Dia ho lasa zava-mahadomelina koa ve?

1. Kwasi ( 07/09/2007 01:39)
Asa na mba efa nisy voan'ity fa dia loza ny nahazo ahy t@ ity indray mitoraka ity. Asa hoatr'izany ve no mahazo ireny olona tapaka sigara na tsy ampy kafe ireny na ahoana, fa ny ahy na ny tele, na ny radio, na ny hira t@ ny lecteur mp3, na ny boky sy gazety tao @ toerana nipetrahako tsy nisy nahavaha ny olona nahazo ahy na nanary dia. Tena tsy nahazo aina e. Nisaotra fa mba nahita tory ihany aza ny alina. Ny nahazo ahy: adinoko ny stylo.
novalian'i mandy ny 08/09/2007 09:11
2. Angolaina ( 07/09/2007 08:16)
=))=)) fa inona no tena naha special an'ilay stylo ?
3. menalamba ( 07/09/2007 09:53)
Lalina izany:roll::^)
4. Kwasi ( 07/09/2007 11:42)
angolaina> Tsy special koriny ilay izy fa tena hoatry ny torture be ilay tsy afaka manoratsoratra.
Tsy hita fa efa zatra milalao an'iny loatra ny tena e, nefa tsy mba nisy hoe "gitara" ho tendrena na "sodina" hotsofina:-D:-D:-D
5. mandy ( 08/09/2007 09:11)
k'angaha tsy mba nisy zava-davalava azo nasolo stylo teo akaikikaikinao teo e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.063