Mitomany i Lafrantsa

1. xxx ( 08/07/2007 13:15)
25 jolay 2005 : nitsidika an'i Madagasikara i J.Chirac tamin'izay. Nangingina ny fahitalavitra frantsay tamin'izay, fa nifona manko i Chirac noho ny tamin'ny fanjanahan-tany.

Tamin'io fotoana io anefa, nisy resabe hoe handefa OPA amin'i DANONE hono i PEPSI, dia koditra daholo ny frantsay. Mbola tsy nisy resaka akory ny fitsidihana ofisialin'i Chirac, dia tsy maintsy naseho tele izy ny andro faharoa, satria niteny momba an'io OPA io avy ao Antananarivo, fa tsy sitraky ny fanjakany ny hivarotana an'i DANONE.

Tamin'izay moa variana tamin'iny ny olona, dia ny Groupe Tattinger manontolo no novidian'ny amerikana. Dia efa nalahelovany aloha iny.

Amin'izao indray, dia lafo tamin'ny amerikana Kraft foods indray ny ampahan'i Danone mpanao bisokia, dia ny bisokia LU, marika ngeza indrindra. Misy te-hitomany mihitsy ...

Fa efa sady tafihan'ny sinoa sy karana (mittal) ny tanànan-dry zalahy, fa ny amerikana koa toa mbola manafika. Ho tonga ihany ary ve i Wal-mart ?
2. Jeankely ( 09/07/2007 08:25)
Miala tsiny aloha fa tena tsy zakan'ny tsenako ity. Ny resaka Madagasikara izao no tena olana tsy voavahy fa Frantsa G8 izy e. Aza tia ahalala na mihevitra azy valaka fa ny an'ny tena no tadivampanafana. Miala tsiny raha tsy mety ilay fiteninay ooo
3. rasil ( 09/07/2007 12:16)
Entana sinoa nge no betsaka any amin'ny wal-mart e. Fa marina ilay hoe en declin lafrantsa. Ny marche any afrika mihitsy no tsy mamely.
4. mandrindra ( 13/07/2007 11:28)
ny mikasika an'i danone dia nividy orinasa manao sakafonjaza an'ny firenena any avaratra any ry zareo ho takalon'ny Lu, resaka rentabilité no anton'io. ny nahatonga ny KJS nividy an'i Lu indray dia satria hain'ny bekintana ny mikasika ny céréales izay manandanja betsaka ao amin'ny fanamboarana biscuits.

ny mikasika an'i wal mart indray dia efa folo taona izay no mandeha ny siosio isankarazany, joint venture miaraka amin'i casino, hividy an'i auchan, OPA amin'i carrefour, .... ny mahasarotra ny fahatongavan'i wal mart eto frantsa dia satria teny kely dia kely ny référencement frantsya hananan'i wal mart ao amain'ny magazainy.

mitomany lafrantsa satria mitotongana, raha ny resaka osinina dia tsy any intsony izy no tokony hiady satria tsy handresy an'ireto mains d'oeuvres asiatika sy ny tany mahantra hafa ireto. raha toa kosa te hiverina haliratra ry zalahy dia tokony ho ny resaka services sy ny fikarohana (R&D) no himasoany.
5. gasymanja ( 30/07/2007 16:38)
Jeankely:

Miala tsiny aloha fa tena tsy zakan'ny tsenako ity. Ny resaka Madagasikara izao no tena olana tsy voavahy fa Frantsa G8 izy e. Aza tia ahalala na mihevitra azy valaka fa ny an'ny tena no tadivampanafana. Miala tsiny raha tsy mety ilay fiteninay ooo

marina retsy ny anao ry petitjean, miombon-kvt tanteraka ny aty=D=D

6. Herimiafina ( 02/08/2007 23:18)
Vozanaka i Lafrantsa klé. Rehefa nanjanahan'ny rainoboto tamin'ny 1941, dia voazanaky ny benkintana indray izao. :{:@
7. Jeankely ( 11/10/2007 09:15)
Na voazanaka izy na tsy tafavoaka mbola izy no hitomanian'ny Malagasy ka ny Malagasy ve izany no mitaigina soavaly vizana sa ahoana?
8. Herimiafina ( 12/10/2007 02:53)
Ka mba malahelo ilay mba hany soavaliny maty kosany izy knou! :^)=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102