Trondro maina ampiarahina amin'ny ovy endasina

1. rinja ( 24/09/2007 15:57)
Iza no tia trondro maina ro sy ovy frity atao laoka atoandro ? Tahaka izao no fanaovana azy raha hanandrana ianao.
Mila trondro maina mitapesaka tsara ireny, bebe nofony aloha no tena tsara ary avy amin'ny ranomasina
Mila voatabia sy tongolo
Mila anamalaho
Mila ovy
Atao aloha ny saosy voatabia sy tongolo dia potserina tsara mba tsy hitambaingana. Arotsaka ao ilay trondro maina be nofony saingy tetehina ihany kosa aloha e ! Rehefa mifangaroaro tsara ao iny dia asiana rano amin'izay arak'izay tianao nefa kosa mba mifanahatsahana amin'ny saosy sy ny trondro maina. Izany hoe ny isan'ny olona hihinana azy tokony hifanahatsahana amin'izay andrahoinao fa manjary ratsy na lasa ro be tsy laitran'ny bala no azonao avy eo ka ratsy.
Tandremo ny sira satria ilay trondro maina efa be sira.
Vita izay dia avela hitaingina maharitra satria ilay trondro maina mety mafy ka aleo mba azo tsakoina vao ajanona.
Manendy ovy ianao avy eo.
Vita daholo ireo dia arosoy mafana fa mampilendalenda tokoa.
Tandremo, ho an'izay fady trondron-dranomasina na mangidihidy raha vao mihinana azy fa tsy tsara. Soloy trondron-dranomamy maina ilay izy nefa tsy azoko antoka ny tsirony noho iretsy notanisaiko
Dia mazotoa e !
novalian'i rinja ny 26/09/2007 11:20
2. simplex ( 24/09/2007 16:22)

misaotra eee ^:^^:^

ary rahoviana no ampiasaina ilay anamalahy? :P in no azo atao solony ra tsisy? :)

Ahoana kou ny fanalana sira an'ilay karazana trondro maina be sira be ireny? :P

merci
3. kiadi ( 24/09/2007 16:38)
elah lety mahanôna be le!! tssss
4. sipagasy ( 24/09/2007 16:58)
ka ato @ sehatry ny sakafo anie i kiadi izao e! hiih:-D
5. kallie ( 24/09/2007 17:33)
za atramzay ts nety tia an'zany trondro maina zany mints
6. simplex ( 24/09/2007 21:08)

kallie,
enao marina,
za zany te hinana mafy :)
tsy hoe ratsy akory ny trondro lena fa tena hafa mintsy le tsirony refa trondro maina, sy ovy, sy sakamalaho, sy anamalaha :miam::miam:

atao sosy koa tsy koi matsiro be ^:^^:^
7. soanja ( 25/09/2007 00:03)
rinja:

Iza no tia trondro maina ro sy ovy frity atao laoka atoandro ? Tahaka izao no fanaovana azy raha hanandrana ianao.
Mila trondro maina mitapesaka tsara ireny, bebe nofony aloha no tena tsara ary avy amin'ny ranomasina
Mila voatabia sy tongolo
Mila anamalaho
Mila ovy
Atao aloha ny saosy voatabia sy tongolo dia potserina tsara mba tsy hitambaingana. Arotsaka ao ilay trondro maina be nofony saingy tetehina ihany kosa aloha e ! Rehefa mifangaroaro tsara ao iny dia asiana rano amin'izay arak'izay tianao nefa kosa mba mifanahatsahana amin'ny saosy sy ny trondro maina. Izany hoe ny isan'ny olona hihinana azy tokony hifanahatsahana amin'izay andrahoinao fa manjary ratsy na lasa ro be tsy laitran'ny bala no azonao avy eo ka ratsy.
Tandremo ny sira satria ilay trondro maina efa be sira.
Vita izay dia avela hitaingina maharitra satria ilay trondro maina mety mafy ka aleo mba azo tsakoina vao ajanona.
Manendy ovy ianao avy eo.
Vita daholo ireo dia arosoy mafana fa mampilendalenda tokoa.
Tandremo, ho an'izay fady trondron-dranomasina na mangidihidy raha vao mihinana azy fa tsy tsara. Soloy trondron-dranomamy maina ilay izy nefa tsy azoko antoka ny tsirony noho iretsy notanisaiko
Dia mazotoa e !


Oy, oy oy matsiro be le izy na dia mbola tsy any antrano aza zah hahandro azy. Oay hay moa aty tsy misy anamalah. :(
Misaotra o. Andefaso hafa koa raha mbola misy any o.


