Fahadiovana

1. ari.malala ( 08/10/2007 12:57)
Manahoana daolo indray,

Firy taona kay ny ankizy kely no tokony hadio? ilay efa mba mahay miteny pipi sy kaka reny? ny zanako mantsy 16volana, fa mbola tsy miteny, fa mbola manoa amin'ny lamba:{ ka couche no fampanaovako azy, dia mivoaka allergie ny feny, dia hoe avadiho slip, fa ozy mamanay (fa izy no mitaiza ny zanako mantsy) hoe aleo aloha atao lamba iany satria sao tampoka loatra amin'ilay zaza raha tonga de slip.
novalian'i miraymel ny 26/11/2007 05:25
2. soanja ( 08/10/2007 14:44)
ari.malala:

Manahoana daolo indray,

Firy taona kay ny ankizy kely no tokony hadio? ilay efa mba mahay miteny pipi sy kaka reny? ny zanako mantsy 16volana, fa mbola tsy miteny, fa mbola manoa amin'ny lamba:{ ka couche no fampanaovako azy, dia mivoaka allergie ny feny, dia hoe avadiho slip, fa ozy mamanay (fa izy no mitaiza ny zanako mantsy) hoe aleo aloha atao lamba iany satria sao tampoka loatra amin'ilay zaza raha tonga de slip.


Ny zaza ry Ari na 9 volana aza dia afaka madio raha toa ka zarina dian'ny mbola kely. Zany hoe io taoana resahiko dia ny Rad no manampy azy amin'izany fa sainyg izy efa mahalala mandefa anle izy refa atondrotra eo amin'ny gabone na potty.

Ny mahatonga ny allergie matetika dia satria somary efa ela loatra le nilona tao le maloto de iny misy asidra avy amin'ny sakafo de mampangidihidy sy manamasaka ny vatan'ny zaza, zany hoe tsy miaina le diapers, fa ny lamba kosa de mampiaina azy tsara satria lasa ny rano sns fa ny ventiny sisa tavela eo. Zany hoe ny tiako tenenina dia ilaina jerena foana sy anontanina le zaza na nipipy na nikaka.
Ampafantarina azy na mbola tsy miteny azy. Misy ny sign language momba izany fa saingy ianao afaka mamorona ny geste midika amin'ny fa te hipipy na hikaka izy. Ny sign language na ny tenin'ny moana dia azo ampianarina ny zaza na mbola 8 volana aza izy.
De iny ampiasaina foana mandrapiteniny tsara.

Ok, jereo tsara aloha zany ry Ari hoe isaky ny inona ny zanakao no mikaka na mipipy , isa-maraina de amin'ny firy, isaky ny adiny firy. Na nbola tsy manao an'izany amin'ny po aza izy dia atondrohy foana de jerevo raha hainy ny manao izany.
Tsara ny fampanaovana azy slipo direkta satria amzay lena be izy de tsy enga anie ka tsy ho tiany zany lena sy mifetafeta izany de hitomany na hanao izay hakana ny attention-nao izy hoe nipipy izy na nikaka satria tsy a l'aise izy.

Ny fahafantarana fa vonona ny zaza iray dia ny fankanesany ao angambone sa ve mitokana ny anareo? sady refa atondrotra izy de hainy ny mamoaka izany.
Na aziana tohatra ny kabone de asiana miakatra izy de mipetraka de miandry eo, raha hainy io dia efa vonona izy izay satria mila independent le zaza.
misy an'izay hoe window of opportunity , hoe raha mampiseho interest na liana tampoka le zaza de araraotina amin'iny fotoana iny, ka io de alohan'ny roa taona eo no isehoan'io na roa taona aza fa raha oriana dia somary tara. de ady be vao vita le izy.
Ny fanaovana toilet learning koa dia mila vonona ny ray aman-dreny psychologically satria mandoto tokoa io fotoana io sady soloina lava izy no manasa lamba lava. Eo no miseho ny fitiavan-janaka tanteraka sy ny faniavana ho tafita ka misy rad kamo de avelany fa tsy vitany de manao diapers le zaza jusqu'a izy 3 taona mahery efa mahalala menatra de mijanona amzay.

Tsy mora ny mandalo an'io period io saingy vita ihany refa mazoto sy kirina. Tsy maninona na cold turkey na ho tampohana le zaza amin'ny hanovana ny silipokely fa resahina aminy foana fa hanao silipo amzay izy. De miaramividy anle silipo ianareo sady izy avela hifidy azy. Eny zaza kely izy fa aza heverina fa tsy mahalala raha. Mahalala izy satria tenenina aminy sady omena azy ny top mialoha mba tsy ho tampoka aminy.
Ny change of routine de manahirana ny zaza fa raha lazaina mialoha aminy ny zavamitranga de vonona moramora ny sainy. Zany hoe teneindry zany hoe hipipy amin'ny kabone amzay an! manao silipo an! de zaza lehibe amzay an1 sns sns encouragement!
Ok mazotoa ary !






