Fianarana sy fialam-boly ary fialantsasatra any aminareo!

1. niryna ( 15/07/2007 18:13)
Miarahaba antsika rehetra indray aho.
Mba mahaliana ahy ny fianarana sy ny fialam-boly ary ny fialantsasatra any amin'izay misy anareo any.Mba afaka mizara amin'ny namana ve ianareo sy ilay toerana ?:D
Aleo atomboko ny aty aminay.
Toerana:Amerika
Raha ny fianarana dia maro ny fanampiana ataon'ny fanjakana ka na ara-dalana na tsia ny rar dia afaka mianatra daholo ny ankizy8)8)
Raha vahiny ka tsy mahay teny anglisy dia ampianarina manokana ny ankizy ary rehefa mahay dia alefa mianatra miaraka ny rehetra.Tsy misy vola aloha fa maimai-poana.
Tsy mandoha vola ny mpianatra any amin'ny fanjakana ary manao uniformes toy ny any amintsika ihany koa.Misy fisakafoanana any am-pianarana ary raha manana ny rar dia mandoa vola kely fotsiny,matetika dia mihinana sakafo maraina sy atoandro any ny ankizy ary amin'ny telo vao mirava.
Misy fandaharana rehefa avy mirava ka misy ny mampianatra maimai-poana ny eti-mody sy ny mozika ary ny fanantanjahantena.
Raha miasa izany ny rar dia mahazo tombo-tsoa ny ankizy fa misy fandaharana any am-pianarana.
Ny bibliotheque koa dia misy fandaharana ka any ny ankizy no milalao ordinateur sy manao ny enti-mody ary miandry ny rar haka azy.
Ny university no mandoa vola fa tsy mitovy ny any amin'ny hafa:Na misambotra vola ny ankizy dia mamerina rehefa vita ny fianarany,na ny rar no mandoa ny ecolage.
Ny mahantra sy ny manananon-tena aty dia mahazo fanampiana daholo rehefa mianatra ny ankizy.
Fialamboly
Misy sampan-draharaha manampy ny tanora ka afaka manaraka ny fanantanjahantena ny ankizy mba hiarovana amin'ny ditra kely madinika sy goavana.
Misy fandaharana toy izany ihany koa any am-piangonana ka toy ny tanora mandeha any amin'ny boite de nuit,ny tanora any am-piangonana miangona ,mifanakalo hevitra ary milalao sy manao fanantanjahantena maro samy hafa.
Fialantsasatra
Amin'izao vakansy izao dia misy sampana maro ny fanjakana no manao azy:mandeha manao camp ny ankizy ka mijanona any roa ka efatra herinandro.Mivoaka lavitra ary misy bus mitondra ireo ankizy marobe mandeha milasy,manjono,mitety toerana,milomano sns.
Ny manambola dia mandefa ny azy any amin'izay tiany ,ny zanaka mahantra koa dia mahazo fahafinaretana mandeha any amin'ny toerana hafa.
Na vakansy aza ny ankizy dia mianatra ireo ankizy tsy afaka na tsy nisondrotra kilasa fa mbola manana chance ny hanao fanadinana alohan'ny fidirana sept.
Misy sekoly marobe misokatra mandritra ny vakansy ary mampilalao ny ankizy rehetra(tsy mandoa vola),misy fisakafoanana ihany koa ka na mpianatra na tsy mpianatra ao amin'ilay sekoly dia mahazo misakafo maraina sy antoandro ao(2 taoana ka 18 taona).
Izay ny aty aminay ,ny anareo mba ahoana?Ary aiza ilay toerana?:roll:
(l)niryna
2. ikaretsaka ( 15/07/2007 18:28)
tsy manenjika an'i niryna aho fa manitsy kely fotsiny
tsy voatery hanao uniforme ka.. raha any @ prive de ia fa raha tsy any tsy manao
aza adino koa ankoatran'nhy ny sumemr camp, ny ligue sy ny hobbies isan-karazany rehefa miala voly
3. niryna ( 19/07/2007 04:17)
ikaretsaka:

tsy manenjika an'i niryna aho fa manitsy kely fotsiny
tsy voatery hanao uniforme ka.. raha any @ prive de ia fa raha tsy any tsy manao
aza adino koa ankoatran'nhy ny sumemr camp, ny ligue sy ny hobbies isan-karazany rehefa miala voly

