Sehatra aiza avy no esorina raha manao teny vahiny
1. Jeankely
(
16/08/2007 04:40)
Nohon'ny hetsika nataon'ny mpandrindra izay hisaorana amin'ny fanalana ny teny vahiny nampiasana tany amin'ny dinika sasany dia mba mametraka fanontaniana ihany hoe fa sehatra aiza no azo ampiasana na tsia ireo teny vahiny? Toa mahita SOLON'ANARANA "hery" mampiasa teny vahiny mantsy ny tena.
novalian'i Jeankely ny 18/08/2007 08:10
3. hery
(
16/08/2007 08:26)
hmmm... fa tena mafy be aminareo ve ilay tenenina hoe tsy miteny vahiny?
Rehefa tenenina hoe aza miteny vahiny dia tsy mijanona fotsiny amin'ny hoe toa mba tsara izany fa lasa ny hoe
- Ry anona miteny vahiny
- Sehatra aiza no itenenana sy tsy itenenana vahiny
- Ny webmaster koa toa miteny vahiny
Marina mafy, ohatra ny hoe terena ianareo hampiasa ny fiteninareo.
Inona no hiraharahianareo izay olona miteny vahiny any fa ianareo no tokony hahatsapa tena hoe afaka sy tia manoratra manoratra teny Malagasy aho. (dia teboka)
Ny faniriako dia ny mba hiteny malagasy ianareo eto... ary mba heveriko fa fanirianareo izany (indrindra ianareo milaza ho tia tanindrazana io). Tsy hoe tsy mahay teny frantsay na anglisy akory izahay (ny mihoatra an'izany aza hainay), fa teny gasy no ifanarahana. Toa mampalahelo mafy anareo mantsy ilay asaina miteny gasy ka tsingolohanareo etsy sy eroa hoe niteny vahiny kely ve i ranona sa tsy niteny vahiny... dia avy eo ianareo atsy amin'ny politika milaza fa te hampandroso an'i Madagasikara. Dia hisy hino anareo ve?
Tsetsatsetsa tsy aritra iny... fa taiza tokoa aho no niteny vahiny tsy nanaraka fitsipika?

5. sakaizakely
(
16/08/2007 19:50)
hain'i hery tsara mintsy ange ny mamaly azy e !
tena maivoka ka gina lery ary tsy saky niverina intsony avy eo fa ary ambadika ary no miwawawa miala vokona :-D:-D:-D:-D ...

6. Jeankely
(
17/08/2007 10:58)
Tsy maivoka mihintsy fa mbola avy. Asa na marary fo na ahoana ny olona manana andraikitra? Ny teniko hoe rehefa misy fepetra hapetrakao dia ianao no voalohany manaja iny. Tsy asiana fanavahana fa manjary hafa-kely izany. Mazava fa tia ny tenindrazana izahay fa milaza hoe ampitovio fa aza atao mandeha ila. Ny hoe mahay mihoatra ianao ry HERY dia tsy mahagaga mihintsy fa manana manampahaizana avo lenta tokoa ny Malagasy manana anao. Koa dia hisaorana lehibe.
7. hery
(
17/08/2007 15:42)
:-)
Tsy any ilay resaka. Ny tombo sy hala tsy misy. Ny zavatra tsy tratra no resahiko. Ny azonao atao dia ny manampy anay miteny hoe etsy misy tsy manara-dalàna... fa tsy mametraka sahady hoe misy fitongilanana.
Io ilay nolazaiko foana hoe raha tratra mangalatra ianao dia tsy hiteny hoe maninona i ranona nangalatra tsy nosamborina?
Fa taiza tokoa aho ho'aho no niteny vahiny ranoray?

8. Jeankely
(
18/08/2007 05:01)
Ny Serasera manja amiko matoa aho mirotsaka mandray anjara. Ka tsy fitsongolohana ny mpandrindra fa mba resaka nivilana ny ahy iny. Izaho izany no folaitra fa dia misaotra betsaka e. Mitohy mankafy ny Serasera aho.