iza no safidiana? izy sa izy?

1. koffman ( 13/10/2007 07:50)
nisaraka zahay sy le sipako, roa volana taty aoriana de niaraka tamina sipa iray hafa zah, tena tiako be mintsy sady tia ahy koa,:-*
3 volana taorian'ny niarahanay sy ilay sipa vaovao de miantso ahy fôna le sipako taloha. De niverina niaraka izahay, :wink:
tsisy mahafantatra izy roa vavy sady tsy mifankahalala rahateo, nefa indray alina nadainga t@ le sipako faharoa (le vaovao io) zah hoe misy fivoriana vonjeko nefa hiaraka @ le anankiray zah @ io an, kay tratrany izahay niaraka, ... niezahana nalamina de milamina.
Ka amin'izao mbola miaraka @ izy roa vavy fôna zah, nefa ohatrany leo be zah le mampirafy nefa izy roa samy tiako be daholo, de iza no safidiako? omeo solution any e!!=((=((=((
samy mampalehelo an'ah rah ialàna
novalian'i mylenium ny 05/01/2008 17:04
2. tywa68 ( 13/10/2007 07:57)
koffman : tsy mety fa aza tia tena e ! tena mampalahelo izy 2, fa mety efa misy 1 @ireo tsy mila anao, jereo sy antontanio anie e :lol:
3. kallie ( 13/10/2007 08:02)
sô d tokony oe "popman" fa tsy koffman"?
4. mandrindra ( 13/10/2007 08:10)
raha samy tia anao daholo izy roa dia omeo fitiavana jiaby fa aza manavakavaka
5. Aino ( 13/10/2007 08:39)
tokony ambaranao azy roa vavy hoe mbola miaraka ny ankilany sy andaniny ianao ary samy tianao izy roa, dia anotanio andry zareo ny heviny na hisaraka aminao na tsia, dia hadinoy any aloha iznay hoe samy tianao izany izy, satsia raha izay faona ny eritreritra dia tsy maintsy ny homaly tsy miova ihany no eo, ka tokony anjaranizy mirahavavy indray izao no misafidy na eny na tsia. ianao no ho votojoa anie raha izao no mitohy eh.
6. kallie ( 13/10/2007 11:10)
8O ary tô niova andalana lay lohateny?
7. Kwasi ( 13/10/2007 12:03)
Ka amin'izao mbola miaraka @ izy roa vavy fôna zah, nefa ohatrany leo be zah le mampirafy nefa izy roa samy tiako be daholo, de iza no safidiako?


Samy tsisy tinao zany izy roa, mitadiava fahatelo.:)
8. sitlo ( 13/10/2007 13:38)
Tsara aloha rehefa tonga saina hoe mila misafidy. Fa saingy ny kely vita dia tsara lavitra noho ny lehibe nokinasa.

Saraho fotsiny ny iray dia ny tavela asoavina.
9. andryrabe ( 13/10/2007 15:10)
efa resaka nandeha teto foana izany ry reto a, anontanio i zankely fa hovaliany mazava ianao. marina moa.
10. naughtyboy ( 13/10/2007 16:10)
:-D:{iee ho avy eo izy fa aza taitra
11. soanja ( 13/10/2007 21:30)
Tena mba mahaliana ahy ny hoe ' nezahina nalamina de nilamina" mba omeo fanazavana mismisy anie e.
Sao mba misy olana ary izy mitsam samy nanaiky hoe halamina nefa zavatra tsy tokony ho hilamina?

1- aloha ianao nandainga tamle sipa iray.
2- tratra ambodiomby.
3- Iza no miafy matetika satria fizarana fotoana amzany sipa roa izany tsy maintsy misy voabe foana?
4- ny hoe LEO dia midika hoe tsy misy tianao intsony fa fahazarana sisa sa mahatsapa fa diso (guilt) sa ahoana? satria raha tianao anie izy miravv de tokony tsy ho leo ianao e fa tsara la vie.

Amiko raha misafidy aho dia izay nosarahina no mandefitra satria efa nanana chance nefa nisaraka.


12. mylenium ( 05/01/2008 17:04)
koffman:

kay tratrany izahay niaraka, ... niezahana nalamina de milamina.
samy mampalehelo an'ah rah ialàna


Ny ahy ny tiako nofantarina hoe nanaiky daholo v lé sipa roa tam zany ianao tratra am-bodiomby zany oe: samy miaraka aminao izy roa?:?:
D iza no vadibe, sa samy "au même titre"? sa misy "lésée" sy voapetrapetraka kely ihany ny iray amin'izy roa vavy?:(
Cas fréquent b zany am zao fa mampalahelo mihitsy lé sipa, samy tia anao ireo sipa roa ireo matoa manaiky izany situation izany....(l)(l)
Ny ahy lé sipa no tiako ho remontena morale fa ianao mantsy tsy maintsy handratra ny fon'ny iray, na izy roa vavy mihitsy :evil: (raha tsy hoe hanao bigamie angaha:^):-/)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0486