=))=)) angaha izany manenjika,tsy uniforme manao tabliers toy ny any dago no tiako ho tenenina fa ilay manao cravate kely,manao tee-shirt mitovy,sy pantaloha mitovy(manga,mavo fotsy ny ambony ary beige sy maity ny ambany sns)

4. johnnyandri ( 19/07/2007 04:56)
Thailand:
Aty amin'ny College aho ka tsy dia haiko loatra ny fandehan y any ivelany. Ny tazako fotsiny dia n'aiza n'aiza aty Thailand dia Uniform Mainty sy fotsy rehefa mbola latsaky ny Bachelor degree no tanjona amin'ny fianarana.Na fanjakana na private, TSY MAINTSY MIAKANJO MAITY AMBANY SY FOTSY AMBONY. Rehefa andron'ny mpanjaka dia manao akanjo mavo ny olona ary io loko mavo io dia miova isan-taona amin'ny loko samihafa. Rehefa Alatsinainy ohatra dia miloko mavo ny olona aty, tsy voatery io fa fomba fanajana. Izaho tia loko mavo fa nony niasa ilay loko dia nanjary toy ny mavoadala ny tanana.
Ny aty amin'ny College hianarako dia international ka mandoa vola daholo. Misy Cafeteria,sakafo vejetariana, dormitory misy Fan na Aircon, Library, Terrain de sport isan-karazany, Organized Tripfields, Computer Lab, Mivavaka matetika(Christian), mandray anjara betsaka ny mpianatra amin'ny activities isan-karazany.
Matetika dia mody ny olona rehefa Break satria akaiky ny Tanindrazany, Laos, Cambodia, Vietnam, Singapore, Malasya, Indonesia, Nepal...Raha tsy mody kosa dia mitety an'i Thailand na mitety ireo firenena manodidina ireo, arakaraky ny eo am-pelatanana. Na koa mijanona manodidina ihany, saika misy National Park betsaka, na Toerana fialam-boly toy ny DREAMWORLD.
Misy toeram-pirevena maro koa toy ny Bar sy ny tsenakely isan-karazany.
Tian'ny Thai ny mitsangatsanana any amin'ny WATERFALL, tsy dia ngezabe ohatry ny Niagara sy ny Victoria akory ireo fa toerana misy waterfall kely mahafinaritra. Voakarakara toy ny parc rehetra izy ireny ary no olona tia milona amin'ireny, tsy ankanala tee-shirt sy jean fa avy de miroboka. Isaky ny weekend dia feno mpitsangatsangana ny waterfall.
5. dadie ( 21/07/2007 20:03)
ahafantarana fiainan'ny ol maro marina ny serasera ka ,mahafinaritra ,misaotra an'i niryna nametraka ty lahatsoratra ty :-*
6. xxx ( 23/07/2007 16:25)
ary i dadie nga tsy mba mitantara ny misy any aminy???
7. niryna ( 24/07/2007 06:15)
xxx:

ary i dadie nga tsy mba mitantara ny misy any aminy???

Eny hoy aho, ao aky mba tantarao anay a.Izaho mantsy niteny ny olona hoe mandoa vola ny universite aty dia toa lazain'ireo fa tsy marina izany.