3. ari.malala ( 09/10/2007 06:54)
Miarahaba an'iSoanja, de misaotra betsaka @ valin-teny. Marina tokoa aloha hoe na 9volana aza d efa afaka madio e! satria nyzokinyz ao za no nitaiza azy d 7volana no natomboko natondrora d 9volana nadoi tanteraka, fa ny olako dia za ts maints miasa d mamanay no mitaiza ilay zaza ao antrano, d ts haik ots arany v sa aona fa d zany efa 16volana mbola manao lamba iany... Fa harahiko io torohevitra io ka! Ary mety ve raha ohatra ka isaky ny maraina sy ny hariva ary ny week end iany aho no miezaka ny manondrotra sy manazatra azy?
4. tslem ( 09/10/2007 07:22)
Ari >>> jereo koa ary am reny serasera fa ohatry ny misy dinika mikasika azy io zay any ra tsy diso ah. :)
5. xxx ( 09/10/2007 07:23)
Ny ahy ndray 21 mois.Efa mahay miteny kala, ary efa nanaiky ny hanao pipi WC.
Saingy, izy mo mandro @ koveta,de avela ao izy sy ny saribakoliny, kay nikapa ny anao vavy,nitsingevana ary le kapa be, niantso vonjy izy hoe:"tay be tay be neny a", ary de traumatisé t@ iny kala.Tsy nety nandro t@ koveta ntsony, sady tsy nety nipipy WC de niverina nanao taty lamba indray ... inn no fika?
6. sakaizakely ( 09/10/2007 07:58)
xxx> hiresaka zaza avy ve koa hiafenana anaovana xxx ? 8O8O8O8O

ari.malala> araky ny voalazan'i tslem, efa voaresaka ary @ reny serasera fa mandalova kely ;-)
hoatra ny mampanonofy le hoe 9 volana dia madio. Aty aminay manko kenakenaina loatra ny ankizy ny fahitako azy. Aiza ve ka 3 sy 4 taona ny anay vao madio. Zany aza mbola misy askidà raha vao perturbées kely ry zareo :^):^):^):^)

Amiko aloha tsy tara izany na dia 16 mois aza e ! Samy manana ny rythme-ny ny ankizy fa aza ampitahaina. Miankina @ mpitaiza koa io. Raha mbola tsy vonona ny mpitaiza dia tsy mety.

Ny couches ireny tokoa allergisants matetika fa raha toa ka misy lamba, aleo taty lamba ampiasaina. Tsy mitovy ihany ve raha mampiasa slipo koa ? Samy lamba ihany tsinona.

Ny lamba manko rehefa lena tonga dia henon'ilay zaza dia mahatsiaro tsy a l'aise izy, hany ka mitady tsikelikely tsy hanao am kilaoty intsony. Ataoko angamba fa tsisy olana raha tonga dia ampanaovina slipo ilay zaza

Ny couches indray tsy tsapan'ny ankizy fa lena raha tsy efa fenobe, ka tsy mamporisika azy ireo loatra @ fianarana hadio ka voatery miandry elabe vao madio ny ankizy zatra an'io.

Mahereza akia a ! :-*
7. ari.malala ( 09/10/2007 12:52)
Eny aza fa misaotra e, tadidiko tokoa iny dinika iny ka, fa handalo any aho hijery archive e! merci daolo e :-*:-*
8. Mandefitra ( 10/10/2007 08:53)
sakaizakely:
xxx> hiresaka zaza avy ve koa hiafenana anaovana xxx ?

ho fanajana an'i ari.malala ny antony satria azy ny sujet, fa za mba nijapy fotsiny. Fa afaka tsy mamaly sakaizakely ka. :)
9. ari.malala ( 10/10/2007 14:42)
Hay v Mandefitra le xxx e, tsisy tsiny re na niseho aza enao e! dinika no atao eto ka :) fa ny azonao atao de ny mirassurer anzy hoe tsy voatery otran'ireny fona refa mandro, de le miverina mipipi am lamba ndray, tenenina azy fa ratsy b zany miverin-dalana izany e, arak'io tenenin'i sakaizakely io hoe aza heverina ho tsy mahalala zavatra ny zaza satria hoe kely izy :) d mahereza e :)
10. Mandefitra ( 11/10/2007 07:47)
Misaotra , ny ataoko aloha zao mitanisa ny ankizy kely fantany ireny, de hoe i XXX (hehe)efa mipipy WC.
11. ari.malala ( 11/10/2007 12:07)
ie, zany koa zao azo atao.:)
12. miraymel ( 26/11/2007 05:25)
16 volana zany efa kely dia heritaona sy tapany e, ny tena tsara aloha couche tsy lamba tsony kosa e
fa rehefa tena misy fery be ny vodikeliny de hosory mitosyl, na maka fanafody kely an-jazakely any amin'ny dokotera ndry
_ atao madio be foana koa izy raha vao tonga amin'iny maratra iny
_ sasana savony nosy
_ de fafana tsara, tsy atao mando lava
_ le caca koa ne no tena mamparatra zazà raha vao elaela vao solona e
_ le pipi tsy de maninona
_ de fofonina kely izy masiso iny tonga de soloina vao caca no ataony
_ tsy de hoe eo no eo kosa fa mba miandry kely 15 mn ohatra sao de mbola tsy vita tsara ka simba fotsiny ny couche
sady ny couche efa lafo
miandry kely erintaona any ho any ndry sisa de tena tsy de hisy olana amina pipi sy caca zany tsony
za kosa aloha tsy de manaiky an'ilay fitaizana hoe terena zarina le zazakely tsy hanao pipi klôty tsony nefa mbola tena kely, fa manjary mampalahelo izy, taona roa eo amin'ny fiainany ve izy ry reto no mba hanao an'izany
mialehibe izy de zarina tsikelikely, mahay miteny kely izy zay vao tsy maintsy zarina pipi pôt amin'izay
ountsssô, mahafinaritra anie ry reto ny zazakely e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8843