Aiza Neny?

1. sipamola ( 16/08/2007 09:50)
Manao ahoana daholy.
Zao ry reto a 37 taona zah zao manambady niteraka 2 lahy kely, za de mbola tsy nahita zay Reniko zay niteraka ahy nefa mbola velona soaman-tsara any izy!!!
Isakiny ny manontany an'i Dadanay zah de lasa ady ny fiafarany, tsy mahazo valinteny mahafapo; tsy manana havana mipetraka eto zah fa ny Anabavin-draiko tokana izay mipetraka any Tuléar kou de tsy ahitana valin-teny mintsy!!!
Mba mila ny hevitrareo zah é, inona no tokony hataoko inona ny vahaolana?
Zay fa manantena valiny bdbe zah
Veloma dôly mba valio é
novalian'i poussy3 ny 16/08/2007 16:35
2. Joany ( 16/08/2007 10:08)
Mahareta tsy ela fa ho hitanao izy amin'ny fotoana tsy ampoizinao. Aza atao mankarary fo anao izany ary aza iadivana dadanao. Tambatambazo izy dia hohitanao eo fa hilaza izy rehefa ela.
3. fasaly ( 16/08/2007 13:27)
fangah dia tsy mb misy source hahafantarana azy mihintsy ......raha fantatra ny anarany sy fanam^pinanarany dia mety ho hita rah atao ny fikarohana:roll:
4. evasoa ( 16/08/2007 13:41)
tsy misoratra @ copie ve ny anarany ?

manaova fitadiavana any @ firaisana na fivondronana @ zay toerana nipetrahareo fahiny

zonao ny mahafantatra ny nihavianao. fitiavantena ary tsy rariny ny an drainao manafina ny marina aminao, na inona na inona ta ntara nisy tamin'izy mivady, tsy manome alalana azy hanafina aminao ny momba ny reninao

5. Fiffi ( 16/08/2007 15:28)
sipamola: :(...enganié ka hisy valiny ny fikaroana hataonao ...fa tena raha misy zavatra mafy angamba de zao mahazo anao zao...courage foana an !
6. xxx ( 16/08/2007 16:32)
ny ahy ndray ny fahafantarako azy, de sao de zaza nariana enao ohatra, de tsy fantatra zay reninao, na oe zanaka relijiozy (masera),fa jereo marina ao anaty copie, de efa lebe enao io, de afaka manao recherche, fa ny ray no mety sarotra tadiavina, fa ny reny zany mora hita, de mahità ny rariny e!
7. poussy3 ( 16/08/2007 16:35)
fa efa hitanao ve io reninao io tam mbola kely enao? de tadidinao?:?:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1573