8. niryna ( 24/07/2007 06:18)
johnnyandri:

Thailand:
Aty amin'ny College aho ka tsy dia haiko loatra ny fandehan y any ivelany. Ny tazako fotsiny dia n'aiza n'aiza aty Thailand dia Uniform Mainty sy fotsy rehefa mbola latsaky ny Bachelor degree no tanjona amin'ny fianarana.Na fanjakana na private, TSY MAINTSY MIAKANJO MAITY AMBANY SY FOTSY AMBONY. Rehefa andron'ny mpanjaka dia manao akanjo mavo ny olona ary io loko mavo io dia miova isan-taona amin'ny loko samihafa. Rehefa Alatsinainy ohatra dia miloko mavo ny olona aty, tsy voatery io fa fomba fanajana. Izaho tia loko mavo fa nony niasa ilay loko dia nanjary toy ny mavoadala ny tanana.

johnnyandri>misaotra betsaka nitantara.
Dia ahoana tokoa izany manao loko mavo izany?
Marina ve izany fa feno tanora na zazavavy kely mbola tanora any mivaro-tena?Azafady fa HS,mampalahelo mantsy ilay tantara fa vokatry ny fahantrana hono.
9. johnnyandri ( 24/07/2007 09:03)
Na any anaty birao na eny an-dalambe, na any ampianarana dia manao Shirt na polo mavo ny olona. Dia saika mitovy amin'ny andro fambolen-kazo rehefa mampitovy Uniform ny olona.
Tsy dia arako loatra ny momba anío fa ny tena hita mazava aloha dia ny feeling lehilahy mivadika lasa vehivavy aty. Voalaza tokoa fa tena mahavita zavatra ry zareo amin'ny fandidiana ka esoriny ny mahalehilahy azy ary ampaniriany ny nonony, tsy izany ihany fa mbola hainy koa ny manala anío pomme dádam io, ary tsy misy ahafantaranao intsony hoe lehilahy io taloha fa dia ny tanany ohatra na ny ranjon-dehilahy no mety ahitanao azy. Indrisy anefa fa tena efa misy Perfect mihitsy ny toe-bataníreo olona ireo ka dia tena lasa vehivavy tanteraka no jeren'ny masonao.
Ny hany fomba ahafantarana azy sisa dia ny SCANER, izay ahitana ny fipetraky ny voa.
Mivanitika fotsiny aho indraindray mahita ilay sasany tsy dia nanapitra hatramin'ny farany ny fanovana nataony ka dia hita miharihary be ilay pomme dÁdam.
Resaka fahantrana, misy tokoa ireo faritra manamorona aní Thailand sy ireo firenena manodidina toa aní Cambodia sy Vietnam, na Laos sy Burma. Misy toerana mbola ambanivohira tokoa ary dia miaina anío trangan-javatra io. Tantara toy izany fotsiny no henoko(tsy dia misy ambara). Manana toe-karena azo lazaina ho matanjaka anefa i Thailand ary mandroso tokoa, androany izao ohatra $1=29Baht(currency), raha vao iray volana lasa izay no $1=34baht.
10. niryna ( 27/07/2007 07:22)
Johnnyandri>misaotra betsaka nitantara.Aty aminay koa dia misy maro ny lahy miova ho vehivavy ary misy tena manja be tsy fantatrao ho lehilahy mihitsy ilay izy eny an-dalambe,izy mampiasa telefonina sady mandeha no heno ho migoboka be ny feony.Misy koa ry zareo mpivaro-tena ary misy cartier natokana hipetrahany ary raha vao misy olona mifindra tonga dia mahita namana izy ka na ohatrinona ny hofantrano dia zakany.Mampalahelo ilay izy ary ny tena mampalahelo lavitra koa dia ireo vehivavy izay ngezabe tsy dia misy mpitia dia lasa miaraka ry zareo.Tsikaritry ny manampahaizana anefa fa ny vehivavy miaraka dia mitombo ny vatany ary lasa lehibe raha oharina ireo lehilahy miaraka.Misy manambady dia mivadika ary lasan-dry zalahy,misy maro ny ankizy manana mama roa na dada roa.
11. Herimiafina ( 02/08/2007 23:16)
3 crédits = 45 ora, nefa 15 ora any ampianarana ary 30 ora any ivelany, donky, 30 ora isaky ny cours iray mirevy bebeks! Favy le fialamboly an! :^):@
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1323