Tia ve sa tsia

1. Antsatnk ( 09/10/2007 10:57)
Enim-bolana zay izahay tsy nifakahita,tsy haiko izay antony fa miantso azy am-pinday aho tsy mahazo mihitsy.Nis fotoana talohan'izay nifamaly izahay fa izy moa manana olo-tiana hafa ankoatrako.Tsyv aiko na efa nifanambady ry zareo na aoana fa tsy mety mandray ny antsoko mintsy izy.Iza no tiany izaho sa ilay olona?Kanefa izy efa fantatry ny olona ato an-trano de eo koa ny vavan'ny fianakaviana e inona no ataoko?Anova olona vaovao sa hiandry azy?Asa aloha fa miandry hevitra avy amin'nareo namana eh!!!
novalian'i andryrabe ny 12/10/2007 13:30
2. misset ( 09/10/2007 12:13)
Tsy aiko aloha fa samy manana ny heviny ny tsirairay a! fa ny ahy, raha iza manokana d efa niala nenina ianao nefa tsy nody ventiny mitsy ny rano natsakaina, d hoy ny Ntaolo hoe: "akoho tsy naneho otrizay lany ny kary" ny manova r'ise no mety a! nefa ianao ihany aloha e! zay no hevitra hitako
3. booboo ( 09/10/2007 12:18)
"akoho tsy naneho otrizay lany ny kary"


eka ouz !
4. hantakely ( 09/10/2007 13:49)
Miombokevitra am booboo sy misset koa aloha izaho,fantatro fa mafy fa mba teo am toeranao io koa izaho fa aza raharahana izay teneny manodidinao fa izay fantatrao fa mety no ataovy,ianao ihany no solution,ny fanafody ny fitiavana dia fitiavana.
5. Jeankely ( 09/10/2007 14:03)
Koa maninona ilay nilaozan'i Masera no mampalahelo anareo. Mbola tarabe koa anie io manoratra io matoa mbola manontany tena e? Raha izaho indray no hiteny hoe avy dia soloy tsy hoe oway oway ve? Aza matin'ny hazotokana izany. Olona efa tsy hay na nanambady na inona ary fantantrao miaraka @ hafa koa atao inona. Handrasana ho avy ve dia avy eo manontany tena indray rehefa sady ao antrano izy no mandeha mamangy ny ray rehefa mahatsiaro. Aza mitady olana na Challenge aza ny fianana fa sao mangoretaka eo konkoa
6. soanja ( 09/10/2007 14:24)
Ny ahy hoe manaova ezaka mitady azy dia mangataka hiresaka aminy. De eo hita izay hafitsony NA HEVINY.

Tadidio anefa fa "izay tia mifampitady". Raha mbola tia anao izy dia mino aho fa tokony nitady anao koa izy. Tsara anefa ny miala nenina sao marary izy na misy olana hafa de izay no antony tokony hitadiavanao azy. Tsy amin'ny alalan'ny finday intsony fa fomba hafa indray.
Mahaiza mampionontena. Io no fitiavana voalohany tsara atolotrao ny tenanao. Satria ny tenanao no anao fa ny hafa an'ny hafa. Aza manahy ny resaka fianakaviana izany. Lazao ny fianakaviana ny zavamarina raha misy manontany, raha tsy misy de rehefa mahazo sipa vaovao ianao dia ampiseho azy ireo indray, hoe io indray no Izy fa ilay teo tsy hitako izay nalehany.

7. Papoose ( 09/10/2007 15:07)
Amiko mety kely ny fitiavany anao raha mbola manana olona miaraka aminy izy!
Fa tena miombon-kvy @ soanja, vahaolana ray ny hitadiavanao azy ka hiresahanao aminy hijerena an'ilay tena situation de zay vao mandray decision.

Raha za manokana, aza mandany fotoana marary fo @ ol efa miaraka @ ol zany!lasa mpitaty reraka fotsiny enao!dia anaovany pneu de secours rehefa misy blem any @ le ray

Dia jereo koa hoe inona no tombontsoa mavesa-danja kokoa :ny hiverenanao miaraka aminy v sa manohy ny fiainanao sy ny hanatsara azy kokoa?

Mba mila jerena zany le pour sy contre @ le izy alohan'ny hahatara azy loatra fa sao de mamoy fo sy very fotoana eo fotsiny!

Mahereza dia korazy e!:-*
8. la ( 10/10/2007 05:20)
Ra ny hevitro indray de zao:
-tsara aloha miala nenina enao amin'ny fomba rehetra mihintsy satria enao zany mbola tia azy matoa manotany toy izao, de itanao eo avy eo hoe ahoana no atao refa afa-nenina enao.
-refa itanao ze maraina ka sanatria hoe tsimaintsy misaraka no iafarany dia aza mieritreritra vavan'olona izany fa ra ny fitantaranao de izy nge no nampirafy anao e, enao ve de izaka zany fona na de hoe mila fandeferana aza ny fitiavana? na fantatr'izao tontolo izao aza ny fiarahana ny fiainanao aza atao ambanin-javatra, mafy ny anadino azy sy izaka ze vavan'olona eo fa zay indrindra no tokony ampisehoanao fa afaka miaina enao fa tsy hoe tsita izy de maty koa enao.
Zay fa mahereza de mazotoa mivavaka e!:):)
9. Jeankely ( 10/10/2007 07:09)
Enimbolana tsy hita ve midika lasa niasa sa lasa andafy sa nianatra sa nanao formation sa any @ ilay iray? Aza dia mora manaiky apetraka izany. Ny mahavoa koa anie ity vao miaraka @ lehilahy dia omena calendre ry zalahy avy eo tsy manaja. Teneno tsara ny ankizy fa hafa ny CINEMA ary aza manaiky avy dia manome ny vatanao @'izao milaza tara rehetra izao. Hafa mihintsy ny mahazo ny lehilahy rehefa tsy mahazo io zavatra io.
10. xxx ( 10/10/2007 08:48)
samy manana ny sainy marina alony e fa raha ny hevitro manokana, izy efa manana olontiana hafa, nefa tsy hita mandritry ny 6 volana, aleo manova fiainana.
Aza asiana fanenenana fa tonga de ovao na de sarotra aza amin'ny volohany, efa lany fotoana 6 volana aza.
mirary soa de mahereza e :-*
11. xxx ( 10/10/2007 10:18)
Antsatnk:

Enim-bolana zay izahay tsy nifakahita,tsy haiko izay antony fa miantso azy am-pinday aho tsy mahazo mihitsy.Nis fotoana talohan'izay nifamaly izahay fa izy moa manana olo-tiana hafa ankoatrako.Tsyv aiko na efa nifanambady ry zareo na aoana fa tsy mety mandray ny antsoko mintsy izy.Iza no tiany izaho sa ilay olona?Kanefa izy efa fantatry ny olona ato an-trano de eo koa ny vavan'ny fianakaviana e inona no ataoko?Anova olona vaovao sa hiandry azy?Asa aloha fa miandry hevitra avy amin'nareo namana eh!!!

rah za ny eo am toran antsatnk, dia aleko miova pass, sady rah bola hiaraka aza nareo ohatra, dia hanangana bonheur né ny tadiavina fa ts hanorona enfer e.ny tiko tenenina d hoe tsimaintsy his fotona any aorina any hahatsiarovanareo ny zava nisy hatrizay, dia makamo b raha zany fona no iainanareo, sady ny tatara ts azo fafàna.
:idea: betsaka ny olona célibat eto am ty planet ty.
d mazotoa e

12. Jeankely ( 11/10/2007 08:33)
Marina iny saingy ilay manao xxx indraindray misary gaigy fa eto indray ny xxx ilay manome hevitra matotra. Omeo ny tena solon'anarana fa mifangaro ny adala sy hendry @n'ity xxx ity e.
13. reve ( 11/10/2007 08:50)
zao aloha e! ahitsy le hoe akoho tsy naneno hoatran'izay lanin-kary tsy zany tsony zao fa hoe akoho vavy!:D ,
matoa tsy heno hotrizay izy de mety efa zay tokoa no vita ny tantara e!kanefa de zao! ny fitiavana tsy misy regle precis hoatran'ny zavatra rehetra ka sao tonga ny andro ray hoe inty aho fa andao amizay !de zao zany no hevitro e! aza maika ny hiova lasy sa tena poritra be ? fa mieritrereta tsara vao maka decision!
de mahereza e! fitiavana dholo zany!
14. Jeankely ( 11/10/2007 10:24)
Efa poritra izy satria manontany sy manao eson-teny azy ny fianakaviany hoy izy. Ny lesona iray koa dia hoe aza miantsampy tanteraka ary aza avela anjakan'ny lehilahy ny mombanao rehetra raha tsy misy zavatra mitombina satria hiomehezan'ny lehilahy ianao rehefa mivelabelatra moramora aminy. Raha efa najakan'i dadatoa ny entana tsy maintsy marary ny fo sy ny saina. Andraso indray fa mbola ho avy indray koa ny fanjakazakana manaraka. Mba mailo fa aza entin'ny fo fotsiny. Matoa ny fianakaviana tsy mankasitraka ilay lehilahy dia misy antony maro. Mba misy henoina ihany ny zavatra resahin'ny fianakaviana fa tsy Challenge Challenge nefa avy eo mangorera.
15. Kwasi ( 11/10/2007 15:33)
Lava loatra izany 6 mois tsy hita izany, ka raha izaho ianao dia amboarina ny saina.
... Nefa moa raha te hiala nenina ihany ianao maninona no mionona fotsiny @ antso telefona fa tsy andehanana any an-tranony hampahazava ny resaka?
16. Jeankely ( 12/10/2007 03:36)
Aza adino fa ny olona avy nanao diso no manao "premier pas" fa tsy ny olona nanao ny mety. Raha toa ka tratrany nanao lehilahy na hadisoana hafa ianao dia mazava fa ianao no mitady izay ahitana azy. Fa raha izy manao vehivavy manjavona no zahavinao dia aza adino fa na lasa vadinao aza io dia mbola haveriny ny hoe efa nialana aho fa ianao nisisika. Ny lehilahy dia mila ampisehoana ny "valeur"-nao fa tsy hoe vehivavy dia natao enjehina ary tengenana dia avy eo mitady etsy sy aroa. Mandritra ny fiainana rehetra dia mila ampahalalana azy fa manana ny mahaizy anao ianao fa tsy ny fivaviana fotsiny akory. Aza mandandy amin'ny rariny izany. Rehefa manadala avelao. Tsy adala ny fianakaviana mandrara anao.
17. ari.malala ( 12/10/2007 12:19)
izaho vao namaky ilay hoe manana olon-tiana hafa ankoatra an'ilay nanokatra sujet ny olon-tiany dia avy dia ny hoe avelao no tao an-dohako! cas efa mateti-pitranga io tsinona hoe mila misafidy sns, nefa mety efa matotra ny any amle 1, d enao zany manantena sy miandry eo ftsn nefa izy ts mipotra, sady 6volana izany efa azo lazaina fa fotoana lava iany zany an, raha izaho manokana mints alou d aleo manova e! mahereza fa mbola any ny anjaranao.
18. andryrabe ( 12/10/2007 13:30)
tadidio fa misy ny anjara tandrify ee. miezaka ny olona fa tsy tafavoaka araka izay eritreretiny matetika. courazy eee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.064