izahay TSY HIASA , TSY HIASA

1. tezitra ( 19/07/2007 15:29)
Tsy Hiasa,

Mangina ty vava ry tropin- dRamose,
Fa sady mahatezitra no mampmé,
Saingy zanaka ministra sy ambasadeur,
Dia manompa ny gasy sy mipoerapoera?

Tsy vitan’ny efa nampahantrana
Fa mbola ampianao fandatsana
Ary dia lazainao fa kamo tsy miasa ny vahoaka
Izany no mahatonga ny fiainany tsy tafavoaka!

Mihinana soa tsa ho kenda ry zanaka mahitahita
Ny vola raha tsa ho lany
Fa aza ny vahoaka no ilana kisa
Sao ho avy aminao ny tsy mety indray andro any

Izahay tsy hiasa ho anao intsony
Ry fitondrana tsy mataho-tody
Ny madinika no fetsena andro ama’alina
Ny mpanankarena, amnistie fiscale

Ratsiraka: mamokatra, mamokatra hatrany
Ravalo: miasa, miasa ihany,
Inona hoy ianareo no iafarany?
Mahantra ny gasy, kere ny tany.

TEZITRA IN RANOMASO
novalian'i Jeankely ny 20/07/2007 13:17
2. xxx ( 19/07/2007 16:19)
"tezitra":
Ratsiraka: mamokatra, mamokatra hatrany
fa namokatra inn lé?namokatra nampamono ny pokona?olona tsy mendrika lazaina na d ny anarana azy!allez oust!!!!
3. lanto ( 19/07/2007 16:55)
izay ihany no novakian'i xxx tao :-)
4. pissoa ( 19/07/2007 17:46)
hita i xxx hoe tsy namaky tsara :-D:-D:-D
5. sitlo ( 19/07/2007 18:35)
:-D :-D:-D

ranomaso ranomaso
hozy ra8 we andraso
6. menalamba ( 19/07/2007 21:36)
Sssshhi...Poety mangorera:-DNy rebak'omby lesy ry tezitra atono dia ataovy siligaoma,amin'izay ny vavan'ialahy mangina tsa minaonaona.....:°):-D:-D
7. kanota ( 20/07/2007 04:52)
Ireo zatra ny mpivadidela fa tsy manana hazondamosina. Rehefa tsy mahay miteny Malagasy na manompa ny Malagasy sy mihirahira ny fijaliana sy fahantrana dia mody miseho ho miandany amin'ny vahoaka izay avy nompainy. F'angaha tsy mahay mijery ny teny nataonareo tany aloha izahay ry doodrona no miseho avaty aminay indray? Tsy mila tezika.
ANGRY DOG=))=))=))
8. nathie86 ( 20/07/2007 12:24)
ra za d avoakako boky kely io talenta io klé, mety ho b mpvidy b=))=))=))=))=))=))

Ay v i Deba namokatra eh:roll:
ny an'i ra8 ndray zany miasa tsis vokany v:?:
9. bozyboleta ( 20/07/2007 12:44)
O r'itony e! Kay ve miteny gasy ihany le tezitsa e!
Sa mamon'ny politika de nivadi-dela?
10. Jeankely ( 20/07/2007 13:17)
Manahona ry tonaka bozylove. Elaela an? Efa hita nivadidela. Miandry ny vahoaka hanampy. Efa rakatry ny olona ny zavatra nolazaina tany aloha. Veloma lava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008