevitra niposaka tao aminao io. Ilay filazana hoe araka ny hevitro samirery no lazaiko hoe tsy ampy. Ny mpanohitra Malagasy ZERO
6. dibbah ( 18/10/2007 03:30)
tasy mahavita azy ++++ tva 100% d ny note - (moins)
fa tsy zéro
7. Jeankely ( 18/10/2007 07:23)
Tsy hainay ny manisa aorian'ny AOTRA tompoko sady tsisy fanisana aorian'ny lavitr'isa tompoko ooo. Miiba miiba va re sa nanakory?
8. ronaldo09 ( 18/10/2007 14:27)
Za ange ra-jeankely tsy tezitra fa ianao niteny ny Raiaman-dreniko dia tsy lasa kosa zany ,tsika na samy gasy ary samy manana ny fombany !!!
9. fijo ( 18/10/2007 19:27)
sady aoka hifanaja fa ny ray amandreny tsy eto e,isika no eto,ka aoka isika eto aloh ahianatra hifanaja.
isika tsy voatery itovy fijery,nefa hafaka mifanakalo hevitra tsara,io no aoka hianarana
10. steeeel ( 18/10/2007 23:17)
fijo:

le fitiavantena no mahatonga an'io e.jereo fotsiny ny nataon dratsiraka.vato efa any nefa dia tsy navela hampiasaina ,nefa akama ihany no hampiasa azy.de aiza le tena fototra politika?


=D=D
11. Jeankely ( 19/10/2007 04:35)
Ho an'i Ronaldo09 dia izao no valiny. Rehefa miresaka Baiboly ianao tompoko dia miresaka daholobe satria tsy nosoratanao na ny Ray amandreninao ny Baiboly. Ka raha mandray daholobe izay ianao dia naveriko taminao hoe mba maharary anao ve raha mihantra aminao sa natao ho an'ny sasany fotsiny. Ny hevitra rehetra miposaka sy afafy eto dia tena tokony hanaja ny fomba samihafa ka na ianao nanaposaka azy aza diniho ihany fa midona any amin'ny maharary ny sasany. Na ahitana fafinaretana aza ny fampirafesana sy ny filalaovana fijangajangana izany tsy midika fa ny Baiboly no hozongozoninao. Hanimba ny ho avin'ny taranaka ny dinika apetrakao, sa Hamotika ny Baiboly, sa hitaona ny sasany tsy himno ny Baiboly intsony. Tena samihafa tokoa ny fandraisana hevitra.
12. ronaldo09 ( 19/10/2007 17:29)
Hevitra aroso ny ahy zokibe fa za hoy aho tsy ao anatiny fa vokatry ny fanadihadiana nataoko io!
13. fijo ( 19/10/2007 21:49)
aza avy dia miakatra ry Jeankely an,hevitra ny azy io,de valio arak'io koa.aza miaktra izany koa raha misy miresaka baiboly fa boky io,misy milaza io boky io ho masina ,misy ny mahita azy ho boky tantara,ka samy manana ny fahitany io fa tsy mifanambany.
raha hilaza aminay ve nareo hoe boky masina,io de horaisinay ompa izany????tsia,,satria aminareo izy dia izay.aminay io tantara
14. Jeankely ( 20/10/2007 03:12)
Tandremo tompoko ooo! Tsy haiko ary tsy hidirako na mino sy mivavaka ianao na tsia. Ho an'ny Muslim ny fikitiana Quran dia tafiditra ao anaty heloka mahafaty. Na mivelatra kokoa sy azo anaovana resaka aza ny Baiboly dia ny miteniteny foana tsy mety. Na miakatra ny anao na miforitra tsy olana io fa ianao no miazaka azy saingy ny Baiboly no ampiasain'ny mampiasa azy HANATANTERAHANA NY TSARA FA TSY HANAOVANA NY RATSY. Na resaka fitondram-panjakana io, na resaka firaisankina, na fanaovana soa, na tokatrano na inona na inona koa ahoana no ao ianao no mitetika hanaparitaka fomba tsy manjary. Milaza fa avy any @ toerana voalazanao ianao izay tsy averiko ary tena fantatra fa malalaka ny filalaovana firaisana @'io faritra io. Ny dokotera sy ny Gazety dia milaza fa @'io faritra io no be aretin'ny fitaovampananahana indrindra. Ka inona no hireharehana hoe avy atsy aho ary any @ Baiboly no misary kondrana. Politika moa ny eto fa ianareo no mamadika resaka ary ny Mapnohitra tsy mahavita azy no tena resaka eto. Samy nivoana ny resaka isiaka koa dia miala tsiny. Na mpanohitra mivavaka na mpanohitra tsy mivavaka dia tsy misy lanjany aloha hatramin'izao.
15. saranga ( 22/10/2007 06:50)
Tena tsy mpanao politika marina nareo fa dia mpanarapotsiny araka ny fitenenan'i namana rabaradaka zay. Sur ve nareo fa haharitra io isan'ny TIM ao amin'ny Assemblée io ? zao no lazaiko 89 ihany no tena TIM ao fa ny sisa dia fauxTIM.
16. Jeankely ( 22/10/2007 13:23)
Iza no malahelo na aharitra na tsia. Raha azonao dia mba alao ho jerenay fa tsy be resaka. Lazaina kely aina ny sasany nefa tsy voatosika fa izy indray no milomano manao Faux-TIM izany. Aiza ny atidoha sa poakaty? Efa hita fa tsy mahavita azy ary mila mika sasatra na mitady mpandimby mba mahavoa.=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0723