valio re aho

1. voahiranakely ( 25/06/2007 20:48)
mangataka ny hira valio re aho mahaleo
novalian'i Fiffi ny 25/06/2007 20:54
2. Fiffi ( 25/06/2007 20:54)
Mandongilongy tsy mety hisinda
Zary midongy sy mivindavinda ireo maraina
Saraka olontiana
Toa rano mitatao nanamaloka Ankaratra
Mbola mitraho mihombo oram-baratra ny toe-andro
Ao am-po mangina

Valio anie aho valio anie aho
Moa manina ianao indraindray
Valio anie aho valio anie aho
Sa efa sondriana satria tsy matsiahy

Ny voary manerana manda ny hitraka
Toa miantso fitserana fa mila ho tsy zaka ireo andro fahatsiarovana
Tsy tiana antsoina tsy sangy ialofana
Fa fo sendra voina tsy ainy rakofana ny fanahy no zary torovana

Valio anie aho valio anie aho
Moa manina ianao indraindray
Valio anie aho valio anie aho
Sa efa sondriana satria tsy matsiahy

Nanangana Avana ireo lanitra manga
nihira fitiavana fa manangasanga ny hoavy
ilay olon-tiana
ny voary nifoha tsy toy ny omaly
fa tonga tokoa ilay mpamalifaly
ireo voronkely mila fitiavana

fa tonga ianao fa tonga ianao
tsy niova filana
fa tonga ianao fa tonga ianao
ny lanitra manga ny fo ravoravo

de mba tsidio hiany ny tononkira fa ao daholo ny hiran'Mahaleo...:) http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/mpihira&id=1
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078