ny mpampianatra

1. ROSEDELIMA ( 05/07/2007 12:47)
raha mitovy taona @mpianatra ianao no mampianatra de mety ve?nahoana?
novalian'i volamena1 ny 04/06/2008 11:21
2. BRINAL ( 05/07/2007 14:12)
bruno mamaly: raha ny hevitro dia tsy misy ny olana,satria: matoa mpampianatra dia efa nahavita ny fianarana ho amin'izany, matoa koa izy mbola ampianarinao eo @ haavo ny fahalalanao dia mbola ambaninao ny haavo fahalalany zany hoe tsy mbola nanao ny fianarana nataonao izy ( experiance ).
raha tsy mahadiso ROSE DE LIMA mpanao volley ve ianao? valio azafady
3. ravakamalala ( 05/07/2007 14:13)
Mety! ny fahaizana mampita ny fahalalana no zava dehibe .
4. lapino ( 05/07/2007 14:17)
mitovy taona ahoana : samy 5 taona sa samy 15 taona sa samy 25 taona ? :wink:
5. Bita ( 05/07/2007 16:57)
Betsaka ny afaka manao izany. Satria raha ohatra hoe teny mpirenena samy hafa ohatra dia afaka mampianatra teny mpirenena haiko @ ilay tsy mahay aho nefa ilainy. Dia marina koa ny nolazain'i Ravakamalala ny fahaizanao mampita no zava-dehibe fa tsy miankina @ taona na mitovy na tsy mitovy fa misy ny zavatra hainao tsara nefa tsy mbola hain'ilay namanao mitovy taona aminao mihitsy. Koa mazotoa mampianatra ary raha misy hainao nefa ilain'ny namanao e!
6. soanja ( 08/07/2007 03:53)
Ny fianarana tsy mba misy fetra-taona fa na mandrapahafaty aza mianatra dia mety tokoa.
Tsy misy olona tapi-pahaizana mantsy.
Noho izany dia mety ho zandrinao ny mpampianatrao ary mety ho zokinao lavitra be koa aza.
Izay ela netezana ihany anefa no lava volo ka ireo no matetika hitantsika amin'ny fiainana andavanandro.
7. Rasiligaoma ( 09/07/2007 03:47)
fony aho mbola nanao aikido dia misy efa olona mitovy taona @ dadabeanay ny mpianatro
8. ikaretsaka ( 09/07/2007 12:04)
tsy misy fetra ka..
saingy indraindray misy complexe eo @ 2 tonta ilay izy...
mety ho samy menatra, mety ho be zesta ilay 1 kely mampianatra . mety ho mafy loha ilay lehibe satria hoe ilaikely ity koa no miseho azy ho mpampianatra ahy eo
9. rvrandriana ( 07/08/2007 07:00)
ROSEDELIMA:

raha mitovy taona @mpianatra ianao no mampianatra de mety ve?nahoana?

raha ny tokony ho izy, matoa ny olona iray voatendry na nanolo-tena hampianatra, dia tokony efa manana ny fahalalana sy ny traikefa mifanaraka amin'izay zavatra hampianariny izy. Izany hoe afaka miatrika soa aman-tsara ny mpianany. Noho izany, ataoko fa tsy ny taona no olana eo amin'ny fampianarana fa na mitovy taona aminy ny mpianany, na zokiny aza tsy mampaninona loatra izany. Ny tsy mety fotsiny dia ny hoe mitovy fahaizana amin'ny mpianatra ny mpampianatra. Marci:8O

10. totty ( 28/08/2007 11:31)
ravakamalala
11. sarobidy ( 02/11/2007 12:24)
ie, tsy maninona ko aloha zany amiko e! apetraka fotsn ny mampiavaka oe ny iray mpampianatra d ny iray mpianatra!!!!

12. volamena1 ( 04/06/2008 11:21)
Bonjour ROSE DE LIMA ,
Mety zany ka, in no vao²
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6987