fomba fivavahana

1. lovanivaina ( 10/10/2007 06:37)
Mety ve ny mitehaka am-piangonana. Ary raha izany, dia ahoanano fipetraky ny fomba fihira am-piangonana. Azo atao ve hira mihetsiketsika. Ny hira am-piangonana, hoy ity Pastora, tsy tokony hampihetsi-po ihany fa tena mampibebaka marina.
Ny fihetseham-po ve tsy hiteraka fibebahana?
novalian'i prime ny 17/10/2007 12:39
2. LazaDaddy ( 10/10/2007 07:12)
lovanivaina>
1) Fiangonana inona?

2) Inona ny atao hoe "fiderana"? Azo atao ve ny midera an'Andriamanitra ao am-piangonana?
3. prime ( 10/10/2007 09:54)
lovaniaina> hazavao misimisy kokoa ny tianao ahatongavana fa hametra-panontaniana aminao eo daholo ny mpisera...:)

Tsy mety angaha ny mitehaka am-piangonana? tsy azo atao ve ny hira mihetsiketsika?...
4. niryna ( 10/10/2007 11:49)
lovanivaina:

Mety ve ny mitehaka am-piangonana. Ary raha izany, dia ahoanano fipetraky ny fomba fihira am-piangonana. Azo atao ve hira mihetsiketsika. Ny hira am-piangonana, hoy ity Pastora, tsy tokony hampihetsi-po ihany fa tena mampibebaka marina.
Ny fihetseham-po ve tsy hiteraka fibebahana?

Andao ary ho raisiko hoe any am-piangonana mino an'Atra .Kristiana no tiako tenenina fa aleo ny tsy kristiana hilaza ny heviny.
Arakaraky ny mpitondra fivavahana io ary misy karazany maro tokoa ny fiderana an'Atra.Misy fiangonana malezolezo,misy milanto,misy na ny fanjaitra mianjera aza dia heno,misy ny mavitribitrika ary misy ny mihogahoga.Samy maka izay tandrifiny sy tiany ary misy ilay FM mampahery sy manome fampianarana ny tenin'Atra io.
Misy mantsy fiangonana tsy sahy miteny ny marina fa izay mahafinaritra azy ihany no teneniny satria matahotra ny handositra ny mpiangona raha hilazana ny marina.
ka anjaran'ny tsirairay io fa samy maka ny tandrifiny avy.Mivavaha fotsiny mba omen'ny Tompo hery ahalala ny teniny isika.Mivavaha ihany koa ny mpitondra fiangonana izay hidiranao mba hilaza ny marina mandrakariva izy sy hitorin-teny an'i Kristy fa tsy mivoana any amin'ny hafa.
5. Kwasi ( 10/10/2007 13:05)
lovaniaina:
Mety ve ny mitehaka am-piangonana. Ary raha izany, dia ahoanano fipetraky ny fomba fihira am-piangonana. Azo atao ve hira mihetsiketsika. Ny hira am-piangonana, hoy ity Pastora, tsy tokony hampihetsi-po ihany fa tena mampibebaka marina.
Ny fihetseham-po ve tsy hiteraka fibebahana?


Mety.
Azo atao.

6. ikaretsaka ( 10/10/2007 13:15)
ny tanjona ve dia tsy ny hahatafita ny vavakao ho azy sy ny ny fitahiany ho anao e?
ka raha izany, samy manana ny fanaovana an'izany.
tsy haiko iznay fiangonana izany, fa any @ katolika io miavaka tsara mihitsy hoe rehefa hira fifonana dia somary mitalaho sy moramora izany na ny feony na ny tonony,

fa rehefa hira fiderana sy fanomezam-boninahitra... de mitsinjaka tokoa mkoa izany

http://katolika.org/content/view/113/43/lang,mg/
7. ari.malala ( 10/10/2007 14:36)
any am-piangonanay zao mampiasa sintetizera refa mitendry de refa hira mietsiketsika de asina bateria, de midola tokoa moa izany ary misy fotoana aza mitehaka tokoa.
8. ikaretsaka ( 10/10/2007 17:55)
:wink: izay mantsy
9. fijo ( 10/10/2007 19:52)
io miverina amin'ilay resako tary e,misy mody manjonitra vao miditra ampiangonana.io izao no ohatra iray.raha hafatra na vaovao mahafaly ve no aleha any,maninona raha mitehaka sy mandihy????????
10. pissoa ( 10/10/2007 21:19)
:-D:-D:-D:-D:-D
11. ikaretsaka ( 10/10/2007 21:59)
:-D:-D:-D:-D
ka mety tena te hiseho hoe avy niangona ny tena miaraka @ le talon sy baiboly sy motomototra ko!
fa laisany tsary tany fa izy ro tany!
12. tsaramaso ( 11/10/2007 02:09)
fomba fivavahana

fomba !!!!!!!! fomba !!!!!!!!!! iiiiiiiiiiiiiiiiiiiii
13. niryna ( 11/10/2007 04:06)
Misy indray tsy mitondra baiboly na fihirana intsony fa efa misy lamba lehibe mitovy ny halavany lamba-latabatra fa mitsanga dia iny fotsiny no mamoaka soratra vakian'ny mpiangona rehetra.
14. soanja ( 11/10/2007 05:35)
lovanivaina:

Mety ve ny mitehaka am-piangonana. Ary raha izany, dia ahoanano fipetraky ny fomba fihira am-piangonana. Azo atao ve hira mihetsiketsika. Ny hira am-piangonana, hoy ity Pastora, tsy tokony hampihetsi-po ihany fa tena mampibebaka marina.
Ny fihetseham-po ve tsy hiteraka fibebahana?


Lazao le pasitera fa tsy fibebahana fotsiny no aleha any ampiangonana fa hiaina ao amin'ny Tompo hoe! :-*:-*:-*


15. fijo ( 11/10/2007 20:20)
ika an,izay tokoa ngah aletsy.te haneo hoe izahay avy ary ka misakisaha fa masina aloha izao,fa rahampitso afera hafa
16. deric ( 12/10/2007 13:29)
heveriko fa tsy olana amin'Andriamanitra ny mitehaka sy manao hira mihetsiketsika ao am-piangonana; na dia heverin'ilay pastera fa tsy mety. Mahatadidy ny salamo Faha 100 mantsy aho: "manatona an'Andrimanitra amin'ny fihobiana" Tokony hazava amin-drapasy amin'izany fa tsy milantolanto (slow, bluse) no ahafahana mihoby; mety ho salegy,regge, mety ho tafiditra atramin'ny tsapiky sy kilalaka mihintsy angamba. Mbola ny salamo ihany no manentana hoe mitahafa tanana ry firenen-drehetra, ka inoako fa tsy miandry baolina ho maty ao mahamasina vao hitaheka, fa ao am-piangonana no tena tokony ahanaovana azy.
Diso ve aho sa tafahoatra ny filazako raha manao hoe tokony ho any am-piangonana no hamiharana an'ilay hoe MANALA AZY. samy resy lahatra ny rehetra angamba fa hadino ao anaty fihobiana ny blema rehetra, miditra avy hatrany le fifaliana.
17. ikaretsaka ( 12/10/2007 23:30)
zay manko.
tenenina le izy (ota) de iangaviana famindram-po dia faly mihoby sy mankalaza amin'izay
18. prime ( 17/10/2007 12:39)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076