Tsy maintsy ahitana an'zao foana ve ?

1. Fiffi ( 10/08/2007 07:36)
AMBOHIMITSIMBINA. Nirohotra nankeny Ambohimitsimbina ny mpitandro filaminana marobe. Nisahotaka ny iray tanàna, nandeha mantsy ny feo fa misy zavatra hafahafa eny.
Nisy nikasa hanao “sabotage”

Nisahotaka ny teny Ambohimitsimbina omaly alina. Nandeha mantsy ny feo fa misy an-dian’olona mikasa ny hanao sabotazy teny. Ny fitaovana lehibe fampitana vaovao an’ny CFI (Canal France International), izay nampita mivantana ny fizotran’ny lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy tao Mahamasina no lasibatra tamin’izany.

Niakatra teny an-toerana avokoa ny mpitandro filaminana rehetra ary efa nivonona tamin’ny fisamborana mihitsy. Rehefa natao anefa ny sava hao sy ny fanadihadiana rehetra dia toa feo mandeha fotsiny ilay izy fa tsy tena misy vaovao marim-pototra. na izany na tsy izany ahiana mety hiseho mihitsy ny toe-javatra toy izany. Nandray fanapahan-kevitra noho izany ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny mpitandro filaminana ka nametraka andiana miaramila hiambina ny fitaovana rehetra fampitana vaovao eny Ambohimitsimbina.

Tsy mandry andro tsy mandry alina mihitsy ny mpitandro filaminana mandritra ity Lalaon’ny Nosy atao eto amintsika ity. Marobe rahateo ny vahiny mandalo eto Madagasikara, na atleta io na olo-manan-kaja, toy ny Filoham-pirenena sy minisitra samihafa.

Naratra marobe

Marobe ireo olona nandalo notsaboina teny amin’ny HJRA, omaly alina. Tamin’ny ora nandalovanay teny an-toerana fotsiny (tamin’ny 8 ora sy sasany alina) dia efa nihoatra ny 60 ireo olona notsaboina tao. Manao tohivakana ny fiara mpitondra marary sy ny fiaran’olon-tsotra mivezivzy mitatitra ireo maratra. Ny ankamaroan’ny olona notsaboina teny dia saika ratra vokatry ny loza teny an-dalambe avokoa. Tao ny naratra vokatry ny fifanosehana teny Mahamasina, tao ny naratra vokatry ny ady teny an-dalam-be. Nisy tamin’ireo naratra koa no voadonan’ny fiara. Tsy ny naratra ihany anefa no nentina notsaboina teny Ampefiloha omaly, fa marobe koa ireo izay torana vokatry ny fisotroan-toaka be loatra ka tsy maintsy nodiovina ny vavoniny. Hatramin’izao ora anoratanay izao aloha dia tsy mbola nisy tarehimarika ofisialy azon’ny tomponandraikitra nomena, satria mbola marobe ireo olona mifanaretsaka eny, mbola samy sahirana avokoa ny rehetra, ny fety rahateo mbola tsy tapitra. Inoana fa anio no hivoaka izany ary hotaterina eto ihany.

Sandoka

Tranga iray somary nanamaloka kely ity lanonana fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Lalaon’ny Nosy koa ny fahitana ireo tapakila sandoka nisy nivarotra teny an-toerana. Marobe ireo olona te hijery nefa tsy nahazo tapakila ka ireny no nisy nanararaotra. Tsy nitazam-potsiny ny mpitandro filaminana fa nihetsika avy hatrany, ka nisy tany amin’ny 145 tany ho any no tratra. Izay tena nihavian’ny tapakila sandoka kosa dia mbola karohina fatratra hatramin’izao. Nisy ihany koa ny fanapahan-kevitra noraisina ho an’ireo olona voafitaka tamin’ireo tapakila sandoka, ka natao ihany izay nahatafidiran’izy ireo arakaraka ny toerana nalalaka tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina.
Midi Madagasikara
novalian'i Fiffi ny 10/08/2007 15:55
2. Fiffi ( 10/08/2007 07:38)
ny honohono , ny sandoka , ny maratra , ny taoka ve tsy maintsy misy foana rehefa lalao ohatran'zao ?
3. johnnyandri ( 10/08/2007 09:48)
Tiaitaitra ny olona, dia miakatra ny impulse. Miaraka mirona dia miaraka mikorontana, zara aza mba misy zava-baovao hanalana azy dia raikitra ny tsy filaminana e. Fiainana daoly izany.
4. ikaretsaka ( 10/08/2007 14:00)
ny tsaho aloha rehefa misy zavatra malazalaza dia misy foana e
5. Fiffi ( 10/08/2007 15:55)
mahagaga mintss an !:roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5107