8. meva2 ( 25/09/2007 07:12)

Merci e, izaho mbola tsy nihinana trondro maina mihitsy hatrà izay niainako !!
9. kallie ( 25/09/2007 11:02)
simplex> ts aiko fa na ny fofony ar d ts tiko, tadidiko refa makany am bebenay d io no dongindry zokinay atao lôka, fa za ts tia
10. simplex ( 25/09/2007 11:37)

kallie,
sao d trondro maina ratsy izany :°):-D:-D
misy karazany kou nge ireny fa zany hoe za tsy mbola nihinana ratsy mintsy e :)

meva2,
mieux vaut tard q jamais
;-)
11. Soniamada ( 25/09/2007 16:42)
simplex:


Ahoana kou ny fanalana sira an'ilay karazana trondro maina be sira be ireny? :P

merci



na lomana rano alina iray! na koa rehefa masaka dia asiana ovy manta dia absorber-ny ny sira. Mety @ sakafo rehetra be sira io fa andramo
12. simplex ( 25/09/2007 17:16)

misaotra lesy a

Sonia:
na lomana rano alina iray!
sao d mila sasana sy akobana kou :roll::°):-P
13. Soniamada ( 25/09/2007 17:51)
tsisy fisaorana
kobano tsara fa sao tsy afaka ny ranontsavony ka hanahirana :-D:-D:-D


soanja>>> any @ mpivarotra sinoa any aminareo anga tsy misy? tsy haiko ny any fa ny aty frantsa any @ sinoa no misy anamalaha
14. kallie ( 26/09/2007 06:49)
simplex> efa oe ny ol tia anle iz dôly fa za tode bloké na d lé fofony fotsny az, ts enao rery no mieritreritra oe sampona, fa ts tiko fotsny ko
15. rinja ( 26/09/2007 11:20)
Misaotra tamin'ny fandraisanareo anjara fa ho an'izay tsy tia dia izao no entiko manampy azy. Misy karazany ny trondro maina. Ilay mbola dôro be ireny fantenana fa tsy ilay efa lozotra be nodanihan'ny andro sy ny vovoka teny ampivarotana azy. Raha manana havana avy any amin'ny morontsiraka ianao dia manafara amin'izy ireo fa any mbola azo antoka fa dôro. Le eto Tana mantsy efa misy lo na motraka. Tsy izy rehetra an ! De mody hosoran-dry mpivarotra menaka tsy fantatra hoe avy aiza izany le izy de ohatry ny mbola mijajika tsara. Fa efa vizana le trondro amin'iny.

Mikasika ny anamalaha tokoa dia adinoko ny nampiasa azy fa azafady. Rehefa manao saosy dia amin'iny izy no arotsaka ary andrahoana ohatra ny nanazavako azy tery aloha ihany.

Marina ny an'i Soanja, lomy rano mandritra ny iray alina ny trondro maina fa mba afakafaka ny sira amin'izay. Tandremo fa tsy mety atao sakafoin'ny olona fady sira ity laokako ity an ! Sao mampihinakinam-poana ka ahitan-doza. Iny rehefa tafiditra any anaty tenda any dia izay no vita va ary ambany ary vao mijanona raha mbola tafavoaka ny tonelina mangitsokitsoka izy amin'izay.

Sakafo hafa indray no arosoko eto.
Ny voanjo dia azo atao saosy ho an'ny masikita tsara raha tsy mahita lasary manga na zavatra hafa ianao.

Maka voanjo dia totoy. voanjo masaka no tsara kokoa. Tsy atao zara raha masaka le voanjo raha ianao no manendy azy fa aleo ireny voanjo tsara masaka ireny no ampiasaina. Totoy izy io dia tsy atao potika be ohatry ny sira koa fa aleo mba asiana mitambaingana kely. Vita izay dia manaova saosy voatabia sy tongolo vodiny. Rehefa potsitra tsara ireo dia arotsahy ao anatiny ao ny voanjo efa voatoto ary asio rano. Tsy atao be rano fa ratsy. Tsy atao marihitra loatra ohatry ny patina mofobaolina koa anefa fa somary madity mitsiranoka ihany e !

Asio sira kely fa tandremo sao be fa ratsy an !
Hano mafana miaraka amin'ny mosakiky izany fa mafilotra an !

Raha mahita mahôgo na mangahazo ianao, nandrahoina tsy natao teti-pohy fa lavalava ka rehefa manakaiky ho masaka dia iny atao fanampiny ka sady mihinana mangahazo mafimafy iny ianao no manitrika masikita ao am-bava efa avy novontosana saosy voanjo fa avo ny kintana ka tsy takatry ny tananao.

Mazotoa an !
Aza asiana toaka fa simba le tsiron-tsakafo.
Bye
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5621